Ejypta: Mitaky Eid lavitry ny fanorisorenana ara-nofo ny bilaogera

(Marihana fa efa tamin'ny volana Septambra taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Satria efa akaiky ny Eid Al Fitr (ny fiafaran'ny Ramadan),  miomana indray hizaka fanorisorenana ara-nofo bebe kokoa amin'izay efa lasa fenitra mahasorena ny vehivavy ao Ejipta.

Nanatevin-daharana ny hery hiadiana amin'izany tranga izany ihany koa ireo bilaogera sy mpikatroka antserasera, mitaky fankalazana mahafinaritra sy lavitry ny fanorisorenana.

Nanomboka tamin'ny 25 Oktobra 2006 izany rehetra izany, rehefa nanatri-maso ny tranga fanorisorenana faobe tamin'ny andro voalohany tamin'ny Eid Al Adha (Courban Bairam) i Ejipta.

Anatin'io toe-javatra manokana io, SandMonkey nanoratra hoe:

The story is as follows for the those of you who didn't hear about it: It was the first day of Eid, and a new film was opening downtown. Mobs of males gathered trying to get in, but when the show was sold out, they decided they will destroy the box office. After accomplishing that, they went on what can only be described as a sexual frenzy They ran around grabbing any and every girl in sight, whether a Niqabi, a Hijabi or uncovered. Whether Egyptian or foreigner. Even pregnant ones. They grabbed them, molested them, tried to rip their clothes off and rape them, all in front of the police, who didn't do shit. The good people of downtown tried their best to protect the girls. Shop owners would let the girls in and lock the doors, while the mobs tried to break in. Taxi drivers put the girls in the cars while the mobs were trying to break the glass and grab the girls out. It was a disgusting pandemonium of sexual assaults that lasted for 5 hours from 7:30 PM to 12:30 am, and it turns my stomach just to think about it.

Tahaka izao ity tantara ity ho an'ireo izay tsy nandre momba izany: Andro voalohany amin'ny Eid izany, ary misokatra ao an-tanàna ny sarimihetsika iray vaovao. Nitangorona ireo andian-dehilahy mba hiezaka hiditra, saingy feno ny toerana tao amin'ny fampisehoana,  nanapa-kevitra izy ireo fa hanimba ny trano fampisehoana. Rehefa vitany izany, dia nanohy tamin'ilay sokajiana fa haromontana ara-nofo izy ireo. Nihazakazaka manodidina misambotra izay tovovavy hitany izy ireo, na Niqabi, na Hijabi na tsy misarom-boaly. Na Ejipitiana na vahiny. Eny fa na dia ireo bevohoka aza. Nosamboriny ireo, nampijaliany, niezaka nanaisotra ny akanjon'izy ireo ary nanolana azy ireo, teo imason'ny polisy, izay tsy niraika. Niezaka nanao izay vitany mba hiaro ireo tovovavy ny olona tsara fanahy tao afovoan-tanàna. Navelan'ireo tompona mpivarotra hiditra ao aminy ireo tovovavy ary nohidiana ny varavarana, raha niezaka mbola hiditra ireo andian'olona. Ampidirin'ireo mpamily fiarakaretsaka ao anaty fiara ireo tovovavy ary miezaka mamaky ny fitaratra sy misambotra ireo tovovavy ireo andian'olona. Fisavorovoroana maharikoriko feno fanorisorenena ara-nofo izay naharitra adiny dimy nanomboka tamin'ny 7:30 hariva ka hatramin'ny 12:30 maraina izany, ary nahatonga ahy te-handoa ny mieritreritra izany.

Hatramin'io andro io, lasa ampahany tsy tapaka amin'ny Eid Al Fitr sy Eid Al Adha any Ejipta ny fanorisorenana ara-nofo. Nanangana vondrona Facebook sy fanentanana antserasera mitaky Bairam lavitry ny herisetra ilay bilaogera Mohamed Hamdy;

شباب مصر اللى بجد عارف إن رب رمضان هو رب باقى الشهور , بالتالى عيب جدا شبابنا يكون بيصلى التراويح ويقيم الليل لحد أخر يوم فى رمضان , ومن أول يوم فى العيد نلاقى الشباب بيتحرشوا بالبنات والسيدات فى الشوارع . الجروب ده معمول علشان نقول إننا هنعيد وهنفرفش .. بس مش هنتحرش
وأتمنى كلنا نشارك فى إثراء الحوار هناك , ونعمل دعوه لكل أصحابنا على الفيس بوك عشان الفكره توصل لاكبر عدد من الناس .. يمكن نساهم فى عودة الأمن للشارع المصرى من جديد .
Fantatry ny tanora tena Ejiptiana fa ny Andriamanitry ny Ramadany dia ilay Andriamanitra iray ihany amin'ny taona sisa; mahamenatra raha mivavaka, mifady hanina sy mivavaka amin'Andriamanitra mandritra ny iray volana ny tanorantsika, mangataka famelan-keloka mandra-pahatonga ny andro farany amin'ny Ramadany ary avy eo mamakivaky ny araben'i Kairo mba hanorisory vehivavy amin'ny andro voalohan'ny Bairam. Ity vondrona ity dia antso ho an'ny Bairam lavitry ny fanorisorenana ara-nofo. Avelao hivoatra amin'ny resadresaka tsara izany ary asao ny namantsika rehetra mba hitondra fanajana sy fiarovana eny amin'ny arabe.

Noresahana tao amin'ny tontolon'ny blaogy Ejyptiana ny fanentanana ary noresahana tao amin'ireto bilaogy manaraka ireto: Shaymaa El Gammal, Mahdy Mubarak, Meshmeshya, Ego, Maha, Woman, Osama Abdel Aal, sy Radio Horytna.

Bilaogera Ahmed El Sabbagh nisaona an'i Ejypta izay fantany, hoy izy:

رياضة التحرش فى مصر.. جزأ لا يتجزأ من الواقع الماسخ المُمسّخ الباهت الضائع التائه العجيب المؤسف الذى تحياه مصر فى تلك الفترة السوداء من عمر الزمان. أصدقائى الأعزاء.. أعلم أن المتحرشين لا يقرأوون غالباً ما أكتب، وربما لا يدخلون على الإنترنت أساساً إلا للتحرش الإلكترونى، ولهذا حديث أخر، وأظن – وليس كل الظن إثم – أن قراء هذه السطور لا يتحرشون، لهذا – ولهذا فقط – لن ألبس ثوب الحكمة وأدلوا بالنصائح، لكننى سأتمنى لكم:
عيد بدون تحرش
Ny fanorisorenana ara-nofo dia nanjary fanatanjahantena izay mampitombo ny fahantrana amin'ny zava-misy efa mampalahelo iainantsika amin'izao fotoana izao aty Ejipta. Ry namako malala, fantatro fa tsy mamaky izay soratako ireo mpiherisetra ary angamba mety mifandraika amin'ny fanorisorenana an-tserasera ny fisian'izy ireo amin'ny aterineto. Mino koa aho fa tsy mpiherisetra ireo izay mamaky ireo andalana ireo amin'izao fotoana izao, izany no mahatonga ahy tsy hitory teny aminao ary maniry anao fotsiny mba hanao eid tsy misy fanorisorenana.

Mbola misaona an'i Ejypta niharan'ny fanorisorenana ara-nofo ny Ejiptiana taorian'ny tatitry ny Reuters farany indrindra momba ny fanorisorenana izay nanambara fa roa ampahatelon'ny lehilahy Ejiptiana no mampijaly vehivavy. Ankoatra izay, nambaran'ilay bilaogera niharan'ny fanorisorenena ara-nofo Asser Yasser ho andro hanoherana ny fanorisorenana ny 18 Aprily.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.