Efa mandeha ireo vohikala vaovaon'ny Lingua amin'ny teny Igbo sy Santali

Hafaliana ho ahy ny manambara fa efa manomboka miasa ireo vohikala vaovaon'ny Lingua amin'ny teny Igbo sy Santali!

Chidiebere Blessing, mipetraka ao Nigeria no hitantana ny Lingua Igbo ato amin'ny GV. Manana Master amin'ny Fianarana ny teny Igbo avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Lagos izy, ary mampianatra ny teny Igbo ao amin'io anjerimanontolo io ihany! Azonao arahina ao amin'ny Facebook sy LinkedIn izy!

I Ashwani Murmu, mipetraka ao Inde, kosa no Mpitantana ny Fandikanteny amin'ny teny Santali. Ankoatra ny asany ao amin'ny bankim-panjakan'i Inde, mpikatroka manafa fo ho an'ny teny Santali ihany koa i Ashwani ary miasa ho an'ny fampiroboroboana ny teny Santali. Isan'ireo mpandrindra ny Wikipedia amin'ny teny Santali ihany koa izy! Azonao arahina ao amin'ny Facebook, Twitter ary LinkedIn izy!

Ary raha liana hiditra ao amin'ny Lingua Igbo na Santali ianao, fenoy ity taratasy ity ary hifandray aminao izahay! Zarao amin'ny tambajotranao ihany koa izany 🙂

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.