(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2014)
Tafaray tamin'ny vadiny sy ny zanany vavy ihany ilay mpikaroka sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices, Alexander Sodiqov, ny 22 Jolay, rehefa notanan'ireo manampahefana Tajika nandritra ny dimy herinandro. Araka ny voalazan'ny kaonty Twitter @FreeSodiqov, “mbola tsy afaka mandao ny firenena i Alex, mbola mitohy ny fanadihadiana”.
Ny 16 Jona io mpianatra teratany Tajika nanomana Doctorat tao amin'ny Anjerimanontolon'i Toronto io no voasambotra tany amin'ny faritra Mizaka tenan'i Gorno-Badakhshan, Tajikistana, izay nanaovany fikarohana momba ny famahana disadisa tanatinà tetikasa ifandrimbonany amin'ny Anjerimanontolon'i Exeter.
Nitafatafa tamin'i Alim Sherzamonov, solontenam-paritry ny mpanohitra ao amin'ny Antoko Demokratika Sosialin'i Tajikistana, i Alex, rehefa natonin'ireo mpitandro filaminana tsy manao fanamiana ary nalain'ireto farany an-keriny, izay nilaza ho mpiasan'ny fiarovam-pirenena. Taty aoriana dia namoaka fanambarana manamarina io fisamborana io ny Kaomitim-panjakana Tajika ho an'ny Fiarovam-pirenena, ary nanipy ny hevitra fa tafiditra taminà raharaha fitsikilovana ho anà governemanta vahiny tsy voafaritra i Sodiqov.
Tantara fanazavàna: Maninona no Heloka Bevava ny Fanatanterahana Fikarohana Akademika ao Khorog, Tajikistana
Manampahaizana mamiratra i Alexander Sodiqov, izay ny asa sorany momba ny Tajika sy ireo pôlitika ao Azia Afovoany dia mitondra ireo mariky ny mpandinika pôlitika sangany rehetra—fahitsiana, fahiratantsaina sy tsy fiandaniana. Izy ihany koa dia olona, izay na eo aza ny traikefa iraisam-pirenena rehetra ananany, dia mijanona manolo-tena hikaroka ny firenena nahaterahany sy mampita izany fahalalàna izany amin'ny tontolo midadasika kokoa.
Mha hahatakarana ny antony mahatonga ireo manampahefana Tajika hijery ny olona toa an'i Alex ho rahona, zava-dehibe ny fahafantarana fa tsy dia fampisehoan-kery loatra ny fisamborana azy fa fampisehoana fahalemena kokoa anatinà faritra iray izay ny governemanta malemy dia manana fisiana farak'izay malemy.
Fandrakofana hetsipanentanana
Ny 19 Jona, nandray anjara tamin'ny hetsipanentanana ho an'ny #FreeAlexSodiqov ny vondrompiarahamonin'ny Global Voices ary namoaka ity fanambarana ity.
Fanazavana momba ilay hetsipanentanana
- Tsidio ny vohikalan'ny hetsipanentanana #FreeSodiqov (amin'ny teny Anglisy sy Rosiana)
- Fanangonantsonia mangataka ny famotsorana azy
- Araho ny tenifototra #FreeAlexSodiqov
Bitsika momba ny “#FreeAlexSodiqov “
Fandrakofan'ny Global Voices: #FreeAlexSodiqov
- Mitabataba Izao Tontolo Izao hoe #FreeAlexSodiqov Mandritra ny Fiaretan-tory Manerantany (17 Jolay)
- Manahy ity Rosiana Mpanoratra Gazety ity Fa Mety Hifindra avy any Tajikistan Mankany Rosia ny “Tahotra Mpitsikilo” (15 Jolay)
- “Ny Fomba Saika Nahalasa Mpitsikilo Ahy”: Mandinika ny tsy Fahatomobanan'ny Fisamborana an'i Alexander Sodigov ity Lehiben'ny Toniandahatsoratra Tajika ity (5 Jolay)
- Fiarahana Misalahy avy ao Ankara ho Famotsorana an'i Alexander Sodiqov (1 Jolay)
- ‘Nanao Fahadisoana Tsotra izao ny Governemanta Tajika': Miady Hevitra momba ny Fitanana an'i Alexander Sodigov ireo Manampahaizana ao Washington DC (+Horonampeo) (1 Jolay)
- Manazava ny Antony Mahatonga ny Fisamborana an'i Alexander Sodigov Hanahiran-tsaina toy izao ireto Manampahaizana 5 ireto (27 Jona)
- ‘Miditra Ifotony amin'ny ataon'ireo Manampahaizana Mpikaroka ny Fitanan'i Tajikistana an'i Alexander Sodiqov’ (27 Jona)
- Faritr'i GBAO ao Tajikistana – Toerana tsy Mampino (26 Jona)
- Tsy i Alexander Sodiqov no Olona Voalohany Voasambotra tao Tajikistana noho ny Fanaovany ny Asany (23 Jona)
- Mangina ny Governemanta Tajika manoloana ilay Mpandray Anjara ato amin'ny Global Voices “Nanjavona” (19 Jona)
- Notazonin'ny Manampahefana Tajik Ilay Mpanoratry ny Global Voices (18 Jona)
Fanohanana an'i Alex: Fikambanana
Fikambanana ho an'ny Fiarovana sy Fiarahamiasa ao Eoropa (OSCE): sahiran-tsaina momba ny fanjavonanà bilaogra iray tao Tajikistana ny solontenan'ny fahalalahan'ny media OSCE (18 Jona)
Human Rights Watch: Tajikistana: Hamotsotra sa Hiampanga Mpikaroka (19 Jona)
Amnesty International: Tajikistana: Mpianatra manomana Doctorat Voasambotra, Tsy Ahazoam-baovao: Alexander Sodiqov (19 Jona)
Fantaro i Alex: Amin'ny alàlan'ny Asa sorany ato amin'ny Global Voices