Taratasim-pifandraisana RV : Midira anatin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra anaty aterineto ho an'ny tambajotram-piarahamonina

Pikasary avy ao amin'ilay sehatra fifanakalozan-kevitra Community Networks Group.

Fanamarihan'ny Rising Voices: ity taratasim-pifandraisanay mpivoaka indroa isam-bolana ity dia manome famintinana ireo lahatsoratra farany nivoaka momba ireo endriky ny fampidirana nomerika, anatin'izany ny fidirana sy ny fampiasàna ireo fitaovana nomerika, ary koa ireo fomba hafa sy hetsika ahafahan'ireo vondrompiarahamonina mandray anjara feno anaty aterineto. Vakio eto ireo taratasim-pifandraisana efa nivoaka teo aloha.

Manangana tambajotram-piarahamonina na ISP kely ao an-toerana ve ianao, na liana ny hanao izany? Eritrereto ny fiarahana amin'ireo olona mitovy fisainana aminao ao amin'ny #CommunityNetworks Group!

Ny #CommunityNetworks Group dia “vondrom-pianarana ho an'ireo mpikarakara sy mpandraharaha tambajotra ao an-toerana, isan'izany ireo tambajotram-piarahamonina, ireo kôperativa, ary ireo mpandraharaha madinika.”  Anatin'ity sehatra fifanakalozan-kevitra ity, sady azonao atao ny manatona ireo mpikambana hafa anatin'ny vondrona mba hahazoanao vahaolana mahomby amin'ireo fanamby mipetraka, no azonao atao ihany koa ny mizara fahalalàna sarobidy amin'ny hafa manao ezaka mitovy amin'izay. Liana? Maninona raha mitsidika izany mihitsy ianao ary mijery izay zava-miseho ao anatin'ilay vondrona? Tafiditra anatin'ireo lohahevitra amin'izao ny fizaràna traikefa sy fitaovana fianarana, ao ihany koa ireo fanadihadiana tranga avy amin'ireo faritra samy hafa manerana izao tontolo izao.

BEBE KOKOA AVY AO AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES

Anatin'ny fankalazàna ny Taona Iraisam-pirenena ho an'ireo Tenin-janatany 2019 (#IYIL19), niray hery tamin'ireo mpiara-miasa aminay ny Rising Voices tanatin'ny fikarakaràna hetsipanentanana efatra miodina ao amin'ny Twitter entina hanazavàna ny asan'ireo mpikatroka mafana fo ho an'ny tenin-janatany manerana izao tontolo izao. Raha manitikitika anao ny toerana misy ireo tenin-janatany ankehitriny manerana ny tany sy ireo izay tafiditra anatin'ny famelomana azy ireo indray sy/na ny fanandratana azy ireny, manasa anao hanaraka ireo hetsipanentananay ao amin'ny Twitter! Ary raha te hahalala bebe kokoa momba ireo mpampiantrano anay amin'izao fotoana ianao, afaka mitsikilo ireo lahatsoratra avoakany anatin'ny mombamomba azy toy izao manaraka izao:

@DigiAfricanLang (Afrika)

  • I Justin Sègbédji Ahinon momba ny teny Fon, ampiasaina indrindra ao Benin, sy ny fidiran'ny teny (Afrikana) anatin'ny sehatry ny teknolojia
  • I Aremu A. Adeola, Jr. momba ny teny Yoruba, ampiasaina ao Nigeria, sy ireo olana mikasika ny teny ao amin'ny firenena

@ActLenguas (Amerika Latina)

  • I Jeiser Suarez Maynas [es] momba ny teny Shipibo-Konibo ao amin'ny Amazonia Peroviana
  • I Yamanik Cholotío [es] momba ny teny Tz'utujil, teny Mayana fampiasa ao amin'ny Farihin'ny faritra Atitlán ao Goatemalà

@NativeLangsTech (Amerika Avaratra)

@AsiaLangsOnline (Azia)

FAMATSIANA

Mampiasa ireo antontantaratasy tahiry saropady izay mila havadika ho nomerika mba hotehirizina sy/na hotsirihina ianao? Manangona ireo fandraisana anjara amin'ny fihodinana vaovaon'ireo tetikasa vatsiany isan-taona ny Endangered Archives Programme, mikendry ny hanohana ireo fikarohana midina an-tsehatra amin'io lafiny io. Manasa anao hitsidika ny vohikalany raha mila fanazavàna fanampiny. Faran'ny fisoratana anarana: 11 Novambra 2019 amin'ny mitataovovonana (GMT)

MARIPANKASITRAHANA

Ho fahatsiarovana ny namana mpitati-baovao iray efa nodimandry, manao ny Maripankasitrahana Kate Webb 2019 ny Agence France-Presse ho fanomezam-boninahitra ireo mpanao gazety Aziatika manao ny asa fandrakofany ao amin'ny faritr'i Azia- Pasifika na inona na inona mitranga. Ho an'ireo mpanao gazety an-tsary, an-dahatsary na an-tsoratra: Manasa anareo hijery ireo antsipiriany eto. Faran'ny fisoratana anarana: 15 Novambra 2019 amin'ny misasakalina (oran'i Hong Kong) (16:00 GMT)

FIKAROHANA

Tany amin'ny faraparan'ny 2018, namoaka tatitra fohy momba ireo fahasamihafàna ara-nomerika, izay tsy dia hita mibaribary kanefa goavana tokoa, manerana ireo firenena 61 manana fidirambola ambany sy antonony, ny Alliance for Affordable Internet (A4AI). Manampy mampahafantatra ny fahasamihafàna eo amin'ny fidirana aterineto sy ny fidirana malalaka ary koa ny risika amin'izany ny fikarohana nataon-dry zareo. Manasa anao hijery ny tatitra iray manontolo eto ary eto kosa ho an'ireo angondrakitra mifandraika amin'izany.

Vao haingana, nizara ny fanadihadiany farany momba ny vidin'ny angondrakitra any amin'ireo firenena 100 manerana an'i Afrika, Amerika ary Azia manana fidirambola ambany sy antonony ihany koa ny A4AI. Asehon'izany fa nahitàna fihenana 11,24% ny vidiny mirary amin'ny sandanà angondrakitra 1GB, araka ny norefesina tamin'ny fidirambola antonony isam-bolana tao amin'ireo faritra nanaovana fanadihadiana, ary nahatonga ny Aterineto afaka nidirana kokoa ho an'ireo an-tapitrisany maro hafa. Raha mila ny antsipiriany, manasa anao hijery eto.

FAMAKIANA, FIHAINOANA ary FIJERENA FANAMPINY

 

Misoràta anarana handray ny taratasim-pifandraisana Rising Voices

 

 

Misaotra an'i Eddie Avila tamin'ny fandraisany anjara tanatin'ity taratasim-pifandraisana ity. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.