Mandà ny Hijery ilay Tanàna-Zaridaina ao India Hivadika Fitoeram-pako ireo Olompirenena

(Fanamarihana: lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2015 ity lahatsoratra ity)

A truck dumps solid waste at Okhla Landfill in New Delhi, India. Photo by Anil kumar Shakya. Copyright Demotix (5/6/2014)

Kamiao manary fako mivaingana ao amin'ny fanariam-pako lehiben'i Okhla ao New Delhi, India. Sary an'i Anil kumar Shakya. Copyright Demotix (5/6/2014)

Miaina krizin'ny fandrindrana fako mibaribary loatra ilay Tanàna-Zaridaina ao India, Bangalore, hany ka nasiana ny fitsidihana ny “Lalan'ny Fako” ao amin'ny tanàna. Mamokatra fako eo amin'ny 4000 taonina isanandro eo io tanàna io, izay mirotsaka any amin'ny fanariam-pako lehibe avokoa, satria tsy voasaraka ny ankamaroan'ireo fako lasa any amin'ireo toby fikirakiràna azy.

Namaha io olana io tamin'ny alàlan'ny fitaterana sy fanariana ny fako ivelan'ny tanàna ny BBMP (Fiadidiana ny tanànan'i Bangalore). Saingy, mijaly ireo vohitra akaikin'ny fanariam-pako lehibe rehefa mitoby ao ny fako, satria vonton'ireo poizina avy amin'ny fako ny rano, ny rivotra ary ny tany. Nitombo indray io olana io tamin'ny taona lasa rehefa nosakanan'i Mandur (vohitra maitso mavana taloha) ireo kamiao mpitatitra fako ary nangatahany ny hanakatonana ny fanariam-pako iray teo akaikiny.

Screenshot from the 2bin1bag Facebook page

Pikasary avy amin'ny pejy Facebook 2bin1bag.

Vahaolana iray ny fanasarahana ny fako any am-potony mba hahafahana mitatitra ireo ampahany mety avadika ho zezika, ireo ahodina ary ireo alefa any amin'ny fanariam-pako lehibe. Hanatanterahana izany, nisy vondrona mpiaro ny olompirenena nanomboka hetsika antsoina hoe 2Bin1Bag, izay mampianatra ny tokantrano hanasaraka ny fako any am-potony.

Ary ho an'ny Bellandur Buzz:

Dabapako miloko roa samy hafa fotsiny no ilaina- mena iray hanariana ireo fako tsy azo ahodina ary maitso iray ho an'ireo fako hatao zezika, kitapo plastika iray azo averina ampiasaina kosa no asiana ireo fako azo averina ahodina.

Manazava io hevitra io ny lahatsary fohy iray:

Namorona takelaka misy kilalao ny vondrona mpianatra miara-miasa amin'ny Fields of View, orinasa mpamorona lalao, hiresahana sy hanakarana ny pitsipitsin'ny fandrindrana ny fako.

Midadasika sady saro-bahana ny olana eo amin'ny fandrindrana ny fako ao Bangalore, kanefa mety vetivety dia ho voavahy miaraka amin'ny hetsiky ny olompirenena manoloana ny zavamisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.