Bahrain: Afaka Miara-miaina ve ny Demôkrasia sy ny Finoana Silamo?

Afaka mipetraka anatin'ny fiarahamonina Silamo ve ny demôkrasia? Izany no fotodresaka teo amin'ireo bilaoera Bahraini androany.

Nametraka io olana io ilay mpanakanto Bahraini, Al Shaikh, rehefa nibitsika hoe [ar]:

في المجتمعات الاسلامية من الصعوبةالفصل بين ماهو سياسي وديني ولذا لن تنجح الديمقراطيةحتى لو كتبنا افضل الدساتير وقبلنا بالتناوب السلمي للسلطة

@Anas_Al_Shaikh: sarotra ny manasaraka ny pôlitika sy ny finoana anatin'ireo fiarahamonina Silamo ary izany no antony mahatonga ny demôkrasia tsy hahomby mihitsy na dia hanoratra ny lalàmpanorenana tsara indrindra sy hanaiky ny fifandimbiasa-pahefana am-pilaminana aza isika.

Mamaly i Fearless Ba7rainia:

الديمقراطيةهي الحل و العلاج لمثل هذه المشاكل إذا تطورت القوانين سيتطور الناس بشكل طبيعي الدولة المدنية هي الخلاص لهذا الشعب

@fearlessbahrain: ny demôkrasia no vahaolana sady fanafodin'ny olana toy izao. Raha hatsaraina ny lalàna,  hivoatra ho azy koa ny vahoaka. Fiarahamonina sivily no hanavotra ny vahoakantsika.

Manana fijery hafa ilay Bahraini mpanao gazety, Abbas Busafwan. Mamaly ilay bitsik'i Al Shaikh tany am-boalohany izy ary milaza fa:

والله هالاستنتاج مؤلم، لكنه قد يكون تعميميا، ربما نجحت تجربة تركيا

@abbasbusafwan: mankarary ity tsoakevitra ity. Fanaovana bango tokana izany. Lavorary angamba ny ohatr'i Tiorkia.

Mamaly i Al Shaikh:

تركيا لم توازن بين الشأن السياسي والديني والدليل ان هناك حقوق للشواذ وانا شفتهم بنفسي يتظاهرون في شارع “تقسيم” الشهير هههه

@Anas_Al_Shaikh: Tsy nitsingilahila teo anelanelan'ireo olana ara-pinoana sy ara-pôlitika i Turkey. Ohatra, manana zo ho an'ny pelaka i Tiorkia, ary ny masoko izao no nahita azy ireo nanohitra tao amin'ilay arabe malaza, Taksim.

Ary ampian'i Ahmed Al-haddad:

تـركيا ليست في عهد اليوم بل في زمان أتاترك // وتركيا اليوم وأردوغان الشهير أعادوها لما قبل أتتارك

  • @DiabloHaddad: Tsy mitovy amin'izy teo ambany fitarihan'i Ataturk i Tiorkia ankehitriny. Nitondra an'i Tiorkia aminà vanimpotoana mialoha an'i Ataturk i Erdogan malaza

Ho valin'izay, mihanihany i Busafwan:

اعتقد ان السعودية احسن نموذج للديمقراطية والشورى وحقوق الانسان والاعلام المقتوح والتوازن بين السياسي والديني!

@abbasbusafwan: Raha ny eritreritro dia i Arabia Saodita no ohatra tsara indrindra amin'ny demôkrasia, ny Shura, ny zon'Olombelona, ny Gazety malalaka, ary ny fandanjalanjana ny finoana sy ny pôlitika.

Manaiky i Abu Yousif fa tsy mety mifangaro ny pôlitika sy ny finoana:

انا معك،يجب ان لا نخلط الدين والسياسة فهم لا يتفقان،فنصبح نظام قمعراطي مثل ايران،

@xronos2: Miombon-kevitra aho. Tsy tokony hafangarontsika ny finoana sy ny pôlitika satria hoe tsy manaiky ry zareo dia avy eo isika hivadika ho fitondrana mpamoritra tahaka an'i Iràna

Ary milaza i Abu Karim fa tokony hanatsara izay efa ananantsika isika fa tsy hampiditra demôkrasia avy any Andrefana:

مشكلتنا اننا نريد تطبيق النظريات الغربية على مجتمعاتنا بدل البحث عن ما يوجد لدينا وتحديثه

@AbuKarim1: Ny olantsika dia te-hametraka ireo fotokevitra Tandrefana anatin'ny fiarahamonintsika fa tsy mikaroka izay efa ananantsika ka manao izay hanarahany ny toetrandro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.