Tantara tamin'ny 31 Mey 2019
Tsy andriko izay hanambadiana: mpivady mitovy fananahana an-jatony maro no nankalaza ny mariaziny tany Taiwan
Manokatra ny vavahady ho an'ny fitoviana ara-panambadiana ho an'ny mpivady mitovy fananahana any Taiwan ny 24 Mey. Mpivady an-jatony no nanao fampakarambady tao amin'ny nosy, nankalaza ny fiafaran'ny fanavakavahana sy ny fankatoavana ara-tsosialy.
Akon'ny tontolon'ny bilaogy Kiswahili: Hira, poezia, literatiora, politika (2005)
Mawazo na Mawaidha avy any Kenya manaraka akaiky ny famantarana ireo endrika isan-karazany amin'ny rindrambaiko sy programa solosaina amin'ny teny Swahili. Tamin'ity herinandro ity dia nanoratra sy naneho hevitra fohy mikasika ny fampahafantarana ny programan'ny Windows sy Office amin'ny teny Swahili izy.
Sady mianatra ny fiteniny no mizara azy i Jacey Firth-Hagen, mampiatrano ny @NativeLangsTech mandritra ny herinandron'ny 30 mey-5 Jona

Andao hofantarina bebe kokoa ny momba an'i Jacey Firth-Hagen, mampiatrano ny kaonty Twitter @NativeLangsTechTwitter mandritra ny herinandron'ny 30 mey 30-5 Jona 2019. Hozarainy amintsika ny fomba fijeriny ny fiteny Gwich'in.
Ny vehivavy afrikanina manoloana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy
Andro iraisam-pirenena ho amin'ny fanafoanana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ny 25 novambra ary manamarika ny fiandohan'ny 16 andro hikatrohana anoherana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny ankizy ,mandritra izany no nananganan'ny vehivavy sy ny fikambanany hetsika manerana izao tontolo izao mba hampitsahatra ny herisetra amin'ny vehivavy.