Andro iray natao hahatsiarovana ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBTQIA+ any Taiwan ny 24 May: manamarika ny daty nankatoavana ny fanambadian'olo-droa mitovy fananahana ara-dalàna izany. Lasa firenena voalohany ao Azia nankatoa sy nampihatra ny fitoviana amin'ny fanambadiana i Taiwan taorian'ny fifidianana manan-tantara tao amin'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny 17 May. Mpivady an-jatony maromaro manerana ny nosy no nampaka-bady ary nandefa sary tao amin'ny tambajotra sosialy niaraka tamin'ny tenirohy #524 (Amin'ny teny Shinoa, tononina amin'ny isa ny volana, noho izany miresaka volana Mey ny isa 5 ary ny andro ny isa 24). Tao Taipei, mpivadivao marobe sy mpanohana maro no nivory tao amin'ny biraon'ny fisoratam-panambadiana ao amin'ny distrika Xinyi, eo am-pototry ny tilikambo mana-tantara Taipei 101, mba hankalaza io fandresena ara-dalàna io. Mpivady roapolo nahitana sokajin'olona sy ny sokajin-taona samihafa no noarahabain’ ireo olo-malaza avy amin'ny hetsika LGBTQIA +, ny tompon'andraikitry ny governemanta, ary ny solontenan'ny firenena vahiny. Nampatsiahy i Chi Chia-wei, mpikatroka menavazana avy amin'ny hetsika LGBTQIA+, raha niakatra ambony sehatra fa nilaza azy ho “marary saina” ny olona telopolo taona lasa izay, fony izy nanolo-tena hiaro ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana. Nofeheziny ara-pihetseham-po ny teniny tamin'ny filazana fa ‘efa ela no niandrasana izany’.
Ireto manaraka ireto ny andian-tsary manasongadina ny tontolo andro.