Tantara tamin'ny 20 Avrily 2019
‘Tsy namono olona ny tafika,’hoy i Bolsonaro raha nitifitra fiaram-pianakaviana in-80 tao Brezila ny miaramila, ary nahafatesana olona iray
"Tsy namono olona ny tafika, avy amin'ny vahoaka ny tafika, ary tsy afaka miampanga vahoaka ho namono olona ianao. "hoy ny filoha Jair Bolsonaro ao Brezila
Kazakhstan: Miresaka momba ny toekarena ireo bilaogera nosakanana
Na dia mbola tsy azo hidirana amin'ny alalan'ny telecom nasionaly mpanao ampihimamba Kazakhtelecom aza ny LiveJournal, sehatra famahanam-bilaogy lehibe ao amin'ny sehatra post-Sovietika, anisan'izany i Kazakhstan, dia mbola mahita fomba hanehoana ny heviny an-tserasera ny mpientanentana amin'ny aterineto.
Nosamborina indray ilay bilaogera Maraokana sady mpihira Rap El-Haqed

Nilaza ireo namany fa nahafantatra an'i Mouad ny polisy ary nikendry azy manokana tany amin'ny lalao baolina kitra. Efa nogadraina indroa nanomboka hatramin'ny taona 2011 i Mouad Belrhouat, fantatra amin'ny anarana hoe El-Haqed noho ny mozikany ara-politika sy ny fikatrohany.
Fanangonana tahirin-kevitra momba ny mety hisian'ny sivana amin'ny tranonkala any Venezoela

Manangom-baovao momba ny fanakanana tranonkala any Venezoela ireo mpanoratra ato amin'ny Global Voices -- ary mila ny fanampianao izy ireo.