Kazakhstan: Miresaka momba ny toekarena ireo bilaogera nosakanana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2008)

Na dia mbola tsy azo hidirana amin'ny alalan'ny telecom nasionaly mpanao ampihimamba Kazakhtelecom aza ny LiveJournal, sehatra famahanam-bilaogy lehibe ao amin'ny sehatra post-Sovietika, anisan'izany i Kazakhstan, dia mbola mahita fomba hanehoana ny heviny an-tserasera ny mpientanentana amin'ny aterineto. Ny toekarena no lohahevitra lehibe – tahaka ny mety any an-toeran-kafa tato ho ato ihany koa.

Alim-atenbek naneho hevitra momba ny tatitra iraisam-pirenena amin'ny fahafaha-mifaninana navoakan'ny Foibe Manerantany Ara-toekarena (WEF amin'ny teny anglisy ). Nanjary olana tena goavana iray any Kazakhstan ny fahafahan'ny firenena mifaninana, raha telo taona lasa izay, nanambara tanjona goavana hiditra ho anatin'ireo firenena dimampolo afa-mifaninana indrindra manerantany i Kazakhstan. Na dia izany aza, nanomboka tamin'ny taona 2006 – raha nahomby tamin'ny laharana faha-51 i Kazakhstan – dia nihemotra faha-66 ny laharan'ny firenenaavy eo ! Alim-atenbek nanamarika hoe [ru]:

This is the indicator of how our government works. I wonder how this fact would be covered in our media… As one of my acquaintances, a respected economist from Berkeley University, says: “Your economy grows, but it does not develop!” I think early 2007 was peak period of our competitiveness. Now we are an oil-abused state, and this dependency is not likely to be over soon.

Famantarana ny fomba fiasan'ny governemantantsika izany. Manontany tena aho hoe ahoana no hitantarana izany zava-misy izany ao amin'ny haino aman-jerintsika… Araka ny nolazain'ny iray tamin'ireo olom-pantatro, mpahay toekarena hajaina avy ao amin'ny Oniversite Berkeley hoe: “Mitombo ny toekarenanareo,fa tsy mandroso!” Heveriko fa tamin'ny voalohandohan'ny taona 2007 no vanim-potoana goavana tamin'ny fahafahantsika mifaninana. Ankehitriny, dia firenena mandany solika tafahoatra isika, ary toa mbola ho ela vao ho tapitra izany fiankinan-doha izany.

Maro ireo mpanara-maso lasa mandray ny tsena Kazakhstani ho kely loatra ho an'ny tetikasa fandraharahana goavana vaovao noho ny tsy fahampian'ny fiverenan'ny fampiasam-bola. Manome ny heviny mahatonga izany i Megakhuimyak:

This assumption is disputable and wrong. 1. This is applicable not for all sectors. 2. In Kazakhstan, there are a lot of business opportunities; moreover, there are spheres that can be monopolized in 5-10 years. 3. There are few operating manufacturing facilities that can be bought for a giveaway price. In this sense – yes, the market is small. 4. The main reason why business does not want to develop totally new projects is political risk that some people may come and take your business away. 5. Unfortunately, as our president gets older, the probability of property redistribution grows – and new businesses get more and more cautious.

Azo iadian-kevitra sy diso izany fiheverana izany. 1. Mihatra amin'ny sehatrasa rehetra izany. 2. Marobe ireo fandraharahana azo trandrahana ao Kazakhstan; ankoatra izany, misy ny sehatra azo atao ampihimamba ao anatin'ny 5-10 taona. 3. Vitsy ireo fitaovana famokarana asa izay azo vidiana amin'ny vidiny hahazoana tombony. Noho izany – eny, kely ny tsena. 4. Ny antony lehibe mahatonga ny orinasa tsy te-hampivoatra tetikasa vaovao tanteraka dia ny loza ara-politika fa mety hisy olona ho avy sy haka ny orinasanao. 5. Indrisy, satria miha-antitra ny filohantsika, dia mitombo ny mety hizarana ireo fananana – ary miha-malina hatrany hatrany ireo orinasa vaovao.

Tsy ireo orinasa ihany no miha-malina hatrany – fa tafiditra tanteraka amin'ny fitsoahan'ny renivola any amin'ny paradisan-ketra malaza be izy ireo, dass nilaza hoe [ru]:

Only during the first half of 2008, the Kazakhstani investments abroad amounted to $1,5 billion. The most attractive destinations are Netherlands (15,3%), Switzerland (10,6%), British Virgin Islands (8,3%), USA (7,3%). Such information should not be published openly – the unprepared citizens will be upset and start swearing at the government. But if you just take a look at these Virgin Islands, you would agree that half a billion is not worth of begrudge.

Tamin'ny tapany voalohan'ny taona 2008 monja, tafakatra 1,5 miliara dolara ny ny fampiasam-bola Kazakhstaney tany ivelany. Ny toerana tena nanintona indrindra dia i Holandy (15,3%), Soisa (10,6%), Nosy Britanika Virgin (8,3%), Etazonia (7,3%). Tsy tokony havoaka ampahibemaso ny vaovao toy izany – ho tezitra ireo olom-pirenena tsy niomana ary hanomboka hitezitra amin'ny governemanta. Saingy raha mijery ireo nosy virijiny ireo ianao dia hanaiky fa tsy mendrika fanenenana ny antsasaky ny miliara.

Navoaka tao amin'ny neweurasia.net ihany koa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.