Tantara tamin'ny 18 Febroary 2019
Mpiasam-panjakana Rosiana mahazo baiko hi-‘like’ lahatsoratra ao amin'ny media sosialy mampiroborobo ny Oniversiady Ririnina 2019
Tsy vao sambany ny manampahefanam-panjakana rosiana no natao "olombelonra raboto" hampiroborobo ny tetikasam-panjakana an-tserasera.
Nahoana Ireo Sinoa Mpanao Aterineto No Mino Ny Tondrom-pandrefesana Entam-barotra Iray ho Afaka Haminaniana ny Toe-draharaha Erantany?
Araka ny anganongano, ny tondrom-pandrefesana an'ireo akora fototra Yiwu dia naminavina ny ho vokatry ny fifidianana filoham-pirenena amerikana tamin'ny taona 2016 ary mipetraka mitovy amin'izay koa ho an'ireo hetsipanoherana "salotra mavo" ao Eoropa.
Thailandy: Fiampanga sivy hanenjehana ny Prachatai, webmaster
Nosamborina tamin'ny 6 Marsa teo ambany ny Lalàna mifehy ny Heloka An-tsolosaina ao Thailandy i Chiranuch Premchaiporn, webmaster ao amin'ny vavahadim-baovao antserasera tsy miankina, Prachatai ao Thailandy
Fanambarana ho an'ny lehiben'ny fampanoavana Ejipsiana ho famotsorana ilay bilaogera
Mpanakanto Ejipsiana sy mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona maromaro no nanao fanambarana tamin'ny Lehiben'ny Fampanoavana, nitaky ny famotsorana ilay bilaogera mpikatroka mafàna fo sady mpanoratra tantara Mosaad Abu Fajr, izay nogadraina nanomboka ny volana Desambra 2007 [...]
Bahrain: Mandrahona ny fikatrohana antserasera sy manakana tranonkala marobe
Nandrahona ny fikatrohana antserasera indray ny minisitry ny fampahalalam-baovao sy ny kolontsaina Mai Alkhalifa tamin'ny tafatafany voalohany tamin'ny BNA (Bahrain News Agency) izay izy ihany no mitantana azy ary nilaza fa dingana voalohany ny fanakatonana ary mety handray fepetra bebe kokoa izahay mba hampihatra ny fitsipika "
Iran: Bilaogera voasazy higadra
Nitatitra ireo tranonkalam-baovao Iraniana maromaro, tahaka ny Amir Kabir [fa], tranonkalan'ny mpianatra fa voasazy higadra 36 volana an-tranomaizina i Omid Reza MirSyafi, Iraniana bilaogera sady mpanao gazety. Voampanga ho nanevateva ireo mpitondra fivavahana Iraniana sy nanao fampielezan-kevitra manohitra ny Repoblika Islamika izy.
Na Tsy Betsaka Aza Ny Fampiasana Ny Aterineto, Sakanan'i Borondi Ny Viber Sy Ny WhatsApp
Latsaky ny 2% amin'ireo mponina miisa 10,2 tapitrisa ao Borondi no mampiasa Aterineto. Nefa nosakanan'ny governemanta ny Viber sy ny WhatsApp tamin'ity herinandro ity, tao anatin'ireo fihetsiketsehana.