Bahrain: Mandrahona ny fikatrohana antserasera sy manakana tranonkala marobe

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2009)
Nandrahona ny fikatrohana antserasera indray ny minisitry ny fampahalalam-baovao sy ny kolontsaina Mai Alkhalifa tamin'ny tafatafany voalohany nifanaovany tamin'ny BNA (Bahrain News Agency) izay izy ihany no mitantana azy ary nilaza fa dingana voalohany ny fanakatonana ary mety handray fepetra bebe kokoa izahay mba hampihatra ny fitsipika “

خطوة الحجب جاءت كإجراء، وتدبير واحد من التدابير، ضمن مبادرات
ومشاريع لمعالجة هذا التدني واللامسؤولية في تجريح الآخرين، ونأمل
من منظمات المجتمع المدني أن تساعدنا في بقية التدابير والبدائل للحد
من هذه الظواهر أو تخفيفها، ونحن في حوار دائم حول هذه التجاوزات،
ونرصد أي مواقف ايجابية ونتفاعل معها. لدينا مراجعة منتظمة حتى
للمواقع المحجوبة من أجل فتحها حال التوافق على موقف مشترك من
التحريض. وقد فتحنا بالفعل عددا من المواقع، والرغبة مستمرة لتوسيع
الدائرة. ولا مانع من أن أفاتح الجميع أننا نفكر في اشراك ناشطين
سياسيين من مختلف الأطراف في مبادرات من أجل مناهضة التحريض
على النت، ومن أجل الكشف عن المخالفات للدستور والقيم المتعاقد عليها
بين المواطنين، ونفكر في إشراك أساتذة جامعات وإعلاميين
واختصاصيين كذلك – و أبوابنا مفتوحة.”

Taorian'izany, dia marobe ireo tranonkala nakatona omaly, anisan'izany ny http://www.aafaq.org izay namoaka ny taratasy nalefan'ny vehivavy iray mpikatroka ho an'ny mpanjakan'i Bahrain, izay nangataka fanovàna tena izy ao amin'ny firenena sy ny zon'ny vehivavy, nobahanana noho izany antony izany koa ny bilaoginy.

Nobahanana ihany koa ny bilaogy mpanangom-baovao malaza indrindra www.bahrainblogs.org,  habaka iray io hanangonana ireo bilaogy noraketina tao hanamora ny famakiana bilaogy momba an'i Bahrain na avy any Bahrain.

Namoaka fanambarana mikasika ny fibahanana ireo tranonkala ny BCHR (Bahrain Center for Human Right- Foiben'ny zon'olombelona ao Bahrain) ary nilaza fa: “ady misokatra ho an'ireo tranonkala mpanohitra izany”.

Nilatsaka izany taorian'ny namoahan'ny minisitry ny fampahalalam-baovao sy ny Kolontsaina memo izay izy no tompon'andraikitra tamin'ny famoahana fanapahan-kevitra hibahana tranonkala sy hanokatra azy ireo, ary koa taorian'ny namoahan'ny TRA (telecommunication Regulation Authorities) memo hanokatra “port” hiasan'ny tafiky ny fiarovam-pirenena mba hitsikilo ny aterineto sy hitazona lahatahiry mandritra ny 3 taona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.