Fanambarana ho an'ny lehiben'ny fampanoavana Ejipsiana ho famotsorana ilay bilaogera

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Mpanakanto Ejipsiana sy mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona maromaro no nanao fanambarana tamin'ny Lehiben'ny Fampanoavana, nitaky ny famotsorana ilay bilaogera mpikatroka sady mpanoratra tantara Mosaad Abu Fajr, izay nogadraina nanomboka ny volana Desambra 2007.

Nogadraina tao amin'ny fonjan'i Borg al Arab, i Abu Fajr taorian'ny fipoahan'ny fihetsiketsehana tao an-tanàndehiben'i Rafah ho fanoherana ny governemanta Ejipsiana izay niezaka naka ny tranon'ireo olom-pirenena Ejipsiana monina ao an-toerana. Nanameloka an'i Abu Fajr tamin'ny fandrisihana ny hetsika fanakorontanana miampy ny fanoherana ny manampahefana sy ny fandratrana ireo mpiasam-panjakana amperinasa ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana , ankoatra ireo hafa,.

Manana bilaogy antsoina hoe ” Wedna Ne’iesh ” i Mosaad Abu Fajr, fiteny Bedouin izay midika hoe “Te ho velona izahay”.  Niresaka momba ny olan'ny Bedouin ao amin'ity bilaoginy ity izay tsy voatatitra firy amin'ny fampitam-baovaom-panjakana izy.

Nanamarika ny Mandatehezan'Ireo Ejiptiana Mpanao Fihetsiketsehana (vondrona mpirotsaka an-tsitrapo Ejipsiana) fa i Abu Fajr no niharam-boina voalohany nanaovana antso maika izay voalaza tao tao amin'ny fanambarana an-gazety tamin'ny volana Mey 2008:

The court overruled the first detention decision issued by the Minister of Interior. Waiting for extending the state of emergency, Abu Fajr was kept in Arish custody for 15 days and then transferred to Borg al Arab under the emergency law to be the first victim of the 27-year-old state of emergency in its new version

Nanafoana ny fanapahan-kevitra fanagadrana voalohany navoakan'ny Minisitry ny Atitany ny fitsarana. Teo am-piandrasana ny fanitarana ny hamehana dia nogadraina tao amin'ny fonjan'i Arish  nandritra ny 15 andro i Abu Fajr ary avy eo nafindra tany Borg al Arab ARAKA NY lalànan'ny hamehana amin'ny endriny vaovao izay nahatonga azy ho lasibatra voalohany tamin'ny lalanan'ny hamehana napetraka 27 taona lasa

Nihevitra anefa ny Front Line Defenders fa misy hifandraisany amin'ny maha mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona azy ny raharaha an'i Abu Fajr :

Front Line believes that the arrest of Mosaad Abu Fajr is directly related to his work in defence of human rights and fears that this may form part of an ongoing campaign against human rights defenders in Egypt.

Mihevitra ny Front Line fa mifandray mivantana amin'ny asany amin'ny fiarovana ny zon'olombelona ny fisamborana an'i Mosaad Abu Fajr ary manahy fa mety ho anisan'ny fanentanana mandeha hanenjehana ny mpiaro ny zon'olombelona any Egypta izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.