Nahoana Ireo Sinoa Mpanao Aterineto No Mino Ny Tondrom-pandrefesana Entam-barotra Iray ho Afaka Haminaniana ny Toe-draharaha Erantany?

Hetsipanoherana iray nataon'ireo “Gilet Jaunes” (salotra mavo) tao amin'ny faritany Frantsay, Haute-Saone, tamin'ny Novambra 2018. Sary an'i Obier avy amin'ny Wikimedia Commons. CC: AT-NC.

Talohan'ny Krismasy, tao amin'ny media sôsialy Sinoa, niparitaka be ny tsaho iray mikasika ny fihanaky ny hetsipanoheran'ny “salotra mavo” Frantsay ho any amin'ireo firenena Eoropeana hafa.

Nipoitra ny tantara taorian'ny fanambaràn'ny Filoham-pirenena frantsay Emmanuel Macron ireo elanelam-panahy sasantsasany hiatrehana ny fitarainan'ireo mpanao fihetsiketsehana mikasika ny politika ara-toekarena. Raha niandrandra ny hiverenan'ny fitoniana sy filaminana i Macron, naminavina ny mifanohitra tamin'izay ny tsaho noforonin'ireo Sinoa.

Marobe ireo dika notsoahana avy amin'ilay tantara no niparitaka avy tamin'ny alàlan'ireo kaonty fanoratana blaogy madinika tao amin'ny Weibo sy Wechat, mitanisa an'ireo loharanom-baovao avy amina mpamongady iray an'ireo vokatra fototra ao Yiwu— tanàna iray fantatra tsara amin'ny maha ivontoeram-pivarotana ambongadiny azy – izay nanambara fa tapitra ny tahirinà “salotra mavo” tao amin-dry zareo ary mbola maro ireo fangatahana mipoitra avy amin'ireo firenena Eoropeana toa an'i Soeda, Pragy, Soisa, sy ny sisa. Adikan'ny tantara fa mihanaka manerana ny tanibe ireo fihetsiketsehana “salotra mavo”.

Inty ny dika iray amin'ilay tantara izay niparitaka tamin'ny Weibo sy ny WeChat:

【义乌指数】中国义乌的服装调研报告指出,现在来自欧洲的“黄背心”订单继续暴涨,现在黄背心制作工作已经在加班加点地进行,更有不少跨境电商卖家将此视为一次绝佳的销售机会。不少网友说,根据义乌商品市场的大数据,可以预测,未来黄背心运动的的浪潮还有可能蔓延到瑞典、捷克、瑞士、西班牙等国。早前就有外媒发文指出,义乌具有一股神秘力量,可以通过市场行情来预测国际政治大事件的走向。在义乌,接受的海外订单数量更被视为民意的风向标,可以惊人地对将要发生的事件做出准确预测。早在2016年美国大选的时候,义乌制造商就通过美国订购的旗帜和衣衫的数量提前5个月预测出特朗普将会成为总统。据了解,目前义乌的一些纺织厂已经开始陆续接受到美国订单,开始生产特朗普2020年竞选时的旗帜和支持者所穿的衬衫,由于订单量已经比民主党竞选所开出的需求高出数倍,因此也有人通过这点来预测特朗普很有可能连任美国总统。这是中国制造的大数据威力

[tondrom-pandrefesana Yiwu] Nasehon'ny tatitra fikarohana Yiwu mikasika ny fitafiana fa nitohy nitombo isa hatrany ireo fanafarana “salotra mavo” ataon'i Eoropa. Nanao ora ambony ampanga ireo mpanamboatra mba hamaliana ny fangatahana ary hetsika fanararaotra hitadiavana tombony no fahitan'ireo mpivarotra amin'ny vovonana e-commerce avy any ampitan-dranomasina  azy io. Vinanian'ireo sinoa mpanao aterineto fa, miainga avy amin'ireo singam-pandrefesana an'i Yiwu sy ny angondrakitra goavana ananany, hihanaka any Soeda, any amin'ny Repoblika Tseky, any Soisa ary Espaina ny hetsiky ny salotra mavo. Manipika ireo media avy any ivelany fa ny tondrom-pandrefesana ny Yiwu dia mety ho afaka haminaniana ireo firehana politika erantany. Azo ampiasaina hijerena ny fironan'ny daholobe ireo fanafarana akora fototra avy any amin'ireo tsena ivelany ary hahafahana, araka izany, haminaniana tsy misy tomika ny vokatr'ireo fisehoan-javatra ara-politika. Tamin'ny taona 2016, miainga avy amin'ny fanafarana t-shirt sy ireo sainam-pirenena nisy fifandraisany tamin'ny resaka fifidianana, ireo mpanamboatra tao  Yiwu dia naminany fa i Donald Trump no handresy ao Etazonia, efa dimy volana nialoha. Araka ny voalazan'ireo mpanaramaso, ireo orinasa mpamokatra fitafiana ao Yiwu dia efa nanomboka nahazo fanafarana entana avy any Etazonia ary nanomboka namokatra  sainam-pirenena sy t-shirts ho an'ireo mpanohana an'i Trump mandritra ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona 2020. Betsaka lavitra noho ireo fangatahan'ny mpanohana ny antoko demokraty. Nanomboka naminany ireo sasantsasany fa mbola ho voafidy i Trump. Mampiseho ny herin'ny angon-drakitra voavana ananan'i Shina io.

Marobe no namerina nibitsika ireo vaovao miaraka aminà fanehoankevitra toy ny hoe “lasa fototra iray haminaniana an'ireo firehana erantany ny Yiwu” sy ny hoe “topazo maso ireo angondrakitra momba ny fanondranana entana ao Yiwu dia mety ho lasa mpanadihady ireo raharaha erantany ianao”.

Ny anganonganon'ny tondrom-pandrefesana Yiwu

Ao amin'ny faritanin'i Zhejiang no miorina i Yiwu, ivon-toerana erantany goavana indrindra mikasika ny fivarotana an'ireo akora fototra ary iray amin'ireo tsena manao ambongadiny tena malaza be ao Shina. Manana  Ananan'ny tanànan'ny varotra iraisam-pirenena Yiwu ny tondrom-pandrefesana iray antsoina hoe Tondrom-pandrefesana an'ireo akora fototra an'i Yiwu Shina izay ahitana taratra ireo firehana eny amin'ny tsena.

Nandritra ireo fifidianana amerikana tamin'ny taona 2016, nanjary lohahevitra mafana teo amin'ireo media sosialy sinoa ny tondrom-pandrefesana Yiwu, satria ny adihevitra mikasika an'ireo rakitahiry miresaka ny fanafarana entana tao Yiwu mifandraika amin'ireo fifidianana dia sahala amin'ny toa milaza fa i Donald Trump no nalaza kokoa noho i Hillary Clinton. Taorian'ireo fifidianana, na ireo media an'ny fanjakana aza dia nitatitra fa nisy hery faminaniana ireo rakitahirin'ny fanafarana vokatra avy ao Yiwu ary Alibaba, ary marobe ireo teratany sinoa nino fa nitombina kokoa ny tondrom-pandrefesana an'ny Yiwu raha mitaha amin'ny fitsapankevitra nataon'ny amerikàna. Nanao fanamarihana haingana ireo mpanaramaso sasantsasany ny media fa mametraka olana ity fandikana ity, nahazo vato betsaka kokoa noho i Trump i Clinton, saingy natao tsinontsinona io fanadihadiana io.

Tamin'ity indray mitoraka ity, ny Global Times mpilaza vaovao ambany fiahian'ny fanjakàna, dia nanamarina ny tantara tamin'ny tambajotra ary nilaza fa tsy lany akory ny tahirin'entana “salotra mavo” tao amin'ilay tanàna mpamatsy, sady tsy ambony noho ny tamin'ny taona lasa akory ny habetsahan'ireo varotra tamin'ireo volana lasa iny. Na izany aza, tsy nisy vokany ny tatitry ny Global Times mba hanajanonana ny fihanak'ilay anganonganon'ny Tondrom-pandrefesan'ny Yiwu. Raha ny marina, fanehoankevitra vaovao no nipoitra taorian'ny Noely, nanamafy ny hery faminaniana ananan'ny tondrom-pandrefesana Yiwu. Ny tantara, naverina navoaka indray tany amin'ireo vovonana isankarazany an'ireo media anaty tambajotra, dia nahalala fa diso ireo tarehimariky ny fandraharahana salotra mavo ireo, saingy mbola nikiry biby nanohy ihany hoe ny tondrom-pandrefesana Yiwu dia naminany tamim-pahombiazana ireo vokatry ny fifidianana filoham-pirenena amerikana tamin'ny taona 2016 sy ny ho Tompondaka Erantany 2018…

Nanisy akony ny lahateny nambaran'ny filoham-pirenena sinoa Xi Jinping tamin'ny 18 desambra teo ny mpanoratra, mikasika ny faha 40 taonan'ny “fanovàna sy ny fisokafan”ny” firenena, izay nitanisàna ny Yiwu ho toy ny ohatra iray mahomby amin'io fanovàna io. Nofintinin'ilay fanehoankevitra fa ny herin'ny vinavinan'ny tondrom-panrefesana Yiwu dia nanaporofo ny tantara manan-dazan'ny fiovàna teo amin'ny firenena.

实际上,义乌之所以能够一次次“精准预测“国际重大事件的走向,究其原因是义乌人通过几十年的奋力拼搏,将小商品产业在世界范围内做的了独树一帜、傲视群雄,成为世界多国所依赖的小商品产地。

在改革开放的历史浪潮中,就是无数个义乌这样曾经名不见经传的无名小城,在国家政策的鼓励扶持下,刻苦攻坚、努力拼搏、敢为天下先,使中国在短短40年里,实现了史无前例的惊天巨变。

Ny antony izay mety mahatonga ny Yiwu “haminavina marim-pototra” ny fironan'ny raharaha anerantany, hatrany hatrany, dia noho ny fandraisana anjaran'ireo mponina ao Yiwu nandritra ireo folo taona farany. Nanaraka zotra manokana izy ireo mikasika an'ireo tsena erantany amin'ireo vokatra fototra ary nandrafitra sata ‘fitantanana ny tanàna mba ho ivontoerana fanamboarana an'ireo filàna andavanandro manerantany.

Ny politikan'ny fisokafana sy ny fanovàna no nanampy an'ireo tanàna marobe toa an'i Yiwu hanao dingana feno fahasahiana ary hitolona ho tafita. Nahafahana niantoka ny fanavaozana goavana an'i Shina tao anatin'ny 40 taona monja ny ezaka nataon'izy ireo.

Io fisafotofoton'ny tanjaky ny faminavina nananan'ny tonrom-pandrefesana Yiwu io, miaraka amin'ny fiovàna ara-toekarena tao Shina no nahatonga ilay anganongano ho mbola sarotra fafàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.