Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

16 Jolay 2018

Tantara tamin'ny 16 Jolay 2018

Oganda: Fikorontanana tamin'ny oram-pifaliana (Happy Hour), sy resaka hafa

Niteraka adihevitra tamin'ity herinandro ity ilay Ogandey bilaogera sady mpanakanto hip-hop Saving a Generation Endangered (S.A.G.E.) raha namelively izy tao amin'ny fanatrehana ny Bloggers Happy Hour (BHH) ao Ogandà nandritra ny antsafa notarihan'i Country Boyi:

Bolivia: Faniriana sy Fitoniana tamin'ny fetin'ny fahaleovantena

Nanamarika ny faha-182 taonan'ny fahaleovantenan'ny Repoblikan'i Bolivia ny 6 Aogositra. Nomarihana tamin'ny fombafomba sy fetin'olom-pirenena mahazatra ny fotoana. Nirary tsingerintaona ho an'ny firenen'izy ireo ny bilaogera, fa ny hafa kosa naniry zavatra lehibe kokoa. Fotoana hisaintsainana ny fanantenan'izy ireo ho an'ny firenen'izy ireo ihany koa izany.

Shily: Nifarana ny fitokonanana tsy hihinan-kanina nataon'ireo gadra Mapuche rehetra

Tonga tamin'ny fiafarany androany ny fitokonanana faobe tsy hihinan-kanina nataon'ireo Mapuche gadra voaheloka tamnin'ny lalàna iadiana amin'ny fampihorohoroana.

Fotoana Ho An'ny Fiovàna Ao Amin'ny Efitranombaovao

Blaogim-Piarahamonina GV

Ity no drafitrantsika vaovao ho an'ny efitranombaovao aorian'ny fialàn'i Lauren amin'ny maha-talen'ny famoahambaovao azy.

Voces Bolivianas: Cristina Quisbert nahazo vatsy ho an'ny Mpikatroka Iraisam-pirenena BlogHer

Rising Voices

Cristina Quisbert , mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Voces Bolivianas, dia nahazo ny Vatsy ho an'ny Mpikatroka BlogHer Iraisam-pirenena 09 . Voafidy ho anisan'ireo bilaogera 5 manerana izao tontolo izao izy hanatrika ny BlogHer  iraisam-pirenena , fivoriamben'ny bilaogera vehivavy tany Chicago .

Miankina amin'ny solosaina enti-tanana lafovidy ny aterineto maimaim-poana

Rising Voices

Nasaina hanatrika ny fivoriamben'ny BlogHer tany Chicago i Cristina Quisbert ao amin'ny tetikasa Voces Bolivianas. Raha nahavariana azy ny wifi maimaim-poana tao amin'ny trano fandraisam-bahiny, dia nanamarika izy fa sarotra kokoa ny ahitana ny fidirana amin'ny aterineto raha tsy misy solosaina enti-tanana lafovidy.