Tantara tamin'ny 01 Jona 2018
Tontolon'ny blaogy Siriana Tao anatin'ny Herinandro
Mba hanombohana miaraka amin'ny lohahevitra somary mafampàna, politika izany, miaraka amin'i Ammar Abdulhamid mametraka ILAY fanontaniana... Ohatry ny Ahoana Marina ny Fandriampahaleman'ny Fitondrana Assads?
Goatemalà : Ireo Kômandô Avy Ao Goatemalà Nalefa Ho Toy Ny Satroka Manga Any Kôngô
Kaibiles no iantsoana ireo Kômandô mahabe adihevitra avy amin'ny tafika avy ao Goatemala manaraka fiofanana manokana ao amin'ny tobim-piofanana iray Avaratry ny firenena, antsoina hoe "ilay helo". Manakiana mafy ny fiofanana omena ireo Kaibiles ireo ny mponina ao Goatemala, fiofanana izay toa sahala amin'ny fampijalian-tena.
Etazonia, Fifidianana : Izay Tian'Ireo Firenena Sisa Manerantany
Topi-maso indray mihelatra amin'ny haba-tranonkalanay Voices without Votes, na amin'ny tontolon'ny bilaogy manerantany, dia tsy isalasalàna fa .... no tian'ny olona ho filoha [amerikana]
Koety: Raha tsy misy afa-tsy ny tsenambarotra no isarihana mpizahatany
Araho ny zana-tsipìka hamakiana ny fanehoan-kevitry ireo bilaogera momba ny antony nahatonga ny Filoham-pirenena vahiny iray nentina nitsidika toeram-pivarotan-dehibe iray; Nihaona tany amin'ny toeram-pivarotan-dehibe ireo mpinamana ary nisy ny fampirantiana sambo nokarakaraina.
“Tanàna Miray i Esmeraldas”

Rehefa miresaka momba ny "sisintany", ny holazaiko dia hoe fahanginana, fanajana, fitoviana, sy fandriampahalemana ambonin'ny hafa rehetra.
Bolgaria: Hetsi-panoherana manohitra ny herisetra nataon'ny Neo-Nazi
Ny 6 Jona 2010, nisy hetsi-panoherana natao tany Sofia ho fanohanana ny zon'ireo mpitsoa-ponenana sy ny mpifindramonina tany Bolgaria. Nisy andian'olona nanasola loha nanafika olona maro tao anatin'ny tramway iray ho any amin'ny hetsika taloha kelin'ny nanombohan'ny hetsi-panoherana. Ny 10 jona 2010, nisy ny fivoriana hanoherana ny fanafihana teo aloha.
Shily: Eritreritra momba ny horohorontany sy ny dingana fanarenana
Ny Fihaonamben'ny Median'olon-tsotra Global Voices 2010 dia mikasa hampandray anjara ireo bilaogera Shiliana amin'ny alàlan'ny fifaninanana bilaogy nokarakaraina niaraka tamin'ny fiarahamiasan'ny fikambanana OCD Iberoamérica. Tamin'ny andro voalohan'ny hetsika ho an'ny daholobe, bilaogera Shiliana dimy no nomem-boninahitra amin'ny mahafinalista azy ireo, ka ny iray no mibata ny loka lehibe indrindra.
Iràka : Fijoroana Vavolombelona Vitsy Mombanà Fanamparam-pahefana Ataon'Ireo Tafika Irakiana Misahana Ny Fiarovana
Ny 13 Jolay 2006, nosamborin'ireo avy ao amin'ny Mpiambina nasionaly Irakiana na ny "Iraqi National Guard" - izay antsoina indray moa ankehitriny hoe New Iraqi Army na ny Tafika Irakiana Vaovao - ilay lehilahy ao anaty lahatsary, antsoina hoe “Majed”, kanefa tsisy heloka nataony akory araky ny voalazany.