Bolgaria: Hetsi-panoherana manohitra ny herisetra nataon'ny Neo-Nazi

(Marihina fa tamin'ny 16 Jona 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 6 Jona 2010, nisy hetsi-panoherana natao tany Sofia ho fanohanana ny zon'ireo mpitsoa-ponenana sy ny mpifindra monina tany Bolgaria. I Svetla Encheva sy ireo mpikatroka hafa no nikarakara izany mba hanohanana ny zon'ny mpifindra monina. Natao teo anoloan'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana “Busmantzi” ny hetsi-panoherana.

Nisy andian'olona nanasola loha nanafika ireo olona maro tao anatin'ny tramway iray ho any amin'ny hetsika taloha kelin'ny nanombohan'ny hetsi-panoherana. Mbola teo am-panadihadiana ny hetsika ny mpitandro filaminana ary olona mihoatra ny 20 no nahiahiana.

Ny pejiko Facebook nisy hafatra momba ny hetsi-panoherana

Ny 10 jona 2010, nisy ny fivoriana faharoa nokarakaraina, ary tamin'izany no nanoheran'ireo mpikatroka ny neo-Nazisma sy ny fanafihana ireo olom-pirenena nanao hetsika am-pilaminana. Nanomboka tao amin'ny Facebook ny hetsika, izay nahitana ireo mpisera nifampizara ny hafatra manokana niaraka tamin'ny fotoana sy ny toerana nanaovana ny fivoriana.

(c) Georgi Ivanov

Fotoana fohy taorian'ny tamin'ny 6 ora hariva, voasakana ny fifamoivoizana tao Sofia niaraka tamin'ny hirahira hoe “Any am-ponja ny Nazis “, “Tsy fanehoan-kevitra ny Fasisma fa heloka bevava”, “Sady tsy mamela heloka izahay no tsy manadino ” ary ny sora-baventy “Mamono ny tsy firaharahiana”, “Ampy izay ny fanavakavaham-bolonkoditra”.

Hoy i Lidia Stoykova raha nanoratra momba ilay hetsi-panoherana tao amin'ny bilaoginy:

[…] Regardless of the protest, there are young people in this country who define themselves in different ways and assault darker-skinned compatriots and foreigners, as well as other people who look to them like homosexuals. I would easily define these young men as Nazis and fascists. […]

[…] I consider the presence of such individuals a serious problem and I've spent a lot of time talking about the resurgence of fascism in our country, but insofar as this problem is linked to the refugees, whose cause we support, I think we now have to focus mainly on that cause. Because it's not popular enough, and that's because we don't talk about it enough.[…]

[…] Na dia eo aza ny hetsi-panoherana, dia misy ny tanora ato amin'ity firenena ity no mamaritra ny tenany amin'ny fomba hafa ary manafika ireo mpiray tanindrazana aminy mainty hoditra kokoa sy ireo vahiny, sy ireo olona hafa izay lazain'izy ireo fa pelaka. Lazaiko tsotra izao fa Nazis sy fasista ireo tovolahy ireo . […]

[…] Heveriko fa olana goavana ny fisian'ny olona toy izany ary nandany fotoana betsaka aho niresaka momba ny fiverenan'ny fasisma indray ato amin'ny firenentsika, koa satria anefa mifandray amin'ireo mpitsoa-ponenana ity olana ity, izay tohanantsika , dia mihevitra aho ankehitriny fa tokony hifantoka indrindra amin'io olana io isika. Satria tsy dia malaza loatra izany, satria tsy miresaka momba izany loatra isika. […]

Hoy i Borislav Borissov raha nanoratra tao amin'ny bilaoginy:

The most important thing that happened 20 years later was the protest on Patriarch Evtimy Square against the ever more frequent activities of Nazi, fascist, ultranationalist, racist, xenophobic and other similar groups, formations, movements and common street gangs. It's good that there were people who grew up during that period of transition which continued a decade after its end. There's a strange belief within the blogosphere that these fascist and Nazi outbursts are something new.

Ny hetsi-panoherana tao amin'ny Kianja Patriarka Evtimy izay manohitra ny fihetsika matetika ataon'ny Nazi, fasista, ny nasionalista hiringiriny, ny mpanavakava-bolonkoditra, ny mpankahala vahiny sy ny vondrona hafa mitovy amin'izany, ny fikambanana, ny hetsika ary andian-jiolahy mitovy amin'izany no zava-dehibe indrindra nitranga tato anatin'ny 20 taona farany. Tsara ny fisian'ireo olona nihalehibe nandritra io vanim-potoanan'ny tetezamita io izay nitohy am-polo taonany taorian'ny fiafarany. Misy ny finoana hafahafa ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy fa zava-baovao ireo krizin'ny fasista sy Nazi ireo .

Tao amin'ny lahatsorany, nanoratra ilay bilaogera Selene hoe:

“Nazism is not an opinion, it's a crime.”

[…]

It's hard for one to imagine that in the 21st century Bulgaria could become the scene of violence, inspired by ideas from the beginning of the 20th century. Ideas, which led to a World War, to genocide, concentration camps, cruelty and death in immense proportions.

“Tsy fanehoan-kevitra ny Nazisma fa heloka bevava izany.”

[…]

Sarotra ny mino fa mety ho lasa sehatry ny herisetra i Bolgaria amin'ny taonjato faha 21, izay notovozina avy tamin'ny hevitra tany amin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20. Hevitra, izay nitarika tamin'ny Ady Lehibe, ny famonoana olona, ​​ny tobin'ny gadra politika, ny habibiana ary ny fahafatesana tamin'ny endriny marobe.

Nahazo fandrahonana ny bilaogin'i Svetla Encheva:

The beating you got was not enough!

Mbola tsy ampy ny daroka nahazo anao!

Tsy mbola mazava hoe iza no nanoratra ity fanehoan-kevitra tsy mitonona anarana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.