Koety: Raha tsy misy afa-tsy ny tsenambarotra no isarihana mpizahatany

(Marihina fa tamin'ny 29 Aprily 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tezitra ireo bilaogera Koesiana fa nentina nitsidika toeram-pivarotan-dehibe iray ireo delegasiona vahiny nitsidika ny tanindrazany. Izany ve no tokony ireharehan'i Koety? Tsy misy afa-tsy izany ve no azon'ny firenena natolotra ?

Tezitra i Q ao amin'ny kuwaitism fa tsy misy toerana hitondran'ny governemanta ireo manampahefana vahiny mpitsidika afa-tsy any amin'ny toeram-pivarotan-dehibe.

Is it just me or does this news item make you sad?
Is the Avenues Mall all we have to show off nowadays??
It’s nice and new, but its a mall …. just a shopping center with lots of Starbucks Cafes and clothing stores!! Why would government officials invite a visiting delegation, and our Prime Minister taking Bahrain’s Prime Minister to see how great our country is advancing by building another mall!!

Moa ve ny tenako ihany sa mampalahelo anao ity vaovao ity?
Moa ve ny Lalamben'ny Tsenambarotra ihany no tsy maintsy asehontsika amin'izao fotoana izao ??
Tsara sady vaovao izy ity, saingy tsenambarotra…. foibe fiantsenana fotsiny ihany miaraka amin'ny fisotroana kafe Starbucks maro sy fivarotana fitafiana !! Nahoana ireo manampahefana ao amin'ny governemanta no manasa ireo delegasiona vahiny, ary mitondra ny Praiminisitra ao Bahrain hijery ny fandroson'ny firenentsika amin'ny fananganana tsenambarotra iray hafa ny Praiminisitra antsika !!

Mampiseho antsika ohatra amin'ny toerana iray hafa tsara tsidihana i Qias .

We all complain that Kuwait is empty and no real good places to visit, but check out this place, I went twice and still love going. It's Tarik Rajab Museum, a place where Islamic art comes to life.

Mitaraina isika rehetra fa foana i Koety ary tsy manana toerana tsara hotsidihana izy, kanefa jereo kely ity toerana ity, nandeha indroa tany aho ary mbola te ho any indray mandeha. Ny Mozea Tarik Rajab, toerana iray ahafahan'ny zavakanto Islamika mivelona indray.

Very fitokisana tamin'ny gazety tao Koety i Forzaq8 , mandritra izany fotoana.

It may sound as a small thing but if a newspaper can’t check (the facts in) their reporting who will?

Mety hoe zavatra kely angamba izany kanefa raha tsy afaka manamarina (ny zava-misy) amin'ny tatitra ataon'izy ireo ny gazety dia iza no hanao izany?

Notohizan'i k thekuwaiti tamin'ny vaovao mampalahelo momba ny fanakatonana ny fivarotana Virgin tany Koety izany.

The MOI (Ministry of Information) has finally caught up with the business masterminds behind Virgin-Kuwait. Some of the reasons listed; distribution and publishing of illegal materials and the renting of store location without licensing, among other cryptic rules.

Nahatratra ny atidohan'ny afera tao ambadiky ny Virgin-Koety ihany nony farany ny MOI (Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao). Ny sasantsasany tamin'ireo antony voatanisa tao anaty lisitra; fizarana sy famoahana fitaovana tsy ara-dalàna sy ny fanofana toeram-pivarotana tsy misy fahazoan-dàlana, ankoatra ireo lalàna hafa miafina.

Nizara ny iray tamin'ireo fahininy momba an'i Koety i Athbee, ao amin'ny moodless.

اثناء مروري مع صديق لي بأحد المجمعات التجارية، استغربت ابتساماته المتعددة يمينا وشمالا وهو شخص قليلا ما اراه يبتسم، وكأنه ادمن الابتسام ما ان وطئت رجليه ارض المجمع، وازداد الامر وزاد معه استغرابي مع تحية الى بعض الاشخاص في هذا المقهى، او رد تحية احد المارة حتى خيّل لي انه سيرشح نفسه للانتخابات!
بعد سؤالي اتضح ان هذا الصديق زبون مواظب في هذا المجمع حاله كحال بقية من حياهم او حيوه، وجدوا ان هوايتهم (او مهنتهم) مشتركة، مهنتهم هي التواجد المستمر في هذا المجمع متسلحين بالبلوتوث وابتسامه وربما غترة منشية او جينز خشبي (حسب التوقيت) وشوية حب شمسي لزوم الانتظار الطويل

 

Raha nandalo tany amin'ny iray tamin'ireo toeram-pivarotan-dehibe niaraka tamin'ny namana iray aho, dia gaga tamin'ny fitsikitsikiny nijery miankavia sy havanana, satria fantatro fa olona tsy mitsiky loatra izy. Toy ny hoe lasa mpitsikitsiky lava izy hatramin'ny nandehanany tao amin'ny foibe fiantsenana.
Vao maika gaga aho rehefa nanomboka niarahaba ny olona tao amin'ny fisotroana kafe iray izy na niarahaba ny mpandalo ary toy ny ireny hoe olona hilatsaka amin'ny fifidianana ireny mihitsy ny fijeriko azy!
Rehefa nanontaniako izy, dia fantatro fa mpitsidika tsy tapaka ato amin'ity toeram-pivarotan-dehibe ity ilay namako- toy ireo olon-kafa izay niarahaba azy ihany koa. Mitovy fialamboly ry zareo (na adidy). Ny adidin-dry zare o dia ny ho ao amin'ity tsenambarotra ity miaraka amin'ny bluetooth, tsiky  ary (mitafy) Ghutra na jeans (miankina amin'ny fotoana) angamba ary ny voa tanamasoandro eo ampiandrasana maharitra.

Ho any amin'ny toeram-pivarotan-dehibe iray hafa indray isika , satria mitondra antsika hitsidika ny Kuwait Boat Show ny The Stallion .

Yesterday, I drove down to Al-Kout Mall to attend the Kuwait Boat Show International 2007 event! I arrive at about 4:30PM and they informed me that the opening was delayed from 3:30 to 6:30! I was actually quite pleased to hear that since I got to check out the main exhibition stands without having it being very crowded and busy!

Omaly, nidina nankany amin'ny tsenambarotra Al-Kout aho mba hanatrika ny hetsika iraisam-pirenena Kuwait Boat Show 2007 (Seho Sambo Koety)! Tonga tany aho tamin'ny 4:30 ora tolakandro teo ary nilaza tamiko izy ireo fa nihemotra avy amin'ny 3:30 ka lasa amin'ny 6:30 ny fisokafana! Somary faly aho nandre izany satria afaka nijery ireo tranoeva fampirantiana nefa tsy dia feno olona loatra !

Vaovao ratsy bebe kokoa avy amin'i Amer tao amin'ny HILALIYA.

According to the World Economic Forum's “network readiness index” Kuwait dropped eight places from number 46 to 54.

Araka ny voalazan'ny “laharam-pahavononan'ny tambajotra” an'ny Zaikabe Ara-toekarena Manerantany, dia nihemotra toerana valo i Koety ka lasa any amin'ny laharana faha 54 raha faha 46 teo aloha.

Mitondra lahatsary iray momba ny fampisehoana tranainy nataon'ny tarika Kuwait TV tao amin'ny Foiben'ny Firenena Mikambana, any New York, Etazonia i Ateej Al Souf , ao amin'ny Jibla.

حفل غنائي تراثي..أقامته فرقة التلفزيون الكويتية التراثية…التي أبدعت في إخراج عمل وطني موسيقي راقي .. في قاعة الأمم المتحدة بمناسبة الأحتفال السنوي بيوم الأمم المتحدة..في نيويورك

Fampisehoana nentim-paharazana nataon'ny tarika Kuwait TV, izay nahavita tsara dia tsara tamin'ny fampisehoana ny sanganasan-kira nasionaly tena niavaka nandritra ny Andron'ny Firenena Mikambana fanao isan-taona tany New York .

Niresaka momba ny zavatra tsapan'ny rehetra i intlxpatr ary milaza amintsika momba ny hetsika vaovao tany Koety.

I hate it when I read in the newspaper about an event – the day after! Usually it is something really cool I would have liked to do. That is why I am sharing this with you.

Halako izany rehefa mamaky ny gazety momba ny hetsika iray aho – ny ampitson'iny! Matetika zavatra tena mahafinaritra no tiako hatao. Izany no mahatonga ahy hizara izany aminareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.