23 Novambra 2017

Tantara tamin'ny 23 Novambra 2017

Goatemalà:  Voafidy Ho Sarimihetsika Amerikana Atsimo Tsara Indrindra Ny “Gasolina”

Matetika lohalaharana amin'ny sokajy toy ny kolikoly, fahantrana, tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra, herisetra atao amin'ny vehivavy i Goatemalà. Izany no mahatonga ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogera sy ny mpanakanto faly rehefa tonga ihany ny vaovao tsara. Nahazo ny lokan'ny Sarimihetsika Amerikana Latina Tsara Indrindra izahay tao amin'ny Fetiben'ny San Sebastian.

23 Novambra 2017

Ny Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Tiorka

Noraisina tsara tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Tiorka ny andiana Bilaogy Tiorka tamin'ny herinandro lasa teo, ary nahitana dikanteny Tiorka tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny tranokala Blog Kardesligi mihitsy aza. Tsy ny dikanteny ihany no tao amin'ny Blog Kardesligi fa fanehoan-kevitra momba ny tetikasan'ny Global Voices (amin'ny teny Tiorka) ihany koa.

23 Novambra 2017

Ry Blaogera Erantany: Ampio Izahay Hahita Anareo

Raha toa ianao tafalatsaka ao anatin'ireo lahatsoratra amin'ny blaogy izay heverinao fa tokony hiditra anaty famintinana isanandro, andefaso imailaka iray misy rohy izahay miampy fehezanteny iray na roa manazava hoe avy aiza ilay blaogera ary inona no resahan'ilay lahatsorany. Hamarininay hatrany io fitantaràna io mialohan'ny hanoratana ny famintinana isanandro.

23 Novambra 2017