17 Oktobra 2017

Tantara tamin'ny 17 Oktobra 2017

Shily: Ny Andro Nahafatesan'I Pinochet

Iray amin'ireo bilaogera malaza indrindra ao Shily ilay mpitantana dokambarotra Roberto Arancibia . Ny feony feno hatsaram-panahy sy ny fomba fijeriny feno fanantenana no ahaizany mandanjalanja ny fanadihadiana lohahevitra isankarazany. Nefa tsy mikaroka firy izay mety hahaliana amin'ny adihevitra politika ny bilaoginy El Mundo Sigue Ahí ("Mbola Eo Ny Tontolo ").

17 Oktobra 2017

Iran: Fizarana Ovy Maimaim-poana Niteraka Resabe Momba Ny Fifidianana

Nizara ovy maimaim-poana tany amin'ireo tanàna samihafa ireo manampahefana iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Mpanao politika Iraniana maromaro no nanakiana ity fizarana ovy maimaim-potoana nataon'ny fitondràn'ny governemantan'i Mahmoud Ahmadinejad ity ho toy ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena ary miantso izany ho fandaniam-bolam-bahoaka fotsiny.

17 Oktobra 2017

Nampiato Ny Famokarana Noho Ny Fitokonana Ny Toeram-pitrandrahana Varahina Escondida

Nahatonga ireo mpiasa ao amin'ny orinasa varahina lehibe manerana izao tontolo izao hanomboka fitokonana 12 andro lasa izay ny fiakaran'ny vidin'ny varahina iraisampirenena . Mitaky karama tsara kokoa izy ireo. Ny alina lasa teo, mpitrandraka harena an-kibon'ny tany miisa 800 no nifandona tamin'ireo mpitandro ny filaminana niezaka handrava ny fitokonana.

17 Oktobra 2017