Tantara tamin'ny 30 Jolay 2017
Lahatsary Avy Any Benin: Fetin'ny Vahoaka
Fety iray goavana ara-kolontsaina maka ny maha-izy azy avy any anatin'ireo fahasamihafàna ara-kolontsaina samihafan'ireo fombandrazana sy kolontsaina ao Benin ny Fetin'ny Vahoaka.
Arabisc: Fitetezana An-tsary Ny Ao Afovoany Atsinanana
Isaky ny sary tsirairay mamintina be lavitra noho ny teny an'arivony ny hasarobidiny, miomàna hanao fitetezana kisendrasendra, izay afaka hamenoana pejy maro anaty boky. Ooops...ny tontolon'ny habaka mantsy no tiako ambara e.
Shina: Ao Amin'ny Aterineto Ny Mponina no Miresaka
[...] mba mila ihany koa ny torohay avy eo an-toerana ireo olona izay vao tonga nifindra ho amin'ny toeram-ponenana iray an-tanàndehibe, mba hahafantarany izay toerana mivarotra ny paty tsara indrindra....
Inona no Marihan'ny Valim-Pifidianana Amin'ny Fandraisana Anjaran'ny Vehivavy Amin'ny Politika Ao Iran?
Ny voka-pifidianana iraniana, na dia eo ho eo ihany aza aza, dia manome mari-panantenana ho an'i Iran izay misy lanjany ny feon'ny vehivavy na eo amin'ny sehatra ifotony na eo amin'ny sehatra nasionaly.
Zavon-tsetroka Tao Azia Atsimo Atsinanana, Atao An-kira Anaty Lahatsary
Ilay Maleziana bilaogera, Kean-Jim Lim, no nampiditra ity lahatsarin-kira (MV) ity, nataonà Maleziana vitsivitsy manohitra ny zavon-tsetroka ateraky ny fanapahana sy fandoroana faritra hanaovana fambolena any amin'ny nosy indoneziana Sumatra eo akaikiny eo.
Kolombia: Ny Fanakatonana Ny Gazetiboky Cambio
Nakaton'ny tompony ny gazetiboky Cambio, fantatra amin'ireo tatitra fanadihadiana fanaony. Fanakatonana izay lazaina fa noho ny antony ara-bola. Kanefa ho an'ireo mpanao gazety, dia antony ara-politika no nanosika ny fandraisana fanapahankevitra.