Inona no Marihan'ny Valim-Pifidianana Amin'ny Fandraisana Anjaran'ny Vehivavy Amin'ny Politika Ao Iran?

Mandray anjara amin'ny vaomieran'ny tanàna ao Iran ny vehivavy. Sary nalaina tamin'ny lahatsary avy amin'i Nabz Iran.

Misy endrika iray hafa amin'ity lahatsoratra ity nivoaka voalohany tao amin'ny tranonkala Nabz Iran.

Nandeha tany amin'ny biraom-pifidianana ny Iraniana tamin'ny 19 mey handrotsa-bato tamin'ny fifidianana filoha sy fifidianana ifotony. Tamin'ireo kandidà miisa 287.425 nisoratra anarana hifaninana amin'ny fifidianana eny ifotony tao Iran, dia vehivavy ny 17.885 tamin'izany, izay mandrafitra ny 6,3 isanjato tamin'ny kandidà rehetra. Ny nahavoafidy indray an'ilay tony fihetsika Hassan Rouhani ho filoha niara-dalana tamin'ny fitomboan'isan'ny vehivavy nirotsaka ho kandidà, sy ny fitomboan'isan'ny vehivavy nandray biraom-panjakana dia mari-panantenana ho an'i Iran izay misy lanjany ny feon'ny vehivavy eo amin'ny sehatra nasionaly sy ifotony.

Eo ho eo ihany na izany aza ny isan'ny vehivavy voafidy handray birao hiasana manerana ny firenena; nisy ihany ny fihenana 34 isanjato raha oharina amin'ny isan'ny vehivavy voafidy ho ao amin'ny vaomieran'ny tanàna raha oharina ny tamin'ny taona 2013. Voamarika fa nihena ny isan'ny vehivavy tany amin'ny renivohi-paritany miisa 16, mijanona hitovy tamin'ny isa teo aloha ny an'ny renivohi-paritany telo, ary nahitana fitomboan'isan'ny vehivavy nandray birao kosa ny 11 ka anisan'izany ny tanànan'i Tehran.

Anisan'ny faritra nahitana fitomboana, vehivavy miisa 415 no voafidy tao amin'ny faritany atsimo-atsinanana ao Sistan-Balochistan an'i Iran, faritany iray voamariky ny fahatrarana aoriana ara-pandrosoana, fahantrana ary ny taha ambony indrindra amin'ny tsy fahaizan-taratasin'ny zazavavy ao Iran.

Ao Afzalabad, tanàna kely iray ao amin'ny distrikan'ny faritanin'i Khash, ny kandidà rehetra miisa 10 ao amin'ny vaomiera no vehivavy. Raha heno tsahotsaho fa ny fandraisana anjaran'ny vehivavy ao Sistan-Balochistan dia vokatry ny taha ambony amin'ny fiankinana amin'ny rongony sy ny fanagadrana ny lehilahy ao amin'ny faritany (izay miteraka tsy fahampian'ny lehilahy mendrika ho kandidà), ny fandraisana anjaran'ny vehivavy ao amin'ny faritany dia heverina kokoa fa vokatry ny ezaky ny firaisamonina sy ny fiadidiana ao an-toerana hahamaro kokoa ny solontenan'ny vehivavy eo amin'ny politika.

Ao Tehran, vehivavy enina — Shahrbanoo Amani Anganeh, Bahareh Arvin, Zahra Sadrazam Nouri, Nahid Khodakarami, Zahra Nejadbahram ary Elham Fakharinejad — no voafidy hiditra birao, namùpitombo avo roa heny ny isan'ny vehivavy ao amin'ny vaomieran'i Tehran miohatra tamin'ny teo aloha.

Ny fanentanana ara-politika notarihan'ny kandidà vehivavy dia nifantoka tamin'ny lohahevitra maro, ka tafiditra amin'izany ny firotsahana an-tsehatra mahaolompirennea, zon'ny olom-pirenena, asa, fanabeazana, fahasalamana sy fiahiana ara-tsosialy ary ny fanasoavana. Nampifantoka ny fanentanany tao Tehran amin'ny fiadiana amin'ny fanilikilihana ny vehivavy sy ny fananganana sehatra ankalamanjana ho an'ny vehivavy i Nejadbahram. I Elham Fakharinejad, ihany koa dia voafidy ho vaomieran'i Tehran tamin'ny fifantohana tamin'ny fahasalamana ara-tsain'ny olompirenena sy ny olana ara-panasoavana sy ara-pahasalamana. Roghieh Gazmeh, mpikambana voafidy ho vaomieran'i Seymoun, tanàna itatra ivelan'i Eslamshahr sady renin'ny zanany miisa fito, dia nifantoka tamin'ny fananan'asa ary nampanantena hamorona asa ho an'ireo vehivavy mijanona an-tokantrano ao an-tanànakeliny.

Maro kokoa ny vehivavy voasoratra anarana eo amin'ny sehatry ny tanàna kely (11.142) miohatra amin'ny tanàna lehibe (6.743), angamba noho ny fahakaikezan'ny fahafahana manapa-kevitra kokoa. Ny faritany enina manakara eto no nahitana taha ambony indrindra tamin'ny vahivavy nirotsaka ho kandidà voasoratra anarana: Kerman: 1.840; Sistan sy Baluchestan: 1.397; Tehran: 1.337; Fars: 1.189; Khorasan Razavi: 1.116; ary Mazandaran: 1,005. Mihoatra ny 100 ny vehivavy nisoratra anarana hifaninana hofidiana ho filoha, saingy tsy misy ny nahahoatra ny zotra fanamarinana notarihan'ny Vaomieran'ny Mpiambina ao Iran.

Nandritra ny volana vitsivitsy mialoha ny fifidianana, maro ny fanombanana nivezivezy teo amin'ny Iraniana sy ny mpanohana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy ara-politika bebe kokoa hahazoana vehivavy bebe kokoa hiditra amin'ny politika iraniana. Ny fifidianana isam-paritra no azo araraotina kokoa hametrahana ny vehivavy eo amin'ny toerana fanapahan-kevitra, manokatra ny lalana ho an'ny vehivavy hanana anjara-fitenenana mivantana eo amin'ny lalàna sy politika miantraika any amin-dry zareo, amin'ny fianakaviany ary amin'ny vondrom-piarahamonina.

Tamin'ny 6 Mey, nitarika tapatapak'ahitra miompana amin'ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny fifidianana ny hetsika mpanandra-tenin'ny vehivavy ao Iran. Tao amin'ny fehin'ny fanambarana voasoratra omena izay ho filohan'i Iran manaraka, dia nasongadin'ny vondrona ny mahazavadehibe ny fandraisana anjara ara-politika ny vehivavy ary ny anjara toeran'ny vehivavy ao amin'ny biraom-panjakana dia mety hisarika ny fifantohana ho any amin'ny lohahevitra tahaka ny fitsinjovana ara-piarovana ny vehivavy, ny fanohintohinana ara-pananahana, ny fahasalaman'ny vehivavy, ny sosialy (fanasoavana) ary ny tsy fananan-trano onenana. Nosoritan-dry zareo ihany koa ny filàna fametrahana quota manokana ny farafahakeliny ny 30 isanjaton'ny toerana minisitra ho an'ny vehivavy.

Nanamarika ny mpikatroka malaza iray mpandala ny zon'ny vehivavy fa samy iankinan'ny ain-dehibe na ny fifidianana filoha na ny fifidianana isam-paritra; ny vokatry ny fifidianana ho filoha dia mety hisy fiantraikany amin'ny fanohanana ny zon'ny vehivavy eo amin'ny sehatra nasionaly raha mety hanatsara bebe kokoa ny fandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny asam-bahoaka any amin'ny vaomieran'ny tanàna kely na lehibe ny fifidianana isam-paritra.

Ireo lohahevitra noresahina nandritra ny fanentanana notarihan'ny vehivavy kandidà no nanaporofo fa mety hahasoa ny olom-pirenena rehetra amin'ny alalan'ny fanomezana laharam-pahamehana ireo politika miresaka ny ‘kalitaon'ny fiainana’ ny fandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny politika. Ny zava-bitan'ny vehivavy hahomby hatramin'izao dia miankina be dia be amin'ny ezaka ataon'ny mpanandra-tenin'ny zon'ny vehivavy handrisika fandraisana anjaran'ny vehivavy bebe kokoa, ny fahafahan'ny vehivavy voafidy mijoro eo amin'ny anjara toerany ao amin'ny vaomiera sy ny fananganana lalana vaovao ho an'ny vehivavy havitrika sy hahaorina eo amin'ny fiainam-bahoaka.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.