Tantara tamin'ny Marsa, 2016
Sary Nolokoina An-Dalana Mampiseho An'i Vietnam, Singapaoro, ary Filipina Nandritra Ny Taonjato Faha-20
Andao hanao dia lavitra ho any amin'ny taloha mampanembona amin'ny alalan'ny fijerena ireto sary teny andalambe taloha teo Filipina, Singapaoro, ary Vietnam ireto.
Nahoana No Tsirim-Panantenana Hoan'i Somalia Ravan'ny Ady Ny Dia Lavitr'Ezaka Nataon'ny Elefanta Iray
"Nitranga ny fahagagana, ankehitriny isika tsy maintsy manara-maso io elefanta io ary tokony hampirisihana ny Somaliana ho amin'ny fitehirizana fa tsy ho amin'ny famonoana."
Inona No Anton'ny Famoretana Ataon'i Shina Amin'ny Raharaha Ren Zhiqiang
Nanjary fitsapan-kafanana ara-politika mikasika ny toe-tsain'i Xi manoloana ireo fahasamihafana ara-poto-kevitra misy ao anivon'ny antoko ny raharaha, miaraka amin'ny fampanginana an'i Ren, ka lasa mampanontany raha misy olona afaka manasokajy ny tenany ho tsy misy ahiana amin'ny fanadiovana [olona] ara-politika rahatrizay.
#WhereisBassel (Aiza i Bassel) : Mbola Tsy Hita Ilay Mpahay Teknolojia Syriana Nogadraina
Dimy volana izay, nanjavona tao amin'ny fonja ao Damaskosy, nigadrany nandritra ny efa-taona ilay Syriana mpikirakira tranokala, Bassel Khartabil: Miaraha amin'ireo mpanohana azy ary alefaso ny fanontaniana #WhereisBassel (Aiza i Bassel) ?
Mifampiraharaha Amin'i Eoropa i Tiorkia Mba Tsy Handraisany Mpitsoa-ponenana
"Ny ahiahin'i Eoropa tsy mandeha afa-tsy ny mankany amin'ny fiarovana ny sisintaniny any ivelany sy ny fitazonana ny olona ho ao anatin'i Tiorkia – tsy manome vintana ny olona marefo sy ireo ankizy mandositra ny ady sy ny fanaovana antsojay ireo izay mba hitady fialofana any Eoropa..."
Ao Rosia Misy Fonja Mamokatra Lahatsary Malaza Be Miparitaka Amin'ny YouTube
Raha vao misaina ireo fonja Rosiana ianao, tsy hahazo sary an-tsaina ny fanaovana hetsika tselatra amin'ny mozika na famokarana sarimihetsika tsy matianina, nefa izany no natolotry ny fonjam-panjakana laharana faha-7 tao Omsk
Nahoana No Mandoko Telolafy Miralafy Amin'ny Trano Ravan'ny Fihovitrovitry Ny Tany Ny Artista An-Dalambe ao Nepal
"... indro misy lehilahy iray manatona mitsiky ahy, sady manondro ireo korontam-biriky sady mihiaka hoe "tongasoa ato an-tranoko." Nitranga izany raha teo am-pandokoana ny telolafy voalohany aho."
Amazonie extrême : Afo sy Tondradrano Misy Fiantraikany Amin'ny Fahasalaman'ny Daholobe
Manome vàhana ny faharatsian'ny aretin'ny taovampisefoana ny haintany, ary ireo afindran'ny bibikely, bemangovitra sy tazo, dia ateraky ny fahalotoan'ny rano mandritry ny orambe mivatravatra sy ny tondrandrano.
Rahoviana Ny Zaratany Mizakatena No Tsy Mizakatena? Rehefa Miteny Izany Ny Fampahalalam-Baovaom-Panjakana?
"Tsy i [Rakhmon] no nanome anay ny fizakantena ka tsy manan-jo hanaisotra izany aminay izy. Niezaka ry zareo hampandohalika an'i Badakhshan ho eo anatrehany tamin'ny 2012, saingy tsy nahavita.."
Abaribarin'ny Fanafihana Ilay Amerikana Mpanangom-baovao Ny Maha-zavatra Mahazatra Ao An-tananan'i Mexico Ny Herisetra Ara-nofo
"Lasa lasibatra ny vehivavy, matetika toa tsy tonga saina amin'izany akory na ireo niharany na ireo nanatanteraka, amin'ny fomba fiteny mametraka ny vehivavy ho any amin'ny laharana faharoa [aorian'ny lehilahy], izay mamadika azy ireo ho toy ny fitaovana na zavatra natao hodinidinihana/hojerijerena"