#WhereisBassel (Aiza i Bassel) : Mbola Tsy Hita Ilay Mpahay Teknolojia Syriana Nogadraina

#WhereisBassel campaign image, for wide distribution.

Sarin'ny fanentanana #WhereisBassel, haparitaka be.

Nanafana fanentanana mitaky ny vaovao momba ny toerana misy ilay Syriana-Palestiniana mpikirakira tranonkala sy mafana fon'ny loharanom-baovao misokatra (open-source), Bassel Khartabil ny namana sy ny mpanohana azy androany. Tamin'ny Oktobra 2015, nafindra niala tao amin'ny fonjan'ny sivily malaza Adra ao Damaskosy mankany amin'ny toerana tsy fantatra ity Teknolojista, fantatra koa amin'ny hoe Bassel Safadi ity.

Mitaky vaovao mikasika ny toerana sy ny fiarovana azy ireo mpanohana manerana izao tontolo izao, ary mikarakara fihetsiketseham-bahoaka ao amin'ny tanàna maro ao Eoropa sy Etazonia amin'ny 19 Martsa 2016.

Khartabil, izay efa tany am-ponja nandritra ny efa-taona talohan'ny fanjavonany noterena dia filohan'ny Creative Commons ao Syria sy niasa am-pivitrihana tamin'ireo tetikasa tahaka ny Mozilla Firefox sy Wikipedia talohan'ny nisamborana azy tamin'ny taona 2012. Fantatra tamin'ny fanokafana ny aterineto Syriana sy nanitatra ny fidirana amin'ny aterineto sy ny fahalalana ho an'ny daholobe izy. Araka ny filazan'ny Parlemanta Eoropeana, dia ao anatin'ny ezaky ny governemanta Syriana amin'ny famerana ny fidirana amin'ny vondrom-piarahamonina antserasera sy hisakanana ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny firenena ny fanagadrana azy.

Tao amin'ny media sosialy,  notarihan'ny Creative Commons ny fanontaniana amin'izay toerana misy an'i Khartabil :

Amin'ny 19 Martsa, andeha hanao fanentanana manoloana ny fanjavonan'i Bassel Khartabil.

Amin'ity lahatsary ity, miantso fihetsiketsehana manerantany amin'ny 19 Martsa, izay tafiditra amin'ny hetsika #WhereisBassel ny mpanorina ny Wikipedia Jimmy Wales.

Manazava bebe kokoa ao amin'ny freebassel.com, tranonkala natsangan'ireo mpanohana an'i Khartabi i Wales:

Today is March 15th. This is an important anniversary for two reasons. For the world, this is the fifth anniversary of the beginnings of the Syrian conflict. For me personally, and a lot of the other people who are in the Wikipedia movement, the open source movement, it's the fourth anniversary of Bassel's detainment in Syria. Four days from now we're going to be holding protests in many different cities around the world. You can see the list here on the website. The real question we're trying to put out to the world, the message that we want you to carry to your friends, to your family, to the media everywhere is: “Where is Bassel? We need to know what is going on with Bassel.”

15 Martsa androany. Tsingerintaona lehibe noho ny antony roa izany. Ho an'izao tontolo izao, tsingerintaona fahadimy tamin'ny fiandohan'ny ady Syriana izany. Ho ahy manokana sy ny vahoaka maro hafa, izay ao anatin'ny hetsika Wikipedia, hetsika loharanom-baovao misokatra, dia tsingerintaona fahefatra tamin'ny fanagadrana an'i Bassel ao Syria izany. Efatra andro manomboka izao izahay dia handeha hanatontosa hetsi-panoherana ao amin'ny tanàna maro samihafa manerana izao tontolo izao. Azonao jerena eto ny lisitra ao amin'ny tranonkala. Ny tena fanontaniana ezahinay apetraka amin’izao tontolo izao, ny hafatra  tianay hampitainao any amin'ny namanao, ny fianakavianao, any amin'ny famitam-baovao rehetra dia hoe: Aiza i Bassel? Mila mahafantatra izay manjo an'i Bassel izahay.

Nentanina ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanangana baoritra misy ny sarin'i Khartabi amin'ny habeny tena izy, nohetezana ny sisiny ary maka sary eo akaikiny, mamihina azy ary miara-manao selfies aminy.

Andeha hiaraka amin'ny fanentanana manerantany #WhereisBassel ao San Francisco amin'ny 19 Martsa

Londra, nisy tokoa ny fihetsiketsehana.

Nentanina ihany koa ireo mpanohana mba haneho ny fanohanan'izy ireo, na aiza na aiza misy azy ireo:

We would like you to protest in your own cities, offices etc..

Find Bassel cutout and take selfies with him and upload it with #WhereIsBassel on social media

Tianay ny hanaovanao fihetsiketsehana ao amin'ny tanànanao, biraonao manokana, sns…

Mitadiava sarin'i Bassel notapahana ary makà selfie miaraka aminy ary avoahy miaraka amin'ny diezy #WhereIsBassel ao amin'ny media sosialy izany

Nosamborina tamin'ny 15 Martsa 2012, tsingerintaona voalohany nanombohan'ny revolisiona Syriana, i Khartabil. Natao famotorana izy ary nampijalian'ny vondro-tafika Miaramila faha-215 nandritra ny dimy andro ary avy eo nalefa tany amin'ny Sampana Mpanao Famotorana faha-248 ary nogadraina miafina nandritra ny sivy volana.

Andeha hiaraka amin'ny Fihetsiketsehana #WhereisBassel  (Aiza i Bassel)

Join a #WhereisBassel Demonstration

Londra: Marble Arch amin'ny 2 hariva
Paris: Foibe Georges Pompidou amin'ny 2 hariva
Berlin: Alexanderplatz Berlin amin'ny 2 hariva
San Francisco: Music Concourse, Golden Gate Park amin'ny 12 atoandro
Boston: Kianjan'ny Copley amin'ny 3 hariva

Tamin'ny 9 Desambra 2012, nentina teo anoloan'ny mpampanoa lalàna miaramila tsy misy fanatrehan'ny mpisolovava i Khartabil, ary voampanga ho “mpitsikilo ho an'ny fahavalom-panjakana”.Nalefa tany amin'ny fonja Adra izy avy eo izay nitazonana azy hatramin'ny nanjavonany tamin'ny 4 Oktobra 2015.

Tamin'ny 12 Novambra 2015, nitatitra tsaho ny vadin'i Khartabil, Noura Ghazi fa nomelohin'ny governemanta Syriana ho faty ny vadiny. Mbola tsy voamarina ity vaovao ity ary mihevitra ireo olona akaiky azy fa mety nampahafantarina ny vadiny ho paikady fampitahorana izany.

Ao anatin'izany, manohy manontany ny  #WhereisBassel sy manontany izay zava-mitranga tao anatin'ny dimy volana hatramin'ny nanjavonany ireo namana sy mpanohana.

Donatella, mpitarika ny Creative Commons avy any Italia nanontany hoe:

Manamamrika ny tsingerintaona faha-efatra nanagadrana an'i Bassel sy faha-dimy volan'ny fanjavonany tao amin'ny fonjan'i Adra ao Syria androany

Avy ao San Francisco, Niki Korth mpanakanto sy mpanohana nisioka hoe:

Efa-taona androany, banga tao anatin'ny resaky ny vahoaka i Bassel. Mahatsiaro ny fahaizany mamorona izahay

Nizara ity fitaovana ity ihany koa izy mba hizara ny siokan'i Khartabil. Hoy izy nanazava:

This site is a framework that uses the public archive of Bassel’s tweets to bring his voice back into contemporary conversation. By reading, quoting, and sharing his words from the past, we can make him more present today, and work toward a future in which he is free and this site is no longer necessary.

Ity tranonkala ity dia rafitra mampiasa ny arisiva hitam-bahoaka misy ireo siokan'i Bassel mba hitondra indray ny feony eo amin'ny resaka misy ankehitriny. Amin'ny alalan'ny famakiana, fanatsonga, sy fizarana ny teniny taloha, dia mamerina azy ho amin'ny ankehitriny isika, ary miasa ho an'ny ho avy amin'ny famotsorana azy ka tsy ilaina intsony ity tranonkala ity.

Nizara ity fanentanana ity i Mohammad Najem, avy ao Libanona, namana sady mpikarakara hetsika hatramin'izay ho an'ny famotsorana an'i Khartabil. Hoy izy:

On Saturday March 19, the FREEBASSEL Campaign is joining forces with the Jimmy Wales Foundation for freedom of expression to create a #WhereIsBassel day of awareness. They are asking supporters and friends of Bassel to create masks for Bassel and take selfies and share it online. You can print the masks and share the selfies on this Facebook page: https://www.facebook.com/events/199940690370370/. Be sure to share on Twitter using #WhereIsBassel.

Amin'ny Asabotsy 19 Martsa, ny hetsika FREEBASSEL dia miaraka amin'ny Jimmy Wales Foundation ho an'ny fahalalahana maneho hevitra mba hanangana  #WhereIsBassel andron'ny fanentanana. Mangataka amin'ireo mpanohana sy naman’ i Bassel izy ireo mba hamorona sarontava ho an'i Bassel ary maka selfies sy mizara izany ao amin'ny aterineto. Afaka manonta pirinty ny sarontava ianao ary mizara ny selfies ao amin'ity pejy Facebook ity: https://www.facebook.com/events/199940690370370/. Aza adinoina ny mizara ao amin'ny Twitter miaraka amin'ny diezy #WhereIsBassel.

Raha te hahafantatra bebe kokoa na hanohana an'i Bassel, na hanatrika hetsika misokatra ho an'ny daholobe, tsidiho ny habaka  (freebassel.org)  na alefaso sioka ny sary eo ambony miaraka amin'ny diezy #WhereisBassel .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.