Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

18 Febroary 2016

Tantara tamin'ny 18 Febroary 2016

Herisetra Nahafaty Olona 49 Tao Amin'ny Fonja Meksikana Be Loatra ny Gadra Ary Vitsy Loatra Ny Mpiambina

Mihoatra ny efapolo isanjatony ny tahan'ny fihoaran'isan'ny olona voafonja, tsy ampy ny mpiambina sy ny fitaovana ary mitobaka ny herisetra. Izany ny fiainana any amin'ny fonja maro ao Meksika.

Ireo Ampamoaka Mikasika Ny Fanambadiana Ara-pinoanan'ny Filoha Meksikana

Taloha kelin'ny nahatongavan'ny Papa tao Meksika, natao ampamoaka ireo tsy rariny mikasika ny fanafoanana ny fanambadiana katolika manome alalana ny mariazin'ny filoha Enrique Peña Nieto.

Nahatezitra Mafy Ny Espaniôla Ilay Mpitolona Omby Nitàna Zazakely Teny An-kianja

"Tsy tomponandraikitra" sa "mpiaro ny fombandrazana" ? Mandrehitra indray ny adihevitry ny espaniôla momba ny fitolomana omby ny sarin'ilay mpitolona mitondra ny zanany eny an-tànany sady manao ny ataony ihany.

Ary Hitan'ny Filohan'i Venezoelà Ny Facebook 10 Taona Taty Aoriana

“Te-hanamafy ny asako manokana amin'ny tambajotra sosialy aho ary manomboka androany dia hanoratra ao amin'ny kaontiko Facebook”, hoy ny fanambaran'ny filohan'i Venezoelà nandritra ny "dingana voalohany" nidirany tamin'ny tambajotra. Ary dia toy izao ny zava-nitranga.

Fipoahana Nahafaty Olona Dimy Raha Kely Indrindra Tao Ankara, Torkia

Ity no fipoahana lehibe faharoa nandòna ny renivohitra tiorka tao anatin'ny enimbolana.

Taorian'ny Famborahana Ny Fanaovana Sotasota Ara-pananahana Any Amin'ny Toerampiasàna, Milaza Ny Iraniana Iray Mpanolotra Vaovao Fa “Tonga izao ny Fotoana Hiavotana Ho Afaka”

Voalaza fa nandositra ny firenena i Sheen Shirani taorian'ny famoahana ireo porofo tamin'ny Facebook fa nanao herisetra ara-nofo taminy ireo lehibeny. Asongadin'ilay tranga ny faharatsian'ny andraikitry ny vehivavy eo amin'ny tontolon'ny asa ao Iràna.

Fanehoana An'i Filipiana Amin'ny Alàlan'ny Tantara An-tsary Manantantara Feno Fanavakavahana Manohana Ny Fananiham-bohitr'i Etazonia

Asehon'ireo tantara an-tsary ho toy ny olona tsy nahalàla fandrosoana ireo Filipiana, ka nila ny tafika amerikana mpanani-bohitra mba hanabe azy.