Ireo Ampamoaka Mikasika Ny Fanambadiana Ara-pinoanan'ny Filoha Meksikana

foto Boda_Enrique_Angelica

Angelica Rivera sy Enrique Pena Nieto ny andron'ny mariazin'izy ireo, nomarihina tao amin'ny Katedraly San José de Toluca. Sary: Aristegui Noticias.

Fanadihadiana notontosain'i Carmen Aristegui, Daniel Lizárraga, Rafael Cabrera, Irving Huerta ary Sebastián Barragán ho an'ny Aristegui Noticias (Meksika). Navoakan'ny CONNECTAS navoaka noho ny fifanarahana fifampizaràna vontoaty.   

Teo amin'ny fahitalavitra, toy ny nivoaka avy amin'irony anganongano irony ny mariazy ara-pinoan'ny Filoha Meksikana ankehitriny, Enrique Peña Nieto tamin'ilay mpilalao sarimihetsika malaza Angélica Rivera. Na izany anefa, tsy azo notanterahana raha tsy teo ireo tsy fanarahan-dalàna nifafy, ireo lainga ary ny fitaka tao amin'ny diosezin'i Meksiko.

Mba hanatontosàna io mariazy io, tsy maintsy nanao fanodikondinana mba hanafoanana sy hamonoana ny fanambadiana ara-pinoana nisy teo amin'i Angélica Rivera sy ny vadiny taloha, José Alberto Castro, ilay mpamokatra tao amin'ny fahitalavitra, izay nanakànana ihany koa ny pretra Luis Salinas Aranda, tamin'izany fotoana izany tsy ho afaka hanao ny asa fanompoany amin'ny maha-mpisorona, izy izay sady nanatontosa ihany koa andraikitra pastoraly tao amin'ny fantsom-pahitalavitra Televisa. Izany no ampamoaka teo amin'ny tranonkala fampahalalam-baovao Aristegui Noticias sy ny Proceso mpiseho isan-kerinandro.

Nitranga ireo ampamoaka ireo andro vitsivitsy mialohan'ny fitsidihan'ny Papa François tao Meksika, ka nandraisan’ ireo mpino an-tapitrisany azy sy ny filoha Enrique Peña Nieto izay niezaka ny hanafina ny raharaha, araka ireo ampamoaka navoakan'ny vovonana latino-amerikàna CONNECTAS.

Tamin'ny andron'ny fanamasinana, nomarihana ny 27 novambra 2010, tao amin'ny katedralin'i Toluca, nandrakotra ny fisehoan-javatra tamin'ny antsipirihany ny gazety people. Mariazy namehy ny firotsahana ho filoham-pirenena efa voaomana sy mazva loatra fa natosik'ilay fahitalavitra. Na izany aza, izay niseho talohan'io lanonana io dia nofaritan'ny Rote romàna, tao Vatikàna, ho “sarintsarim-pitsaràna mibaribary“.

Ny antanan-tohatra misy eo amin'ny fiangonana, ireo tompon'andraikitry ny Fiketrahana Masina sy Enrique Peña Nieto izy tenany, fony  izy no Governoram-panjakan'i Meksika, dia samy nahalala ny fizotra nampiahiahy nampiasaina mba hanafoanana ny fikambanana ara-pinoan'i Angélica Rivera. Ireo fomba rehetra nanamora ny fanamasinana ny fanambadian'ilay tompon'andraikitra voalohany ao Meksika ankehitriny, dia nanimba ihany koa ny asan'ny môpera Salinas Aranda, maty tamin'ny volana oktobra lasa teo, ary tsy nisy olona mba liana tamin'ireo fangatahany mba hanala ny sazy nitambesatra taminy, sazy tsy ara-dalàna araka ireo antontan-taratasin'ny mpitondra fiangonana ary nanajanonana azy tsy hanohy ny asa ara-dalàna maha-olon'ny fiangonana azy.

Tamin'ny taratasy farany izay nalefan'ny môpera Salinas tamin'ny Papa François, nitalaho izy hoe:

Lo hago con el corazón en la mano y movido por la enorme confianza en la misericordia que le distingue. Pongo confiadamente en su corazón de padre y pastor esta situación que me agobia”.

Ataoko amin-kitsimpo ity ary entanin'ny finoana lehibe amin'ny fitserana izay mampiavaka anao. Apetrako ampitokiana ity raharaha izay mangeja ahy ity, ho ao amponao ray sy mpiandry ondry”.

Tamin'io taratasy io ihany, nanazava ilau môpera fa:

Esta misiva tiene varias intenciones. La fundamental es hacer aclaraciones necesarias para resarcir mi persona en el ejercicio del ministerio sacerdotal, frente a infundios y calumnias por las que me he visto sometido a la sanción canónica y en las que se encuentran involucradas personas que pertenecen a la jerarquía de la Iglesia, así como otras pertenecientes en activo a instancias políticas”.

Misy fikasàna maro io hafatra io. Ny tena lehibe amin'izany dia ny fitondràna ireo fanazavana ilaina mba hanonerana ny maha-olona ahy eo amin'ny asam-panompoana maha-mpisorona, eo anatrehan'ireo endrikendrika tsy marim-pototra ka nahatonga ahy niharan'ny sazy mifehy ny fiangonana sady mahavoarohirohy ireo olon'ny antanan-tohatry ny fiangonana, ary koa ireo sangany ara-politika”.

Araka ireo taratasiny ireo, resy lahatra i môpera Salinas fa “misy olona” manery mba ho ekena ny fanafoanan'i Angélica Rivera ny fanambadiany tamin'i José Alberto Castro ka halalaka izy hanambady an'i Enrique Peña Nieto, filohan'i Meksika ankehitriny.

Nanomboka nanao tokantrano maso i Angélica Rivera sy José Alberto Castro tamin'ny fiandohan'ny taona 90. Nandritra izany fiarahany nitoetra izany dia niteraka telo vavy izy ireo: Sofía (1996), Fernanda (1999) ary Regina (2005).

Ny taona 2004, nivady tamina fankalazàna tsotra izy ireo, tsy nahitàna mpanao gazety mpitsongoloka, tao amin'ny fiangonana Notre Dame de Fátima, tao amin'ny renivohitr'i Meksika.
Sivy andro taty aoriana, le sabotsy 11 desambra 2004, niaraka tamin'ireo fianakaviany sy ireo namany izy ireo, teny amin'ny morontsirak'i Pichilingue, tao Acapulco, hanatrika ny lanonana iray natao hanolorana fotsiny ireo fisaorana noho ny fanamasinana natao tany aloha tao Meksikô. Notarihan'ny môpera Salinas io lanonana io.
Ny taona 2008, nanao sonia ny fisarahana sivily Ramatoa Rivera sy Andriamatoa Castro. Ny vola martsa 2009, niangavy ny fanafoanana ny fanamasinana ny fanambadiany ilay mpilalao sarimihetsika. Ny faha-19 May tamin'io taona io ihany, namoaka lalàna mikasika ny fanafoanana ny fanambadian'i Ramatoa Rivera sy Andriamatoa Castro ny Fitsaràna ara-pivavahana tao Meksika, nanasongadina ny fahadisoana ara-pivavahana, noho ilay lanonana natao teny amoron-dranomasina.
Nandritra ny fanadihadiana, naneho hevitra i Ramatoa Rivera hoe:

Después de mi divorcio civil, pedí la anulación de mi matrimonio por la Iglesia y hasta entonces me enteré de que la Iglesia no puede hacer válido el supuesto matrimonio de la iglesia de Fátima porque no se corrieron amonestaciones, en la ceremonia del 2 de diciembre no hubo anillo, no hubo lazo y, por si fuera poco, el padre de la iglesia de Fátima que firmó el acta no tenía permiso para celebrar el sacramento.

Taorian'ny fisaraham-panambadiana siviliko, nangataka ny fanafoanana ny fanamasinana ny fanambadiako ara-pinoana aho ary tamin'io fotoana io aho vao nahalala fa tsy afaka eken'ny fiangonana ilay lazaina fa fanambadiana ara-pinoana nataon'ny fiangonana Fátima satria tsy navoaka ireo fandraràna ofisialy, nandritra ny lanonana ny 2 desambra, tsy nisy peratra, na toko-saplé ary fanampin'izay, ny pretran'ny fiangonana tao Fátima izay nanao sonia ny boky dia tsy manana fahazoandàlana hitarika ny fanamasinana.

Tamin'ny fotoana fanafoanana, nametraka dingana fanenjehana ny môpera Salinas koa ny diosezy, Salinas izay voasazy mafy noho ny nitarihany sorona masina famotsoran-keloka, nefa izy tsy nandray andraikitra kosa mikasika an'i môpera Ramón García López, izay tsy nisalasala nanaiky ny fanambadian'i Ramatoa Rivera sy Andriamatoa Castro tao amin'ny fiangonana Fátima, ary etsy andaniny, manohy ny fitantanana ny asa fanompoana hatrany.

Vakio eto mba hahatakarana ny fomba natao tamin'ny mfanambadiana voalohan'ii Angélica Rivera sy ny dingana mifamatopatotra izay niteraka ny fanafoanana azy mba hahafahana manatontosa ny lanonana ara-pinoana tamin'i Enrique Peña Nieto.

Mba hamakiana ny tatitra feno, tsindrio eto:

CONNECTAS

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.