Ary Hitan'ny Filohan'i Venezoelà Ny Facebook 10 Taona Taty Aoriana

15244869746_4611b5ee98_o

Ny filohan'i Venezoelà, Nicolás Maduro, nandritra ny fotoana iray nanaovany fanentanana. Saripika : Joka Madruga ambany lisansa Creative Commons.

Niely haingana dia haingana tamin'ny Venezoelana ny Facebook nanomboka tamin'ny 2007. Tombanana fa ny 40% amin'ny mponina 30 tapitrisa ao amin'ny firenena iray ao Amerika atsimo io no manana kaonty iray amin'izany.

Fa tamin'ny 9 febroary lasa teo dia niampy olona iray ny mpiserasera voalazan'ny antontanisa, ary tsy olonolom-poana izany. Ny filohan'ny repoblika mihitsy io, Nicolás Maduro.

Manasa ny rehetra aho hiaraka amiko ao amin'ny kaonty Facebook-ko izay hampiasaiko isan'andro manomboka androany…

Tonga tamin'ny fotoana manokana ao Venezoelà indrindra izao fahatongavan'i Maduro tao amin'ny Facebook izao, efa ho folo taona taorian'ny “firohotana” nisy tao amin'ny fireneny. Niharan'ny krizy ara-toekarena tsy nisy toy izany hatramin'izay ka nisy fiantraikany maro dia maro amin'ny mponina misy ao aminy ny firenena, ka anisan'izany fisondrotam-bidimpiainana avo dia avo sy ny tsy fisian'ny zavatra ilaina andavanandro.

Eto Venezoelà no misy fisondrotam-bidimpiainana ambony indrindra eto ambonin'ny tany ary mitovy amin'izay mitranga any amin'ny firenena anatin'ny ady ny tsy fahampian'ny zavatra ilaina andavanandro.

Ho an'ny maro, dia fotoana iray anararaotana avy hatrany ny fitakiany izao sehatra vaovao izao, fa eto ihany koa no itarafana ny hantsana lalina ara-politika ao amin'ny firenena. Amin'ny fananany mpamandrika mihoatra ny 170 000, dia hita ao amin'ny “rindrina” ny toy izao :

Screen Shot 2016-02-14 at 11.47.20 AM

Pikantsarin'ny rindrina Facebook-n'ny filohan'i Venezoelà, Nicolás Maduro.

“Tsy hihatsaravelatsihy aho, tsy hisolelaka, fantatrao fa marary ny firenena, noho ny tsy fahaizanao sy ny governemantanao. Fantatrareo fa rava ny firenena satria norobaina ny renivolany fa tsy nampiasaina indray. Mba miaina ary manaova zavatra tsara indray mandeha tahaka ny mametraka taratasy fialana ohatra dia mitifi-tena, satria tsy misy ilaina anao sy ny anareo. Andeha mipitsika [sic], Nicolas Maduro!”, hoy ilay milaza tena ho Geo Loyal.

Maneho hevitra i Arelis Angarita :

Se le saluda mi presidente en verdad no quisiera estar en sus zapatos ,le ha tocado una guerra muy fuerte siempre sere leal , a pesar de las dificultades y saldre a defender el legado de mi amado gigante Chavez”

Miarahaba Atoa filoha, tsy te-ho eo amin'ny toeranao aho, mafy ny ady atrehinao, hanara-dia anao hatrany aho, na dia eo aza ny fahasarotana ary hidina eny an-dalana hiaro ny lova navelan'ilay goavana sy hajaina Chavez aho”

“Atoa filoha, feno escuálidos (Naotin'ny mpandika : voambolana anondroana ireo anti-chavistes), ao amin'ny sampandraharaha ara-tsosialy ao, ary voalohan-daharana amin'izany i Rotondaro, roahy io [sic], maro ny fifandroritana any amin'ny andrim-panjakana, escuálidos ny talen'ireo, escuálida, ny tomponandraikitry ny mpiasa, sy ny sisa homba anao ANDRIAMANITRA ary ampiraiso ny tolona fa handresy isika”, hoy ny fanamarihan'i José Ontiveros.

Tsy niolakolaka i Ruben D. Sanchez :

Entre aquí por curiosidad pero no puedo mantenerme un minuto mas en esta pagina al ver tantos comentarios de gente tan ignorantes que aun creen que este señor es lo mejor que le ha pasado a nuestro pobre país”.

Mba te-hijeriery fotsiny no nahatongavako teto fa tsy mahajanona mihoatra ny iray minitra eto amin'ity pejy ity aho rehefa mahita ny fanehoankevitry ny olona bado mbola mino fa ity rangahy ity no zavatra tsara indrindra tonga amin'ity firenena mampalahelo ity”.

Marina fa mivadibadika be ihany ny chavisma manoloana ny tontolo an-tserasera nandritra izany 17 taona izay. Tamin'ny voalohany dia noharatsiratsiana fatratra ny sehatra famahanam-bilaogy bitika Twitter, niampangana azy ho fitaovana fitsofohan'ny imperialista handaingana amin'ny Venezoelana”.

Fa niova izay fomba fijery izay tamin'ny avrily 2010 raha nanangana ny kaontiny manokana @chavezcandanga ny filoha Hugo Chávez ary fahombiazana tanteraka ny vokatr'izany fa loharanom-baovao ho an'ny rehetra hijerena ny fanambarana sy ny hevitry ny filoha, nandritra ny roa taona mahery ny kaontiny.

Vao teo, nifampiresaka tamin'ny namana filoha ramatoa Dilma aho… sy tamin'ireo kamarady filoha Putin, Luckashenko, Evo ary Rafael Correa!!!

Na izany aza, dia maro ny mpiseran'ny twitter niafara tany am-ponja noho ny fanehoan-keviny ary nosakanana mihitsy aza ny tolotra tamin'ny 2014, nandritra ny fihetsiketsehan'ny volana febroary tamin'io taona io.

Nanohy ny dia toy izany ny mpandova sy ny zanaka ara-politikany, Nicolás Maduro, rehefa filoham-panjakana Venezoelana tamin'ny fomba ofisialy izy tamin'ny fanokafana ny kaonty @NicolasMaduro. Amin'izao fotoana izao dia 2 700 000 ny mpamandrika ao aminy.

Izany hoe ny fahatongavan'ny vanim-potoana 2.0 dia noheverina indrindra hanararaotana hanaovana “valimpanafihana” ara-potokevitra ary tafiditra ao anatin'ny politikam-pampitankevitry ny Fanjakana. Nitsahatra tamin'ny tsy firaharahiana sy ny fanilikilihana ity toejavatra iray ity ny chavisma ka nirotsaka tao anatiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.