Tantara tamin'ny Jona, 2015
Tsy Misy Intsony ny Internety: Endrika Môdelin'ny Vokatry ny ‘Zo Hohadinoina’ amin'ny Mili-Pitadiavana Rosiana
Mamela anao hikaroka ny voambolana rehetra ny "Fanadinoina", saingy ny setrin'izany kosa tsy misy ny torohay omeny anao amin'ny voambolana rehetra anaovana fitadiavana ankoatra ny iray ihany—ny anaran'ny filohan'i Rosia farany, Vladimir Putin (amin'ny teny rosiana)
Dingana Ataon'ny Fitondrana Shinoa Mba Hanalàna Baràka Ilay Mpikatroka Ho An’ny Zon’ny Olom-Pirenena Voafonja
"Ankehitriny, ny olona ratsy fanahy no mitantana ary ny olona tsara fanahy no any am-ponja."
Mibahan-Toerana ao amin'ny WikiLeaks avy ao Arabia Saodita Farany teo i Iran
"Asehon'ny telegrama diplomatika Saodiana ny fieritreretana be loatra an'i Iran sy ny Shiisma."
Manana Hafatra Ho an'ny Boko Haram ity Mpihira Nizeriana ity
Ilay mpihira Nizeriana miteny amin'ny mpikamban'ny Boko Haram sy ireo extremista hafa fa "Pray For You" [Hivavaka ho anao] izy ao amin'ny hira iray amin'ny rakikira navoakany farany indrindra.
Tonga ny Fotoanan'ny Orana, Mitondra Hafaliana, Aretina an-Doha ary Sary Mahafinaritra
Zavatra natao hankalazaina ny fanombohan'ny fotoanan'ny orana saingy miteraka fikorontanan'ny andavanandrom-piainan'ny olona amin'ny ankapobeny ny tondradrano.
Mahery Vaika Ny Famelezan'ny Drepanôsitôzy ny Vondrom-Piarahamonina Teratany Tharu ao Nepal
Ny fikorontanana, izay lovaina avy amin'ny ray amandreny, no mametraka fahasarotana ho an'ny lalandrà hamoaka ôksizena ho an'ny vatana, ka miteraka fangirifiriana lalina
#SaudiCables: Inona Ny Fantatsika Momba an'i Libanona Hatreto?
Ny #SaudiCables [telegrama saodiana] momba an'i Libanona dia mampiseho ny fielezan'ny kolikoly sy ny fitontoganan'ny maoraly.
Afa-Mamaky ny Angano Malaza amin'ny Fiteny Koria Ankehitriny ny Mpamaky
Tamin'ny alalan'ny ezaka nataon'ny blaogera iray dia azo vakiana amin'ny fiteny Koria (Cree) ankehitriny ny angano malaza sy ny tantara fahagola mba handrisihana ny fahaiza-mamaky teny amin'io fiteny teratany iray io.
‘Ry Tao Ivelany': Hongroà Mpaka Sary Tamas Paczai Manapika ny Sarin'ny Fitiavana Football Nandritra ny Lalaon'i Kyrgyzstan sy Aostralia
Ny mpankasitraka sasany miteronterona eny amin'ny andrin-jiro, ny hafa mihani-pefy. Hevitreverina ho mihoatra ny 10.000 ny olona mivorivory ivelan'ny vavahady. Ary misy ireo antokon'olona eny ambony tafo amin'ny tranobe iray manakaikikaiky azy.
Fotoana Indrindra Izao Hananan'ny Firenena Fampihatram-Pampitan-Kafatra eo noho eo, Hoy ny Mpanao Sivana Rosiana
Mitaraina amin'ny tsy fahampian'ny fanarahamaso sy ny tsy fahazoana miditra amin'ny angotahirin'ny fampihatra fandefasan-kafatra vahiny ho fandrahonana ny "fiarovam-pirenena" ireo manampahefana vahiny.