
Sary avy amin'ny mpanao sariitatra ara-politika @badiucao. Jereo ao anatin'ny lahatsoratra ny sary feno.
Nosamborina ny 19 May i Wu Gan, mpikatroka malaza momba ny zon’ny olom-pirenena, noho ny fihetsiketsehana nataony teo ivelan’ny fitsarana tany amin’ny faritanin’i Jianxi, izay toerana nivorian’ ny mpisolovava nitaky ny antontan-taratasy momba ny raharaha iray taloha izay tian’izy ireo hosokafana indray. Ny 27 May, nafindra tany Fujian i Wu hotànana am-ponja noho ny heloka bevava sy fiampangàna azy noho ny “nitarika fifandirana sy niteraka korontana” ary koa fanalàm-baràka.
Ny fisamborana sy ny fitanana am-ponja azy – ary ny fandrakofam-baovao nataon'ny mediam-panjakana naterany izay nanaratsy endrika an’i Wu – dia nitarika tahotra ny amin'ny hisian’ny hery famoretana hoavy hanjo ireo mpikatroka momba ny zon’ny olom-pirenena ao Shina.
Na eo aza ny tsy fisian’ny fifandraisana mafy orina aminà vondron’ny olom-pirenena manokana na sehatra ety anaty tranonkala, lasa fanta-daza amin’ny faribolan’ny zon’olombelona any Shina i Wu nanomboka ny taona 2009. Misalotra ny anaram-bositra “Butcher” ilay ranamana 42 taona. Nanazava i Ge Wenxiu, mpisolovava an’i Wu, raha niteny tao amin’ny Biloagy Sinosphere an'ny New York Times, fa ny anarana dia natao hanesoana ny fampiasàn’ireo manampahefam-panjakana fomba ratsy miaraka amin’ny soso-kevitra feno eso fa tiany “hovonoina” izy ireo noho ny kolikoly sy ny fitondrantena ratsiny.
Nandritry ny andro vitsy lasa, nandrakotra ny fisamborana an’i Wu ny media fehezin’ny fanjakana, miaraka amin’ny fitongilanana tanteraka amin’ny fanamelohana azy. Ny 25 May, nampiasa sary avy amin’ny fakantsarin’ny fiarovana teo ivelan’ny Fitsarana Avom-Bahoaka tao Jiangxi ny China Central Television (CCTV) ho porofon'ny fitondrantena mikorontana nataon’i Wu. Telo andro taty aoriana, nasehon'ny People's Daily, gazety mpiseho isan’andro an’ny antoko kaominista ho toy ny nisara-bady tsy tomponandraikitra, mpankorontana sy mpisoloky i Wu ary mpanao heloka bevava koa ny rainy sy ny rahalahiny. Nanondro olom-pantatr'i Wu tsy voatonona anarana ilay tatitra, ka mihevitra fa ny hafanàm-po ara-tsosialy ataony dia nentanin’ny tombontsoa manokana.
Wu dia tao anatin'ny vondrona voalohan'ireo mpampiasa aterineto mba hanohitra ny fanadihadihana nampiady hevitra nataon’ny pôlisy tamin’i Deng Yujiao, mpandroso sakafo izay nanindrona antsy sy nahafaty manampahefana tao amin’ny governemanta taorian'ny saika hanereny azy hanao firaisana taminy. Wu aza dia nandeha mihitsy niala tao Beijing nankany Hubei mba hamangy an’i Deng ary handresy lahatra ny fianakaviany hitady vonjy amin‘ny mpisolovava avy ao Beijng mba hampiakatra fitsarana ambony. Tamin’ny farany, voampanga ho nanao “fiarovan-tena ara-dalàna be loatra” i Deng, nefa afa-niala tamin’ny sazy heloka be vava noho ny sàtany ara-tsaina. Noheverina ho toy ny fahombiazana lehibe ho an’ny hafanàm-po amin’ny tranonkala any Shina iny raharaha iny.
Nanomboka tamin’izay, nanohy nanampy ny olon-tsotra amin’ny fiarovana ny zony i Wu. Vao haingana izy no tafiditra tamin’ny raharaha fitifirana nahafaty lehilahy iray nataon’ny pôlisy tao amin’ny fiantsonam-piarandalamby tao Qing’an. Namorona ekipan’olom-pirenena mpanao fanadihadiana izy ary nitaky ny hamoahan’ny polisin’ny lalamby ny horonantsary tamin’ny fakantsary fanaraha-maso ao amin’ilay fiantsonana mba ho hitam-bahoaka.
Toy ny nanampian’i Wu Gan ireo maro mpanao fitarainana mba hanajàna ny zon’izy ireo, nisy olona sasany naneho hevitra mba hanohanana azy tamin’ny alalan’ny sehatra samihafa amin’ny media ara-tsosialy. Satria voasivana mafy ny Weibo ilay toy ny Twitter shinoa dia tamin’ny Twitter ny olona sasany no nandefa hafatra. Badiucao, mpanao sariitatra ara-politika, naneho ny fanohanany tamin’ny alalan’ny sary nataony:
#巴丢草 漫画 【央视上的屠夫】屠夫@tufuwugan 前脚捅了 #安庆 枪击的马蜂窝,后脚就被党妈惦记上,抓了不算还上 #央视 视频游街。超级低俗的假屠夫叫伟大光荣的真屠夫给拿下了,中国梦何止荒唐?!作图声援屠夫先生! pic.twitter.com/AxZAVgwZRF
— 巴丢草 (@badiucao) May 25, 2015
Tantara an-tsary momba ny “Butcher tao amin’ny CCTV”: ny tongotr’i Butcher iray mankany amin’ny trangam-pitifirana tao Qing’an, ary ny tongony ilany voatazon’ny Antoko avy hatrany: tsy vitan’ny hoe nosamboriny izy, fa nasehony tao amin’ny fahitalavitra koa. “Ilay mpivaro-kena miavaka sady ratsy toetra [anaran’i Wu Ganny ety anaty efijerin'ny media sosialy ] dia novonoin’ny mpivaro-kena be voninahitra. Tena mihoatra noho ny mampihomehy ny nofin’i Shina. Maneho ny fanohanako an’Atoa Butcher ity sary ity.
Maro ny mpampiasa tambajotra no tohina tamin’ny fanovàna ny marina nataon’ny media mikasika ny fiainan’i Wu manokana. Nilaza i Liushui fa ampahan’ny ezaka fampielezan-kevitra efa voarindra ny fanalàm-baraka ataon'ireo famoaham-baovao :
我是第一次看到,当局动用央视、新华社和人民日报等国家力量,编造事实,围剿一个草根维权者“屠夫吴淦”。当年刘晓波似乎也没享受此等待遇。专制国家常用“媒体审判”滥招,替代哪怕是自己制定的法律,颠倒黑白,抹黑正义。民间正当维权行为,是推动社会进步的力量之一,像吴淦维权者越多越好。
— 刘水 (@liushui1989) May 28, 2015
Voalohany izao no nahitako mpitondra mampiasa fahefam-panjakana maro, anisan’izany ny CCTV, Xinhua ary ny Gazety miseho isan’andron’i Shina [eo ambany fibaikoan’ny mpitondra isan-karazany ireo media telo ireo: ny antoko kaominista, ny governemanta ary ny manampahefana momba ny fampielezan-kevitra] mba hamorona tantara hamelezana ilay mpikatroky ny zo ifotony “Boucher Wu Gan”. Tsy nahazo izany karazana famelezana izany, na i Liu Xiaobo [gadra politika] tamin’ny fotoan’androny aza. Matetika ny fanjakana tsy refesi-mandidy no mampiasa ny media mba hamaizana ny olona amin'ny fomba tsy vitan'ny lalàna atao. Hovainy ho mainty ny fotsy ary haratsiany ny fitsaràna. Fitaovana iray ho entina manatsara fiarahamonina ny hetsika fikatrohana ho an'ny zo. Tokony hànana olona maromaro toa an'i Wu Gan isika.
Nino i Wen Yunchao, shinoa mpanohitra mipetraka any Etazonia, fa tafiditra amin'io ireo manampahefana ao amin’ny fiarovam-pirenena:
屠夫被刑拘,新华社、人民日报、中央电视台都第一时间作出报道;江西方面行政拘留期未满转由福建方面进行刑事拘留。同时调动政法及党宣系统,基本可以认定是国安委决策部署,预感不妙。对屠夫的这种运动式精确打击,旨在震慑并瓦解民间维权死嗑群体,其大批判式文宣与反恐式定点清除手法,令人发指。
— 北风(温云超, Yunchao Wen) (@wenyunchao) May 28, 2015
Raha tsaraina avy amin’ny fitànana am-ponja nohon’ny heloka bevava i Butcher, ny tatitra maika sy voarindra nataon’ny Xinhua, ny People's Daily sy ny CCTV, ary ny fandrindrana iraisam-paritany teo amin’ny faritanin’I Jiangxi sy ny faritanin’I Fujian tamin'ny nihazonana an’i Wu Gan hotànana am-ponja nohon’ny heloka bevava, ny komitin’ny Fiarovam-Pirenena ihany no afaka manetsika miaraka ny fahefam-pitsaràna sy ny fahefam-pampielezan-kevitra. Azo antoka fa misy zavatra mampiahiahy mitranga eto. Mikendry ny hampihorohoro sy hanafoana ny mpikatroka mafana fo mpiaro ny zon’ny olom-pirenena izany famoretana Izany. Ny fampielezan-kevitra amin’ny fanondroana olona iray miaraka amin’ny fikasana ny hamono azy dia sahala amin’ny miady amin’ny [mpitily miafina] mpampihorohoro, manafintohina [ny famoretana tahàka zany].
Nino ny mpampiasa Twitter, Beidaijin, fa tsy hifarana amin’ny tranga iray io famoretana farany io:
黨國能祭出這三大法器 絕對不會僅僅為了屠夫一人,這麼大的鋪墊,預計將有可觀的「後戲」。屠爺是相關「運動」的一部份/一個標籤、引子,接下來或將出現連續的針對性打擊,全國範圍的 “@xddcc: 党国急眼儿了~ RT @avb001:
— 贝带劲 (@beidaijin) May 28, 2015
Midika ny fanentanana ataon’ny antokom-panjakana amin’ireo sampana telon’ny media fa tsy mijanona eo amin’i Butcher ny tanjon’izy ireo. Sehatra fanokafana fotsiny iny ary mbola betsaka ny fampisehoana hanaraka eo. Ampahany/famantarana ny sokajin’ny “hetsika” [izay tian’ny fitondrana ho potehina] i Butcher, toy ny fampidirana ihany izy ary mbola hisy betsaka no havahana ho lasibatra.
Nisy mpampiasa serasera vitsivitsy nanohana ny tsy fivadihan’i Wu:
新华社极尽丑化之力抹黑屠夫,无非就是想打压死磕式维权。他们把维护公民基本权利称做“凑热闹”,给他们添麻烦。没错,屠夫就是爱凑热闹,09到现在陆续见过他几次,每次都是他维权的时候 。他太爱管闲事了,前几天还在仔细问我陈云飞家人的情况,他不仅要捐款,还想把陈云飞家的老人也照顾到。
— 上官乱 (@shangguanluan) May 28, 2015
Nihezaka mafy ny hanaratsy an’i Butcher ny Xinhua mba hanasazy ireo mafana fo mpiaro zo. Toy ny “andian'olona” mitarika korontana no famaritany ny mpiaro ny zo sivily. Tsara, tia manaraka tranga mafàna i Butcher. Nihaona tamiko matetika izy nanomboka ny taona 2009. Matetika izy no tafiditra amin’ny hetsika momba ny zo sivily. Tena basivava izay izy. Nanontany ahy izy mikasika ny satam-pianakavian’i Chen Yunfei [nosamborina tamin’ny fiandohan’ny volana May i Chen nohon’ny “fandrisihana hanongam-panjakana” sy “fitarihana korontana”]. Te-hanome sy hanampy ny fianakaviany izy.
如今坏人当道,好人只能进监狱。我是新浪微博早期的用户,如今已经不玩了。从屠夫为受难者仗义执言,一直到他退出新浪为徐纯合的事奔走,再到这次被抓。他一路的历程,作为旁观者我看得清清楚楚。老吴就是一个义薄云天的爷们儿,一颗响当当的铜豌豆! https://t.co/mqXwCR5G1t
— 小悲 (@Zodiac4698) May 28, 2015
Ankehitriny, ny olona ratsy fanahy no mitantana ary ny olona tsara fanahy no any am-ponja. Anisan’ny voalohany zatra nampiasa ny Weibo aho ary efa niala tamin'ilay sehatra. Niteny nitondra ny feon'ireo niharam-boina i Butcher. Voaroaka tao amin’ny Sina Weibo izy noho i Xu Chunhe [ilay niharam-boina tamin’ny tifitra nataon’ny pôlisy tao Quing’an]. Voasambotra izy ankehitriny. Vavolombelona tamin’ny zavatra nataony nandritra izay taona vitsy farany izay aho. Olona tena mahitsy i Wu izay manana fandàvan-tena matanjaka ary afaka mampiaka-peo!
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...