
Nifampihaika hatry ny fotoana ela noho ny antony te-hibahana ara-jeopolitika ao amin'ny faritra i Iran sy Arabia Saodita , ny farany indrindra teo dia tamin'ny alalan'ny ‘ady ambadika’ nataon'izy ireo tao Yemen. Sary Wikimedia.
Ireo tosa-tahirinkevitra navoakan'ny Wikileaks avy amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ao Arabia Saodita dia ahitana ny fanahian-dry zareo manoloana ny mpifanandrina aminy ao amin'ny faritra dia i Iran.
Hatreto dia tahirin-kevitra 23 ao anatin'ireo tosaka ireo no naoty fohy avy any amin'ny minisitera ao Iran fandefa isan'andro .
Most fascinating find of #SaudiCables so far are the 23 Iran Daily Briefs (‘تقرير ايران اليومي’) from '06, '10, '11 https://t.co/T3DRHhL3X0
— Mahsa Alimardani (@maasalan) June 20, 2015
Ny tena mahavalalanina amin'ireo telegrama diplomatika saodiana hatreto dia ireo naoty fandefa isan'andro 23 momba an'i Iran avy amin'ny '06, '10, '11 https://t.co/T3DRHhL3X0
Nahamarika ireo fanahiana manoloana an'i Iran ao amin'ny telegrama diplomatika ihany koa ireo mpiseran'ny media sosialy. Amin'ireo tahirin-kevitra 60.000 niporitsaka hatreto dia manodidina ny 1500 eo no miresaka Iran na Iraniana amin'ny teny anglisy na arabo. Rehefa mipongatra ny fanadihadiana bebe kokoa momba ireo tahirinkevitra, dia lasa miharihary ny fanahiana manokan'ny Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny manoloana an'i Iran.
This leaked document shows #Saudi concern over a homegrown Iranian jet fighter #SaudiCables #Iran pic.twitter.com/y73oVm4A6W — Darius Caspian (@DariusCaspian) June 20, 2015
Ity tahirin-kevitra navoaka ity dia mampiseho ny fanahian'ny Saodiana amin'ny fisian'ny voromby mpiady namboarin'ny Iraniana ao an-toerana
#KSA was suspicious of #Iran #Egypt relationship during #Morsi presidency #SaudiCables #Saudileaks pic.twitter.com/CjYzaQBZQL
— Hassan Ridha (@sayed_ridha) June 20, 2015
Be ahiahy tamin'ny fifandraisan'i Iran sy i Ejipta i Arabia Saodita nandritra ny fitondran'i Morsi
#SaudiCables show overwhelming obsession of #SaudiArabia with regards to #Iran and Shiism. https://t.co/9gHrITV3HQ — Victor J. Willi (@victorjwilli) June 20, 2015
Asehon'ny telegrama diplomatika Saodiana ny fieritreretana be loatra an'i Iran sy ny Shiisma
Real nugget from #SaudiCables: panic abt #Iran amid Arab Spring on full display, signed by then FM Faisal. https://t.co/DsKJNujyQq — Mohammad Ali Shabani (@mashabani) June 20, 2015
Raki-tsarobidy avy amin'ny telegrama diplomatika Saodiana: Niseho tanteraka ny fikoropahana momba an'i Iran nandritra ny Lohataona Arabo, nosoniavin'ny minisitry ny raharaham-bahiny Faisal tamin'izany fotoana izany
Leaked Saudi Foreign Ministry documents include cables on interference with the broadcast of IRIB's @alalam_news. https://t.co/vG853TJyKC — Collin Anderson (@CDA) June 19, 2015
Hita ao amin'ny telegrama diplomatikan'ny minisiteran'ny raharahambahiny saodiana ny fanelingelenana ny IRIB [Radio Televizionan'ny Repoblikan'i Iran]
This leaked document shows #Saudi concern over a homegrown Iranian jet fighter #SaudiCables #Iran pic.twitter.com/y73oVm4A6W
— Darius Caspian (@DariusCaspian) June 20, 2015
Asehon'ny telegrama diplomatika saodiana ny fanahian'ny Saodiana amin'ny fanamboaran'i Iran voromby mpiady
Misy ireo Saodiana sasantsasany mpisera amin'ny media sosialy no miteny fa avy amin'ny fisovohana iraniana no nisian'ireo poritsaka ireo; saingy nisy avy hatrany ny nanapo-drano mangatsiaka izany fitenenana izany.
In case you missed it, #Iran hacked into #Saudi government computers and forwarded tons of documents to wikileaks, which posted them online
— Hussain AbdulHussain (@hahussain) June 19, 2015
Raha tsy mbola renao dia nosovohan'i Iran ny solosainan'ny governemanta saodiana dia nalefany tany amin'ny wikileaks ireo tahirinkevitra antaoniny ireo, dia ity farany no namoaka azy an-tserasera
Arab liberal going nuts over #SaudiCables. No comment on the Saudi regime's destructive policies. Just Iran Iran Iran pic.twitter.com/37SqOie8Ip
— كريم (@ArabSecularist) June 20, 2015
Ataon'ny telegrama diplomatika saodiana fanina ny Arabo liberaly. Tsy misy resaka momba ny politikam-pandravana ataon'ny fitondrana saodiana. Tsy misy afa-tsy Iran Iran Iran