Tantara tamin'ny 19 Mey 2015
Mampanantena Hiverina Amin'ny Aterineto Ilay Fandaharana Alzeriana Mananihany Nofoanana
Naato ny fandaharana mananihany ''Eldjazairia weekend'' amin'ny fahitalavitra Alzeriana nanomboka ny 24 Aprily noho ny tsindry ara-politika, anisan'ny mpiara-manolotra izany fandaharana izany ny mpikambana ato amin'ny GV , Abdou Semmar.
Ho An'ireo Venezoeliana, Masoandro Miposaka Ahitàna Asa Ny Sisintany Breziliana
Ao anatin'ny fitontongan'ny vola bolivara Venezoeliana, miampita sisintany mba hiasa any Brezila ireo Venezoeliana ary avy eo miverina mody miaraka amin'ny tahiriny.
‘Atsaharo Ny Famotehana Ny Vondrom-piarahamoninay Noho Ny Arintany Tsy Ho Azonay Ampiasaina Akory’
Niraisanay ny hafatra hampitsaharana ny fianteherana amin'ny arintany sy ny hanafainganana ny fikisahana ho any amin'ny angovo azo havaozina izay tokony ho nanomboka omaly
Melohina ho Faty Noho Ny Fandosirana ny Fonja Tamin'ny 2011 Ny Filohan'i Ejypta Teo Aloha Mohammed Morsi
Nomelohina ho faty ny filoha voafidim-bahoakan'i Ejipta voalohany Mohammed Morsi, sy ireo olona zato hafa. Henatra no ilazan'ny fikambanana mpiro ny zon'olombelona sy ny mpanohana izany toe-javatra izany.
“Voaozona Hohadihadiana ny Uber ao Shina”
Mitsikera ny manampahefana Shinoa tamin'ny fangejana ny tolotra taxi iombonana Uber ny mpiserasera habaka, miampanga azy ireo ho miaro ny indostrian'ny taxi sy mamely indray ny orinasan'aterineto vahiny.
Sary Nahazo Loka Mampiseho Ny Fiainan'ny Vahoaka Teratany Ao Amin'ny Nosy Orchid Ao Taiwan
Nitsidika matetika ny nosy Orchid ao Taiwan i Wen-Yen Wang ary nandrakitra ny tantaran'ny vahoaka Taô ao anaty sary, izay nahazo loka vao haingana tamin'ny sokajy maromaro nandritra ny fifaninanam-pirenena nokarakarain'ny Taiwan News Photograph Study Group.
Hiakatra Fitsarana Noho Ny Sariitatra Nataony Momba Ny Fanabeazana Aizana Ao Iran i Atena Farghadani
Hiakatra fitsarana amin'ny Talata 19 May ilay mpikatroka sady mpanakanto Atena Farghadani noho ny sariitatra nataony mitsikera ny governemanta Iraniana.
Ejipta: Manampahefana Nametra-pialàna Taorian'ny Nilazany Fa Tsy Afaka Ny Ho Tonga Mpitsara Ny Zanaky Ny Mpandraoka Fako
Ao Ejipta, tsy afaka ny ho lasa mpitsara ny zanakalahin'ny mpanadio tanàna, hoy ny Minisitry ny Fitsarana ao amin'io firenena io, Mahfoodh Saber, fanehoankevitra niteraka kiana mivaivay tery anaty haino aman-jery sosialyary nanery azy hametraka fialàna.