
Hiakatra fitsarana i Atena Farghadani amin'ny Talata 19 May 19 noho ny fiampangana azy ho manevateva ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta sy manaparitaka fampielezan-kevitra manohitra ny rafitra. Sary nalaina tao amin'ny pejy facebookn'ny ‘Free Atena’.
Tamin'ny volana Aogositra 2014 ny fisamborana azy voalohany raha natokan-toerana nandritra ny fotoana ela tao amin'ny fonjan'i Evin izy. Navotsotra izy ny volana Desambra, saingy voatazona indray rehefa niresaka ampahibemaso momba ny fampijaliana azy nataon'ireo mpiambina ny fonja.

Sariitatr'i Athena mampiseho ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta Iraniana toy ny biby mifidy ny fandraràna ny fanabeazana aizana maharitra an-tsitrapo, na ny famosirana. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebookn'ny ‘Free Atena’.
Telo herinandro taorian'ny fampidirana azy am-ponja fanindroany, nitokona tsy nihinan-kanina i Atena mba hanohitra ireo fepetra ratsy any am-ponja, izay nolazain'ny mpisolovavany tamin'ny Amnesty International fa niteraka aretim-po tampoka sy tsy fahatsiarovantena fohy nahazo an'i Atena tamin'ny Febroary. Nitatitra ny Amnesty International fa nafindra fonja hafa avy eo i Atena ary nitsahatra nitokona tsy nihinan-katina, saingy mbola miahiahy momba ny fahasalamany ireo mpiaro azy.
Manao antso hanaovana hetsika eto ny Amnesty International, raha nampiasaina hananganana fanohanana sy fanentanana ho azy ao amin'ny haino aman-jery sosialy kosa ny diezy #freeAtena .