Tantara tamin'ny 23 Avrily 2015
Tsy Midina An-dalam-be Fotsiny Ihany Ireo Kroaty Mpiaro Ny Zon'ny Vehivavy Fa Manova Anarana Azy Ireny Ihany koa
Ny andron'ny 8 Martsa, Andron'ny Vehivavy Maneran-tany,teom-pifohazana no nahalalàn'ireo vahoakan'ny Rijeka Kroasia fa novain'ireo mafana fo ny anaran'ny làlana maro tao an-tanàna, ho fanomezam-boninahitra ireo vehivavy nànana ny naha-izy azy nefa toa hadinodino.
Angolà: Miatrika Fitsaràna Momba Ny Fanadihadihana Ny “Diamondra Mihoson-drà” Ilay Mpanao Gazety Nahazo Loka
Nandray anjara tamin'ny fanaovana ity tatitra ity i Jonathan McCully. Ny volana lasa teo, nomena ny Lokan'ny Fitorohana ny Famerana ny Fahalalahana Miteny an'ny fanaovan-gazety i Rafael Marques de Morais, noho ny “fanaovan-gazetiny mihatra amin'ny fiainana, hafa noho ny an'ny rehetra ary ny fanadihadiana nataony tsy nisy fahadisoana” ao amin'ny firenena niaviany,...
‘Mandeha Manavatsava Ny Fahafatesana Izahay,’ Hoy Ny Sioka Avy Amin'ny Bilaogera Yemenita Amin'ny Ady Ao Amin'ny Firenena.
Tombanan'ny Firenena Mikambana ho 150.000 eo ho eo ireo olona nafindra toerana, ary nitatitra ny Fikambanana Manerantany hoan'ny Fahasalamana izay nilaza ny loharanom-baovaon'ny Ministeran'ny Fahasalamana Yemenita fa olona 767 no namoy ny ainy ary maherin'ny 2.900 ireo naratra tao anatin'ny iray volana.
Mitsangana Hanohitra Ny Herisetra Ara-nofo Taorian'ny Fanafihana Nandritra Taombaovao ny Bangladeshita
Nampiasa media sosialy ny mpiserasera mba hamantatra ireo jiolahimboto azo sary tamin'ny horonantsary. Mandritra izany, feno fihetsiketsehana manohitra ny herisetra ara-nofo ihany koa ny media sosialy
Ellery Biddle no Talen'ny Advocacy Vaovao ato amin'ny Global Voices
Fanambarana ny Tale vaovao ato amin'ny Advocacy, sampan'ny Global Voices!
Volavolan-Dalàna Momba Ny Heloka Antserasera Ao Tanzania: Fahefana Bebe Kokoa ho an'ny Polisy, Kely Kokoa ho an'ny Vahoaka
Milaza ny mpitarika mpanohitra ny lalàna avy ao amin'ny fiarahamonim-pirenena fa hitory ny governemanta izy ireo raha manasonia ny volavola ho lasa lalàna ny filoha.