Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

‘Mandeha Manavatsava Ny Fahafatesana Izahay,’ Hoy Ny Sioka Avy Amin'ny Bilaogera Yemenita Amin'ny Ady Ao Amin'ny Firenena.

Buildings targeted in Saudi-led air strikes on Yemen. Photograph shared on Twitter by Sana'a-based blogger @Omeisy

Tranobe nokendrena tamin'ny daroka an'habakabaka notarihin'ny Saodiana tao Yemen. Sary nozarain'ilay bilagera monina ao Sana'a @Omeisy

Vaovao farany: Efa hitantsika any amin'ny lahatsoratra nivoaka tato ihany fa efa nampitsahatra ny fandarohana baomba an'i Yemen i Arabia Saodita, ilaina fantarina ihany na dia izany aza ny zavatra niainan'ireo olona niaritra izany fandarohana baomba avy eny amin'ny fiaramanidina izany.
Valo ambin'ny folo tamin'ireo governorà 22 tao Yemen no notafihan'ny vondrona notarihan'ny Saodiana hatramin'ny nanombohan'ny ady tao Yemen tamin'ny 26 Martsa, hoy ny Firenena Mikambana. Olona an-jatony no namoy ainy tao anatin'ny fandravana, ary an'arivony ireo naratra, miaina ao anatin'ny fahantrana, ny horohoro sy ny tsy fisian'ny zavatra ilaina andavanandro ny firenena manana mponina 24 tapitrisa.

Na dia natao hidarohana baomba ireo foto-drafitrasa sy fitoerana fitaovam-piadian'ny miaramila aza ny hetsika daroka an'habakabaka antsoina hoe Hetsika Tafio-drivotra Mahatapaka mba hanakanana ny mpikomy Houthi tohanan'ny filoha voahongana Ali Abdullah Saleh, dia niteraka fahafatesana marobe, fifindram-ponenana ary faharavana manerana ny firenena ny daroka baomba. Na dia eo aza ny isan'ireo daroka baomba goavana tao anatin'izay telo herinandro izay, niely hatrany atsimo ny fanafihana maherisetran'ny Houthi/Saleh ary nihamahery vaika indrindra tao Aden, ka olon-tsotra maro no namoy ny ainy ary faritra manodidina no rava.

Ny fanohanan'ny mpiara-dia amin'ny Arabon'ny Helodrano, Ejipta, Jordania, Maraoka, Sodàna ary Arabia Saodita, no nanatontosana hetsika daroka baomba an'habakabaka tamin'ireo mpiadin'ny Houthi izay nifehy an'i Yemen tamin'ny volana Janoary. Notohanan'ny Etazonia ihany koa izany hetsika izany, izay manome fanohanana ara-pitsikilovana sy ara-pitaovana hoan'ny Saodiana mpiara miasa aminy.
Tombanan'ny Firenena Mikambana ho 150.000 eo ho eo ireo olona nafindra toerana, ary nitatitra ny Fikambanana Manerantany hoan'ny Fahasalamana izay nilaza ny loharanom-baovaon'ny Ministeran'ny Fahasalamana Yemenita fa olona 767 no namoy ny ainy ary maherin'ny 2.900 ireo naratra tao anatin'ny iray volana.
Mampiseho ireo foto-drafitrasa rava, simba sy nikorontana noho ny ady ny tatitra farany navoakan'ny Biraon'ny Firenena Mikambana hoan'ny Fandrindrana ny Maha-olombelona.

Tsy manana solika, etona fahandroan-tsakafo na rano ireo tafahitsoka ao an-trano. Zara raha misy ny sakafo, ary tsy misy ny herinaratra.

Miaina Ao Anatin'ny Daroka An'habakabaka sy Daroka Baomba Tsy An-kiato.

Misioka andro aman'alina momba ny horohoro atrehin'izy ireo mandritra ny ady ireo mponina ao Sana'a renivohitra sy ao Aden.

Avy ao Sana'a, mamariparitra ny fiainana ao amin'ny renivohotra toy ny “mandeha ao anatin'ny fahafatesana” i Osama Abdullah”:

Matory sy mifoha ao anatin'ny daroka baomba an'habakabaka tarihin'ny Saodiana izahay, very namana na fianakaviana izahay isan'andro, mandeha manavatsava ny fahafatesana izahay ary toa tsy misy dikany intsony ny fiainanay.

Maka sary ny fahasimbana nateraky ny daroka baomba an'habakabaka tao Sana'a i Hisham Al-Omeisy:

Sary tao anatin'ny roa ora farany tao Sana'a mampiseho ny daroka baomba an'habakabaka izay mbola tsy nitsahatra hatramin'izao

Mamariparitra ny tahotra iainana isan'andro ao anatin'izao fepetra izao i Ary Amal:

Fipoahana goavana tena goavana ao Aser, Attan sy ambadiky ny tranon'i Abduraboh, 60 metatra miala amin'ny arabe, mampatahotra tanteraka izany, marenina ny sofiko.

Mihazohazo ny fiainana noho ny vokatry ny daroka baomba an'habakabaka tsy an-kiato. Misioka momba ny tsy fisian'ny solika sy ny fahatapahan-jiro i Ammar Al-Aulaqi:

Tsy misy na inona na inona intsony ao amin'ireo mpaninjara sakafo lehibe indrindra ao Sanaa. Foana ny lalana noho ny tsy fisian'ny solika. Mivangongo ny fako. Fahatapahan-jiro manerana ny faritra. “Tantara Zary Angano Velona aho (I Am Legend)”

Mamaritra ny tahotra iainana tsy an-kiato, miaraka amin'ny sakafo iray isan'andro ao anatin'ny aizina i Rooj:

Mba ahafantarana hoe manao ny ao Yémen, vonoy ny herinaratra, ny rano sy ny fanafanana rano, mihinana sakafo indray mandeha isan'andro, miaina ao anatin'ny aizina, matahotra hoan'ny fiainana.

Nilaza i Haykal Bafana, avy ao Sana'a fa tsy manana ny fototra ilaina andavanandro sy filaminana ny Yemenita:

Tsy misy herinaratra ao Sana'a renivohitra Yemen mandritra ny 34 ora maninjitra. Tsy misy solintany, gazoaly, tsy misy entona fandrehitra, tsy misy rano ary tsy misy filaminana ihany koa.

Mizara izay toetr'andro misy no vakiana ho an'ny Yemenita i Ibrahim Alhemyari fa tsy ny maripàna ambony indrindra sy ambany indrindra mandritra ny andro:

Toy izao no tokony hitako rehefa mijery ny toetr'andro ao Yemen ao amin'ny iPhone-ko aho.

Raha ao anatin'ny daroka baomba ataon'ny vondrona tarihin'ny Saodiana i Sana'a ankehitriny, nanakoako tany atsimo izay misy ny vondrona Saleh/Houthi miady ao Aden ity horohoro ity. Tsy nahitana fitantarana am-baovao firy izany.

Manasongadina izany i Ammar Al-Aulaqi :

Am-pahatsorana tanteraka, miaina ny ratsy indrindra amin'izany ireo mponina ao Aden, avo folo heny ireo olon-tsotra namoy ny ainy, kanefa i Sanaa no tena mandeha amin'ny fampahalalam-baovao.

Nilaza ihany koa izy fa nikatona ireo sekoly sy oniversite hatramin'ny nanombohan'ny ady :

Aoka ho fantatr'izao tontolo izao: Nikatona avokoa ny sekoly, oniversite sy ny toeram-pianarana rehetra ao Aden hatramin'ny 26 marsa.

Nilaza ny mpitondra-tenin'ny Komity Iraisam-pirenen'ny Vokovoko Mena ao Yemen, Marie Claire Feghali fa “tena sarotra” ny toe-draharaha maha-olona manerana ny firenena [miaraka amin'ny ‘] fahatapahan'ny fifamoivozana an-dranomasina, an'habakabaka sy an-tanety”. Ary namariparitra ny zava-misy ao Aden ho toy ny ” loza (raha lazaina ho kely indrindra)” ihany koa izy. Nilaza koa izy fa: “Eny an-dalana rehetra eny, isaky ny zorony ny ady ao Aden Maro ireo tsy afa-mandositra.”

Nitantara tamin'ny BBC World momba ny zava-tsarotra sy ny zava-doza atrehin'ny vahoaka ao Aden ihany koa ny lehilahy Yemenita-Britanika iray.

Nisioka ny zava-tsarotra atrehin'ireo ihany koa ireo mponina hafa ao Aden.

Nisma, 20 taona, mpianatry ny onivesite ao Aden mamariparitra amin'ny BBC World mikasika ny fepetra henjana iainana ao :

Tsy misy herinaratra, rano, sakafo sy filaminana ny andavan'androm-piainako. Miaina any anaty ala aza no tsaratsara kokoa.

Nilaza i Fakhuus Hashim fa mijaly ny ady tsy avy aminy i Aden :

Mijaly ny ady tsy avy aminy na nandraisany anjara i Aden. Saingy lavo haingana ny vatana.  Allah Ya3een! 

Nitatitra i Hussain Al-Yafai fa mitifitra ireo vehivavy sy ankizy ary mamono azy ireo ao Aden ireo mpitfitra mpitily lavitra:

Mamono ireo vehivavy sy ankizy ao Aden ankehitriny ireo mpitifitra mpitly lavitra houthis! Volaza fa marobe ireo ankizy amam-behivavy novonoin'ireo mpitfitra mpitily lavitra houthis !

Mamaritra ny toe-draharaha maha-olona mahaontsa ao an-toerana i Sala Mohammed :

Ilaina haingana dia haingana ny fanampiana maha-olona ao #Aden#Dhalea#Lahj, tsy misy ny rano, sakafo, solika sy ny fitsaboana.

Raha fintinina, nanamarika i Al-Omeisy fa niray hina tao anatin'ny fijalian'izy ireo ny Yemenita:

Raha atao indray mijery, mijaly ny daroka baomba an'habakabaka i Sana'a. Tahaka izany ihany koa i Aden + basy aman-tafondron'ny Houthis, tifitry ny tafika an-dranomasina, tifitry ny mpisava lalana..sns

Araho hatrany ny vaovao avy ao Yemen.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.