Volavolan-Dalàna Momba Ny Heloka Antserasera Ao Tanzania: Fahefana Bebe Kokoa ho an'ny Polisy, Kely Kokoa ho an'ny Vahoaka

Tovolahy manoratra hafatra amin'ny finday ao Dar Es Salaam, Tanzania. Sary avy amin'i Pernille Baerendtsen, nahazoan-dalana.
Nandray anjara tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity i Pernille Baerendtsen.
Nodinihana tao amin'ny Parlemanta Tanzaniana tamin'ny 1 Aprily 2015 ny lalànan'ny heloka antserasera izay mikendry hiady amin'ny sarin'ankizy atao vetaveta, fandrahonana antserasera, fangalarana anarana antserasera, famokarana vontoaty manavakavaka sy mankahala vahiny, hafatra mahasorena (spam), fidirana anaty fifandraisana tsy ara-dalàna, ary famoahana vaovao tsy marina - ao anatin'ny lalàna iray avokoa izany rehetra izany.
Nandritra ny fivorian'ny parlemanta, volavolan-dalàna telo hafa ihany koa no nampahafantarina: Ny Fahazoam-baovao (ATI), ny Raharaha Fampitam-Baovao ary Lalàna momba ny antontanisa. Na izany aza, zava-baovao ny volavolan-dalàna momba ny heloka antserasera ary niteraka adihevitra eo noho eo ny kinova momba izany nalefa tao amin'ny aterineto (fa tsy ny kinova farany).
Toy ny any amin'ny firenena maro hafa, mampatahotra hatrany ny hosoka antserasera ao Tanzania sy ny fisolokiana ara-bola. Saingy mandrakotra zavatra betsaka noho izany ilay volavolan-dalàna. Ankehitriny, nalefa tao amin'ny parlemanta ny volavolan-dalàna na dia eo aza ny tsikera avy amin'ny mpanao politika mpanohitra, avy amin'ny zatra haino aman-jery sosialy ary ny mpikatroky ny zon'olombelona. Milaza ny mpitarika mpanohitra ny lalàna avy ao amin'ny fiarahamonim-pirenena fa hitory ny governemanta izy ireo raha manasonia ny volavola ho lasa lalàna ny filoha. Nahamarika ny maro amin'ireo andininy tena mampanahy maromaro ao amin'ny volavolan-dalàna mahakasika ny mpiserasera ny The Citizen, gazety iray ao an-toerana.
Tamin'ny fanadihadiana ho an'ny CIPESA, vondrom-paritra iray misahana ny politikan'ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana, dia nanoratra ilay mpanao gazety Ogandey sady mpandalina Juliet Nanfuka fa tokony ho ny fiarovana ny zon'ny olom-pirenena amin'ny aterineto no tanjona voalohan'ny volavolan-dalàna momba ny heloka antserasera. Saingy ny hitany dia fampisehoana “tsy firaharahiana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra, [Fanomezana] fahefana mihoampapana ho an'ny polisy, ary [famerana] ny fiarovana omena ny olon-tsotra.”
Mametraka ho tsy ara-dalàna ny vaovao “mitarika ho amin'ny fahadisoana, mamitaka na diso” ny volavolan-dalàna, fepetra izay nomarihan'i Nanfuka fa maneho fandrahonana miharihary ny fanehoan-kevitra malalaka sy tsy voasakatsakana amin'ny aterineto. Manome fahafahana goavana ho an'ny polisy hikarohany ny tranon'ireo izay ahiahiana ho mandika lalàna, maka ny ny rindrambainga elektronika, ary mitaky ny tahirin'izy ireo any amin'ny mpanome tolotra aterineto izany. Nilaza i Aidan Eyakuze sy Ben Taylor, izay samy miasa amin'ny tetikasa Afrikanina Tatsinanana mahaleotena Twaweza fa manome fahefana be loatra hoan'ny polisy ny volavolan-dalàna kanefa tsy misy fanarahamaso mivaingana avy amin'izany :
…the bill gives even very junior police officers the power to search and/or seize any computer equipment or data, including the content of messages, with no meaningful justification required or oversight provided. This includes demanding information from internet service providers and mobile phone networks.
Manome fahefana hatramin'ireo polisy tsy manamboninahitra mihitsy aza ilay volavolan-dalàna hikarohany sy/na hakany izay vainga [solosaina] na tahiry informatika, anisan'izany ny votoatin-kafatra, nefa izany tsy mitaky fanamarinana mazava na mahaantoka fanaharahamaso. Tafiditra amin'izany ny fitakiana torohay avy amin'ireo mpanome tolotra aterineto sy tambajotra finday.
Nanamarika i Thinklessactmore Bilaogera Tanzaniana fa afaka mampiasa ny lalàna mba “hanorisorenana ireo mpikatroka antserasera amin'ny anaran'ny ahiahin’ny fandrahonana antserasera tsy mila [dingana’] ara-pitsarana” ny polisy. Nilaza ilay mpisera Twitter Sultan Rajab, mpanolo-tsaina momba ny haba sy ny vola ao Tanzania fa tsara ilay volavolan-dalàna, saingy mampanahy azy ny fahefana atolony ho an'ny polisy :
@JMakamba it is a good bill/law. I am worried about the power given to our police. Ignorant & low income earners might suffer.
— Sultan Rajab (@SultanKipupwe) April 1, 2015
Tsara ilay Lalàna/volavolan-dalàna. Miahiahy ny fahefana omena ny polisintsika aho. Mety hijaly ireo kely fidiram-bola sy ny tsy mahalala
Manameloka ny fandefasana vaovao “manelingelina” alefa amin'ny fitaovana elektronika ihany koa ny volavolan-dalàna. Raha natao hiadiana amin'ny spam sy ny famitahana (“phishing”) ity lalàna ity, nefa azo raisina ho midadasika kokoa. Maria Sarungi Tsehai, manam-pahaizana manokana momba ny fifandraisana sady mpanorina ny fikambanana Change Tanzania, nanontany hoe:
“@jpb4rretto: @MariaSTsehai How is any message transmitted with solicitation? Call me and ask me to write you and email? #CyberCrimeBill“
— Maria Sarungi Tsehai (@MariaSTsehai) April 2, 2015
Ahoana izany hoe hafatra notadiavina [tsy manelingelina] izany? Antsoy aho ary iangavio aho hanoratra any aminao sy handefa mailaka“
Ny Volavolan-dalàna momba ny Heloka an-tserasera dia misy ifandraisany amin'ireo volavolan-dalàna vaovao efa voalaza eo ambony momba ny Fahazoam-baovao, ny Raharahan'ny Fampitam-baovao ary ny Antontanisa – ary ireo rehetra ireo dia mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fahalalaham-pitenenana ao Tanzania. Saingy tsy tahaka ny Volavolan-dalàna momba ny Heloka Antserasera, fa samy tsy nozaraina tamin'ny vahoaka tamin'ny firafiny ankehitriny ireo volavolan-dalàna telo ireo.
Mizara ny heviny mikasika ny antony mahatonga ny governemanta Tanzaniana tsy hamoaka izany volavolan-dalàna izany amin'ny vahoaka kanefa manafaingana ny fizotry ny fampandaniana azy ny mpaneho hevitra ao amin'ny haino aman-jery sosialy sy ny mpanao gazety. Manontany ny sasany raha noho i Tanzania miomana amin'ny fifidianana amin'ny volana Oktobra 2015 no mahatonga izany. Tao anatin'izay taona vitsy izay, niatrika ny fitomboan-kerin'ny antoko mpanohitra ny antokon'ny Fitondrana Tanzaniana, Chama Cha Mapinduzi (CCM). Ao anatin'izany, niatrika fandrahonana sy herisetra ihany koa ireo mpanao gazety sy ny fampitam-baovao.
Tao amin'ny bilaogin'ny Washington Post, nilaza i Keith Weghorst sy Ruth Carlitz fa “mifanaraka amin'ny fitondran-tenan'ny antokon'ny fitondrana vonona hihazona ny fahefana amin'ny fomba rehetra ny fanafainganana ny fandaniana ny volavolan-dalàna.” Hoy izy ireo nanoratra, “Arakaraky ny ahafahan'ny governemanta mampalemy ny tsikeran'ny mpanohitra – amin'ny alalan'ny fanaovana ampihimamba ny fivezivezen'ny vaovao – no mampijoro azy ireo tsara kokoa hisoroka ny fanafintohinana sy ny zava-bita tsy mamely mety hanimba azy ireo amin'ny fifidianana.”
Gaga i Thinklessandactmore fa tonga saina ny amin'ny tokony handaminana ny fampiasana ny aterineto i Tanzania, saingy nilaza koa izy fa nohafainganina tao amin'ny parlemanta ny volavolan-dalàna:0
It’s important to have [a] law that would regulate online activities and the use of internet but it should be done in a right way. There is no hurry in having such law; there was none in the past 53 years of independence. If it takes one or two years to have a better cyber-crime law be it so, let’s conduct enough research on the issues; collect different opinions about the bill before it is present in the parliament.
Zava-dehibe ny manana [ny] lalàna mandamina ny zavatra atao ao amin'ny aterineto sy ny fampiasana aterineto, saingy tokony hatao amin'ny fomba mety izany. Tsy misy mahamaika ny hametrahana lalàna tahaka izany; tsy nisy na inona na inona nandritra ny 53 taonan’ny fahaleovan-tena. Raha mila herintaona na roa ny fananana lalàna momba ny heloka bevava an-tserasera tsara kokoa, dia avelao handeha araka izany, andeha hanao fikarohana ampy momba ity lohahevitra ity, manangona ny hevitra isan-karazany momba ny volavolan-dalàna alohan'ny hanolorana azy ao amin'ny parlemanta.
Lwanda Magere, injenieran'ny rindrambaiko niampanga ireo tompon'andraikitra ho mampiasa tetikadin'ny “dika petaka“:
Cyber Crime Bill Tanzania: copied and pasted, almost zero ability to implement.
— Lwanda Magere (@nndekindo) April 7, 2015
Lalànan'ny Heloka Antserasera ao Tanzania: natao dika-petaka, aotra ny fahaizana manatanteraka.
Nizara sary am-pamazivaziana ahitana ny isan'ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta izay nandany ny volavolan-dalàna ilay bilaogera Tanzaniana PATO:
These are your MPs that passed the #CyberCrimeBill y'day! Vote wisely in October fellas! pic.twitter.com/pEScSHYYPZ
— PATO♠️ (@PatNanyaro) April 2, 2015
Ireo ny solombavambahoakanareo izay nandany ny Lalàna momba ny Heloka Antserasera! Mahaiza mandanjalanja rehefa hifidy amin'ny Oktobra ry zalahy!
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...