Nanatontosa fihetsiketsehana tao amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto ao Bangladesh ny olona taorian'ny fametavetana sy fampijaliana ireo vehivavy maro tao amin'ny Oniversiten'i Dhaka nandritra ny fankalazana ny Taombaovao Bengali.
Tsy vitany hoe mampalahelo ny zava-nitranga ny harivan'ny 14 Aprily, 2015 tao Dhaka fa manafintohina ihany koa. Nampiseho vondron-dehilahy 30 hatramin'ny 40 misetrasetra sy mametaveta vehivavy manodidina ny 20 teo tao amin'ny zaridainan'i Shuhrawardy Udyan akaikin'ny faritra Foiben'ny Mpianatra sy ny Mpampianatra rehefa handeha hody any an-trano avy nankalaza ny Taombaovao ny lahatsarin'ny fahitalavitra amin'ny “fantsona mikombona” iray .
Niezaka niditra an-tsehatra ireo sasany nahita maso, iray amin'izany ilay mpikatroka Liton Nandi. Tapaka ny sandriny nandritra izany ary hoy izy tamin'ny bdnews24.com:
one woman fell down when the rouge youths started assaulting her and tried to take her clothes off in public. They started beating me when I tried to save her. I collapsed too and broke my arm during the attack.
Nianjera ny vehivavy iray raha nanomboka nisetrasetra taminy sy niezaka nanala ny ankanjony imasom-bahoaka ireo tanora jiolahimboto. Nanomboka nidaroka ahy izy ireo raha niezaka namonjy ilay vehivavy aho. Safotra koa aho ary tapaka nandritra ny fanafihana ny sandriko
Raha tsy nahita sy tsy nahasambotra na dia iray tamin'ireo nahavanon-doza aza ny mpitandro filaminana, nandinika lalina ny sary sy ny endrik'ireo mpanafika ny mpisera Facebook sy Twitter.
Tao amin'ny haino aman-jery sosialy, niparika ny lahatsary sy ny sary ahitana ireo olona maneho fahatezerana manoloana ny tsy fihetsehan'ny manam-pahefana sy ny tsy fandraisan'andraikitr'ireo nanatri-maso. Nandefa lahatsary misy feo, izay efa nojeren'ny olona maherin'ny 150 000 ilay olo-malaza Mumtaheena Buni Toya.
Pejy vondrona Facebook marobe no natsangana, anisan'izany ireo antsoina hoe ‘hok protirodh‘ (Andeha Hanohitra) sy ny Stand By Her, [Mijoroa eo anilany] mangataka amin'ireo vehivavy hitsangana hanohitra ny herisetra ara-nofo.
Manome Tsiny Ny Niharam-boina
Naneho ny fahasorenany tao amin'ny lahatsary Facebook amin'ny toe-tsaina tokony hanomezana tsiny ny vehivavy iharan'ny fanafihana i Aantaki Raisa:
“ও অমন কাপড় ক্যান পরছে? ওরা ওইখানে ক্যান ছিল? ইজ্জত বাঁচাইতে চাইলে অমন জায়গায় যাইত না।” ধর্নষকারীদের মধ্যে ভিক্টিম ব্লেমিং খুবই কমন মেন্টালিটি। ভিক্টিম ব্লেমিং জিনিসটা অনেকটা এরকম: ধরেন আপনার বাসায় ডাকাতি হইছে এবং মানুষ বলতিসে…ভাই এত দামী জিনিস ক্যান কিনসিলেন?টাকা পয়সা বাসায় ক্যান, ব্যাংকে সব রাখা উচিত, কার্ড ইউজ করবেন… ভাই বাসায় পুলিশ রাখলে এমন হইত না। ভাই এখানে ক্যান বাসা নিতে গেলেন? ডাকাতের কাছে নিজের সম্পত্তি হারায় এমন কথা শুনলে কেমন লাগতে পারে? ভাবেন একটা মানুষ যখন ধর্ষিত হয়, তার শরীরের সবচেয়ে সেনসিটিভ জায়গা যখন ক্ষতবিক্ষত হয়, তখন তাঁর এমন কথা শুনে কেমন লাগতে পারে। যখন রাস্তা ঘাটে অন্যের হাত এসে আপনার কাড়প টেনে ছিঁড়ে ফেলে, তখনই বা এমন কথা শুনলে কেমন লাগে?
“Nahoana no mitafy akanjo toy izao izy? Nahoana izy ireo no tany? Raha niahy ny voninahiny izy ireo dia tsy tokony nankany amin'ny toerana tahaka izany.” Zavatra mahazatra eo amin'ireo mpanolana izany - manome tsiny ny niharam-boina. Toy izaony lojikan'izy ireo: ohatra, voaroba ny tranonao ary mibedy anao ny olona noho ny fananana zavatra lafo vidy. Tokony tehirizinao any amin'ny banky ireo zava-tsarobidy rehetra .. karatra fakàna vola na fandoavam-bola ihany no ampiasao … tokony nanakarama mpiambina any an-trano ianao. Avy eo tohizan’izy ireo hoe .. nahoana no manofa trano eto amin'ity faritra tsy milamina ity ianao? Ahoana no fihetseham-ponao taorian'ny fandrobana ny fanananao? Ataovy sary an-tsaina fotsiny hoe voaolana ny tovovavy iray, maratra ny taova saropadin'izy ireo, ahoana no ho fihetseham-pon'izy ireo raha mahare lojika tahaka izany? Raha iharan'ny herisetra eny an-dalambe ny tovovavy ary rovitra ny fitafian'izy ireo, ahoana no fihetseham-pon'izy ireo raha milaza zavatra tahaka izany ianao?
Avy amin'ny vondrona mahery fihetsika ara-pivavahana, izay nahazo vahana tao Bangladesh tao anatin'ny taona vitsy ny sasany amin'ireo lahateny fanomezan-tsiny ny niharam-boina. Nilaza i Shafi Ahmed Shah, lehiben'ny vondrona Islamika fondamentalista Hefazat-e-Islam fa nitranga ny herisetra satria tsy maotina amin'ny fitafiany ireo vehivavy. Nanome tsiny ny fampianarana miaraka ihany koa izy ary nandrisika ny fisarahan'ny lehilahy sy ny vehivavy amin'ny toeram-pampianarana na ny toeram-piasana
Nanome tsiny ny herisetra ara-nofo amin'ny hafanam-po tafahoatra ara-pivavahana sy ny rafitra anjakazakan-dehilahy kosa ny lehiben'ny Vaomieram-pirenena misahana ny Zon'Olombelona ho setrin'izany.
Nilaza ny mpanoratra gazety zokiolona, Farzana Rupa fa nahazo fandrahonana ho faty avy amin'ny olona milaza ny tenany fa lefitry ny lehiben'ny fikambanana mpioko Islamika izy minitra fohy taorian'ny fandefasan'ny fahitalavitra Ekattor ny tatitrany momba ny fanafihana tamin'ny 18 Aprily. Nanadihady lahatsary maharitra adiny iray nalain'ny fahitalavitrairay ao amin'ny “fantsona mikombona” napetraky ny polisy tao amin'ny toeram-pianarana ilay fahitalavitra
Raha ireo mahery fihetsika ara-pivavahana no tena ao ambadik'ity fanafihana nomanina ity, dia tsy vao voalohany ny fetin'ny Taombaovao, izay lazaina ho mifanohitra amin'ny kolontsaina silamo no nanjary lasibatra. Tamin'ny 2001, namono olona sivy tao amin'ny renivohitra akaiky ny Oniversiten'i Dhaka ny fanapoahana baomba iray.