Tantara tamin'ny 03 Septambra 2014
‘Avy Ao Ambadiky Ny Kodiarana': Topimaso An’ Ireo Vehivavy Tavela Irery Ao Tajikistan, Nilaozan'ny Vadiny Nifindra Monina Any Rosia
"Behind the Wheel" dia horonantsary fohy iray miresaka mpifindra monina sy i Nigora, ilay vehivavy iray mahavariana, izay nitady vahaolana taorian'ny namitahan'ny vadiny azy, nohadinoiny ny fomba amam-panaon'ny mponina tao an-toerana nisy azy ka lasa nanamboatra ny simba amin'ny kodiaranà fiara izy.
Tovovavy Mpikatroka Ao Kyrgyzstan Tsy Lany Lohahevitra Horesahina
Manohy ny atrikasany ireo Tovovavy Mpikatroka ao Kyrgyzstan, amin'ilay tetikasa "Girls Activist" nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices ary mitrandraka ireo lohahevitra azo resahina ka tian'ireo mpandray anjara zaraina amin'ny alalan'ny bilaogy.
Sary Maromaro Mampiseho Ny Fiainana Ankoatra Ny Ady Sy Ny Voina Ao Palestina
Natsangana ny Olombelon'i Palestina hitarafana ireo nofinofin'ny Palestiniana sy ny andavanandron'izy ireo. Saingy hatramin'ny nisian'ny fanafihana, dia kendren'ny pejy ny hanarina ny maha-olombelona izay matetika voahosihosy, ka mametraka ny Palestiana ho isam-paty, anarana azo adinoina ary vatana may sy norasarasaina, fa tsy olona manana ny tiana, tantara, nofinofy ary faniriana
Hong-Kong: Misisika i Shina Hoe Mpirotsaka Mpomba an'i Beijing No Tokony Hisy Mba Hisian'ny Filaminan'ny Firenena
Nanambara i Li Fei, Kaomitin'ny Lalàna Fototr'i Shina, hoe "tokony ho olona tia tanindrazana ny olona misahana an'i Hong Kong", raha tsy izany, mety ho lasa antoko pôlitika iray tsy miankina mihitsy ny tanàna.
Surprising Europe, Tahala Miresaka Sy Misokatra Ho An'ny Mpifindra Monina
Sehatra an-tserasera mandray ny fijoroana vavolombelona sy ny lahatsarin'ireo Afrikana mpifindra monina. Tetikasa mihoatra ireo fitsaratsaram-poana sy mandrava ny rindrin'ny tsy fahalalàna mahazo azy ireo.
Rosia: Mpanankarena Mety Ho Lasa Olom-pirenena Mijaly Indrindra
Hatramin'ny nahatonga azy tao amin'ny lisitr'ireo voasazin'ny Amerikana, nihasarotra ny fiainan'i Gennady Timchenko, iray amin'ireo namana akaiky indrindra an'i Poutine. Fa manao hatrany an'i Rosia ho trano fonenany ilay mpanankarena mizaka ny zom-pirenena Finlandais, sady manana toerana ambony ao amin'ny fitondràna, .