Rosia: Mpanankarena Mety Ho Lasa Olom-pirenena Mijaly Indrindra

Gennady Timchenko, one of Russia's richest men and a close ally of Putin, got hit by American sanctions in March. Images mixed by Tetyana Lokot.

Gennady Timchenko, iray amin'ireo lehilahy mpanankarena indrindra ao Rosia ary namana akaikin'i Poutine, dia niharan'ireo sazy avy tamin'ny Amerikana ny volana Martsa. Sary natambatr'i Tetyana Lokot.

Hatramin'ny nahatonga azy tao amin'ny lisitr'ireo sazy Amerikana tamin'ny volana Martsa, nihasarotra ny fiainan'i Gennady Timchenko, olona ambony mifandray akaiky amin'ny fitondrana Rosiana ary iray amin'ireo olona akaiky indrindra an'i Poutine. Fa i Timchenko, olom-pirenena Finlandais ankehitriny, izay manana fandraharahàna sy tombontsoa ara-barotra any Eorôpa, dia milaza fa mbola raisiny ho toy ny tena trano fonenany hatrany i Rosia.

Betsaka ny zavatra lasa fantatr'izao tontolo izao momba an'i Gennady Timchenko, iray amin'ireo lehilahy mpanankarena indrindra ao Rosia, ary namana akaiky ny filoha Vladimir Poutine, tamin'ny tafatafany vao haingana famborahana ny zavatra rehetra (nadika tamin'ny teny Anglisy ato) niaraka tamin'ny ITAR-TASS. Nahafantatra ny momba ny alikany “Labrador” izahay (zanaky ny alikan'i Poutine mihintsy!), ny rakitry ny taokanto tena izy-n'ny Sosialista, ny tsy fahaizany mikirakira solosaina, ny zom-pireneny (Finland sy Rosia), ary ny hoe aiza ny andoavany hetra (Soisa sy Rosia). Nomena ny tatitra mazava tsara ny amin'ny hoe ahoana ny fiantraikan'ireo sazy avy amin'ny Etazonia amin'ny fiainan'i Mr. Timchenko ihany koa izahay. Ohatra, mitaraina izy fa tsy afaka nandoa ny fandidiana ao amin'ny lamosin'ny vadiny tany Soisa, satria nolavina ireo karatra fandoavany vola. Efa tsy nampiasa ny Visa sy ny Mastercard-ny intsony izy hatrizay, ary nanolo izany tamin'ny plastika avy any Shina. Tsy vonona ny hiala ao Rosia izy ka hiaraka amin'ny fianakaviany any Eorôpa, noho ireo “mety ho fihantsiana avy amin'ireo sampana miafin'i Etazonia.”

Fa tsy voahozongozona amin'ny fitiavam-pireneny mihitsy i Timchenko. Nanamafy izy fa tsy handaitra akory ireo sazy, izay antenain'ireo filohan'ny firenena tandrefana hanosika ireo Rosiana mpandraharaha hanery an'i Poutine mba hiala. Afaka esorina any izany “[Fanaporetana atao amin'i Poutine]. Mieritreritra ny momba ny tombontsoan'ny Rosia fotsiny i Vladimir Vladimirovich. Tapitra tanteraka. Tsy misy fifanarahana azo atao intsony aty. Ary tsy nandalo tao amin'ny fisainantsika [ mpandraharaha] akory ny hiresaka momba io [. . .] Adalàna ny fieritreretana fa hisy olona hampitahotra antsika na hanery antsika hihemotra amin'izany paikady izany.” Mba hampisehoany ny firaiketany amin'ny fanjakana Rosiana, ary raha hitarina dia hoe amin'i Poutine, nanambara i Timchenko fa tsy tena mila ireo vola an-davitrisany ireo akory izy sy ny vadiny. “Afaka miteny amin'ny anarako mazava tsara ary tena raikitra aho : raha ilaina izany, afaka homeko ny fanjakana daholo ireo. Na atao asa fanasoavana. Amin'izay mba mety hahasoa ireo.” Tian'i Timchenko ho fantatry ny olona fa na dia eo aza ireo fahasahiranany, mijanona ho olona tia ny firenena Rosiana izy.

Tsy mahagaga, nitarika ny olona haneho hevitra maro tamin'ny RuNet ny tafatafa niarahana tamin'i Timchenko. Tsy dia nisy nitsetra firy, mba tsy hilazana hoe zara raha nisy mihintsy.

Ivan Kolpakov, mpanolotra vaovao fahiny tao amin'ny Lenta.ru kosa, vao nahavaky ilay tafatafa, tonga dia namafy kiana mivaivay tao amin'ny Facebook, ary naka ho ohatra ilay tantara “Game of Thrones” (fiadiana satro-boninahitra vy) indraindray:

Утро напрочь испоганено ИТАР-ТАССом и Геннадием Тимченко — как будто говна поел, буквально. Вообще, мы живем в эпоху невероятного, поразительного по масштабам бесстыдства; где хочу пописаю, где хочу покакаю; какая-то бесконечная оргия в заповедном лесу [. . .] Самое неприятное в этой ситуации — ощущать себя Теоном Грейджоем, который попал в плен к жестокому психопату Рамси Сноу. Что этот изобретательный Рамси придумает сегодня или завтра — одному богу известно. В любом случае все мы уже Вонючки.

Tena nanimba tanteraka ny andro marainako mihintsy ny ITAR-TASS sy i Gennady Timchenko. Toy ny hoe tena mihinana tay ara-bakiteny mihintsy aho. Amin'ny ankapobeny, miaina anaty vanim-potoana mahazandana sy tsy dia misy henatra intsony isika. Manao ny malotoko eny amin'izay tiako hanaovana azy eny aho. Toy ireo karazana tsy fahalalana onona tsy misy fiafaràny atao ao anaty ala iray tsy azo aleha [. . .] Mahatsiaro tena toa an'i Theon Greyjoy aho no tena mahakamo amin'izao zava-mitranga izao, ilay nobaboin'ilay adala mahery setra, Ramsay Snow iny. Inona indray no hataon'io Ramsay tsy tampin-dalan-kaleha io androany na rahampitso—Andriamanitra ihany no mahalala izany. Amin'ny lafiny rehetra, Reek ( Fanamarihan'ny mpandika: mpiasan'i Ramsay ao amin'ny tantara) daholo isika.

Nandeha tao amin'ny Facebook ihany koa i Ekaterina Vinokurova, izay mpanoratra ao amin'ny Znak.com, mba hitondra ny heviny amin'ilay tafatafa sy izay rehetra nafongatra momba ny fifandraisan'i Poutine sy ny vondron'olona matanjaka eo amin'ny fitondràna ao Rosia:

Из интервью Тимченко мы должны понять, мне кажется, важную вещь.
Одним из важных пунктов госпропаганды все нулевые было сравнение с 90-ми, в частности – с “семибанкирщиной”. Путину ставили в заслугу “равноудаление” олигархов от власти и политики.
Из этого интервью мы видим, что ничегошеньки на смао деле не поменялось.
При Ельцине были Березовский, Гусинский, “семья” и прочая.
У Путина – Тимченко, Ковальчуки, Ротенберги.
[. . .]
А олигархат остался олигархатом.

Mieritreritra aho hoe mila mahalala zava-dehibe iray isika avy tamin'iny tafatafa natao tamin'i Timchenko iny. Fampitahàna hatrany tamin'ny taona 1990 no iray amin'ireo teboka lehibe tamin'ny fampielezan-kevitry ny fanjakana tamin'ny taona 2000, indrindra tamin'ny “Cabal of the Seven Bankers” (Famonoana Mpiasan'ny Banky Miisa Fito). Nahazo tombony i Poutine tamin'ny fametrahany ireo olona manam-bola aminà elanelana mitovy eo amin'ny fahefàna sy ny politika. Hitantsika avy amin'io tafatafa io fa tsy mbola nisy fiovana mihintsy.
Tao andamosin'i Yeltsin, nisy an'i Berezovsky, Gusinsky, ary “ny Fianakaviana,” etc.
Amin'izao i Poutine manana an'i Timchenko, Kovalchuk, sy ry Rotenbergs.
[. . .]
Dia mijanona eo amin'ny fitondràna foana ny fitondràna tarihan'ireo olona vitsy mpanambola.

Nahita ilay mpanao politika mpanohitra, Boris Nemtsov, fa nanao iny tafatafa iny ilay “tia tanindrazana” Timchenko, mba haka ny fon'i Poutine izay mikarakara sy manamboatra ny tetibolam-panjakana manaraka eo. Nanamarika izao tao amin'ny Facebook i Nemtsov:

[. . .]
Патриот имеет финское гражданство, а налоги патриотично платит в Швейцарии.
Сейчас из за санкций бедолага не может отдохнуть на Лазурном берегу, а дети вынуждены приезжать в Россию.. Какой кошмар! На какие муки обрекли патриота Тимченко проклятые американские супостаты !
Зачем Тимченко дал это интервью? Зачем кокетливо заявил, что в любой момент готов вернуть миллиардный бизнес государству? Моя версия- готовится очередной распил бюджетных средств на ЧМ-2018, на Крым и инфраструктуру. Нужно глубоко и сладострастно лизнуть, чтобы конкуренты- Ротенберги, Ковальчуки, Чемезовы не опередили. Так что ничего личного.
Только распилы, только бизнес..

[. . .]
Manana zom-pirenena Finlandais ilay tia tanindrazana, ary mandoa ny hetrany any Soisa amin'ny maha tia tanindrazana azy.
Ankehitriny, noho ireo sazy, tsy afaka makamaka aina eny amin'ny morontsirak'i Azora ilay lehilahy mampalahelo, ary tsy maintsy mankany Rosia ireo zanany. Nofy ratsy re izany! Nanameloka an'ilay tia tanindrazana Timchenko amin'izany lazainy fa fijaliany izany ireo fahavalon'ny Amerikana voaheloka hijaly mafy!
Nahoana no nanao iny tafatafa iny i Timchenko? Nahoana no miteny miholakolaka tsy mazava tsara hoe homeny ny fitondràna ny fandraharahàny mitentina an-davitrisany dolara vao misy zavatra kely miseho? Izao no fahitako azy : Mikarakara ny tetibolan'ny Fiadiana Ny Amboara Erantanin'ny Baolina Kitra amin'ny taona 2018 ary ny fotodrafitrasa any Crimea izy.  Mila misolelaka mafy sy mitsiriritra fatratra ianao, amin'izay ireo mpifaninana —ry Rotenbergs, ry Kovalchuks ary ry Chemezovs— tsy lasa alohanao. Noho izany , tsy misy resaka manokana io.
Resaka kolikoly fotsiny io, resaka faandraharahàna fotsiny…

Nanadrohadro an'i Timchenko, ilay martiora, i Ilya Yashin, mpikatroka mafana fo avy amin'ny mpanohitra, ary mpanao politika. Nandefa hafatra fohy toy izao izy:

Ilay maritiora-mpanambola sy mitantana ny firenena, Timchenko: Nanasaraka azy tamin'ny alika tiany indrindra ireo sazy. Ary nanao an'i Rosia ho fonenany hatrany ilay olom-pirenena Finlandais.

Toy izany koa, nihomehy ireo fanambaràna fitiavan-tanindrazan'i Timchenko i Andrey Konyaev mpanao gazety:

Mandresy lahatra antsika ilay olom-pirenena Finlandais fa mijaly ho an'i Rosia ny fanahiny. Indrindra moa fa amin'izao manaporitra [azy] azy izao ireo sazy.

Mafy tokoa ny fiainana miaraka amin'ireo sazy avy amin'ireo firenena tandrefana ho an'i ramose Timchenko. Ary mitomany ho azy ny RuNet.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.