Hatramin'ny nanangan'i Brandon Stanton ny pejin'ny Humans of New York “Olombelon'i New York” (HONY) malaza dia malaza tamin'ny Novambra 2010 ity, dia pejy an-jatony manerana izao tontolo izao ihany koa no nitsangana taorian'izany. Somary tsotra ny lohahevitra izay saiky mitovy avokoa ao amin'ny pejy rehetra: mpaka sary na vondrona mpaka sary manodidina ny faritra, tanàna ambanivohitra, tanàndehibe na firenena ary manolotra fanontaniana hoan'ireo olona miaraka amin'ny sary mendrika ho tsarovana.
Nipaka manerana ny vazantany efatry ny planeta ny tetikasa, Rio De Janeiro ka hatrany Tehran, manavatsava ny ankamaroan'ireo firenena ao Azia, Afrika, Eoropa ary Amerika. Tsy tsikaritra avy hatrany ny fitombon'ny fanentanana ataon'ny tetikasa, araka ny nolazain'ilay mpaneho hevitra iray tao amin'ny sarin'ny HONY vao haingana: “Miandry fatratra izay sary mivoaka isan'andro aho amin'izao fotoana izao. Manavao indray ny fitokisako amin'ny mahaolombelona izy ireo” Nahazo tiako maherin'ny 7.000 izany fanehoa-kevitra izany.
Ao amin'ny sisintany Palestiniana voabodo, ilaina tokoa ny fananganana fanentanana. Ary izany indrindra no kinasan'ny “Olombelon'i Palestina“. Raha nanontany an'i Jafar Zuabi, iray amin'ireo mpikambana ao amin'ny ekipan'ny Olombelon'i Palestina ny Global Voices, mba hamaritra ny hevitra ambadiky ny Olombelon'i Palestina, dia hoy izy:
Humans of Palestine was created to reflect the dreams of Palestinian people and their daily lives. But since the offensive started, the page aims at restoring the humanity that is often stripped away when Palestinians are reduced to calculative deaths, forgettable names, and burned and mutilated bodies, rather than people who shared loved ones, stories, dreams and aspirations.
Natsangana ny Olombelon'i Palestina hitarafana ireo nofinofin'ny vahoaka Palestiniana sy ny fiainana andavanandron'izy ireo. Saingy hatramin'ny nisian'ny fanafihana, dia kendren'ny pejy ny hanarina ny maha-olombelona izay matetika voahosihosy, ka mametraka ny Palestiana ho isam-paty, anarana azo adinoina ary vatana may sy norasarasaina, fa tsy olona manana ny tiana, tantara, nofinofy ary faniriana.
Mijoro amin'ny karazan'endriky ny HONY amin'ny filazalazana momba ny Palestiniana sy an'i Palestina ary ireo any ampielezana sy ireo lasa nifindra monina ny pejy izay manana mpanjohy mihoatra ny 22 000 ao amin'ny Facebook sy 7500 ao amin'ny Twitter. Hita tokoa moa ny ekipan'ny Olombelon'i Palestina fa mitantara an'i Gaza, ny Morondrano Andrefana, Israely, ny tobim-pialokalofan'ny Palestiniana manerana ny Tontolo Arabo ary ny Palestiniana ampielezana.
Ahoana ny fomba fiasany? Mamaly i Jafar:
We at Humans of Palestine work as a team of five: The founder of the page, Anas Hamra from Gaza; We'am, Haneen and myself from Ramallah; and Niraz from the Yarmouk Refugee Camp in Syria.
Ekipan'olona dimy izahay ato amin'ny Olombelon'i Palestina: Ny mpanangana ny pejy, Anas Hamra avy ao Gaza; We'am, Haneen ary izaho avy ao Ramallah; ary i Niraz avy ao amin'ny Tobim-Pialokalofan'i Yarmouk ao Syria.
Namarana ny resadresakay ao anatin'ny fijerena lafitsaran-javatra izahay :
We think we are making a difference. Our message is reaching the Arab and the western countries more and more every day.
Mieritreritra izahay fa eo ampanatanterahana zavatra hafa. Mihamahatratra ny firenena Arabo sy Tandrefana isan'andro hatrany hatrany ny hafatray.
Indreto ary sombintsombin'ny sary zaraina ao amin'ny pejy: