Hong-Kong: Misisika i Shina Hoe Mpirotsaka Mpomba an'i Beijing No Tokony Hisy Mba Hisian'ny Filaminan'ny Firenena

Civic group, Occupy Central with Love and Peace, organized a public event, “Hike for Democracy”, to express the pan-democrats’ determination to struggle for geniune democracy in Hong Kong. Photo by PH Yang, non-commercial use.

Nikarakara hetsika “Diabe Ho an'ny Demôkrasia” ho an'ny daholobe ny fikambanana olom-pirenena ‘Bodoy am-pitiavana sy am-pilaminana ny Afovoany (Occupy Central)’ , mba hanehoany fahavononan'ireo mpampivondrona ny demôkraty hiady ho an'ny demôkrasia tena izy ao Hong Kong. Sary avy tamin'i PH Yang, tsy ampiasaina amin'ny varotra.

Raha mbola manohy manao tsindry, mba hahazo anjara fitenenana bebe kokoa amin'ilay fifidianana ny ho mpitarika ny tanàna ireo mpikatroka mafana fo mitaky ny demôkrasia any Hong Kong ; efa nanakatona ny adihevitra momba io resaka io kosa ireo mpiasam-panjakana ambony any amin'ny taniben'i Shina, nanamafy fa ho an'ny fandriampahaleman'ny firenena no nanaovana ireo famerana napetraka amin'ny latsabato ireo .

Napetraka ho afaka hifidy mivantana voalohany ny lehibe mpanatanteraky ny tanàna i Hong Kong, faritra manana rafi-pitantanana manokana any Shina, izay hatao ny taona 2017, fa miteny kosa i Beijing fa tsy maintsy eken'ny kaomity voatendry ireo kandidà mirotsaka ho fidiana. Manahy ireo mpiaro ny Demôkrasia fa tsy hanana hisafidianana afa-tsy ny kandidà mpomba an'i Beijing i Hong Kong, izay mifanohitra amin'ny tanjon'ilay fifidianana. 

Ny herinandro lasa teo, nihaona tamin'ireo mpanao lalànan'i Hong Kong tao amin'ny tanànan'ny tanibe Shenzhen mikasika ny fanovàna ny fizotry ny fifidianana ao amin'ny tanàna, ny filohan'ny Kaomitin'ny Lalàna Fototr'i Shina. Tao amin'ny zaikabe, niteny i Li hoe “tokony ho olona tia tanindrazana no olona mitantana an'i Hong Kong” raha tsy izany dia mety ho lasa antoko pôlitika tsy miankina ny tanàna.

Nanamarika eo ankilany i Siu Sin-por filohan'ny ‘Hong Kong Central Policy Unit’, fa satria i Shina mametraka fitantanana manana antoko tokana ihany, noho izany, mitovy amin'ny fandriampahaleman'ny fitarihan'ny Antoko Kaomionista Shinoa ny hoe fandriampahaleman'ny firenena. Araka izany, tsy hanaiky ny hisian'ny olona miady ho an'ny fanjavonan'ny fitondran'antoko tokana hirotsaka hofidiana ho lehiben'ny mpanatanteraka eo amin'ny tanàna ny governemantan'i Beijing .

Nanome tsiny ny fomba fijerin'ny governemantan'i Beijing, tao amin'ny vohikalan'ny hetsika i Benny Tai, iray amin'ireo lehiben'ny ‘Occupy Central with Love and Peace’, hetsi-panoherana iray mieritreritra ny hanao fitorevahana lehibe ao amin'ny faritra misy ireo fikirakiràna ara-bola ao Hong Kong, raha tsy avela mifidy ny kandidà ireo olom-pirenena. Notanisainy ny lalàm-panorenan'ny tanàna izay fantatra amin'ny hoe Lalàna Fototra :

《基本法》其實已為國家安全給了法律上的定義,那就是二十三條的規定。威脅國家安全的行為就是叛國、分裂國家、煽動叛亂、顛覆中央人民政府及竊取國家機密的行為。按這些理解,我們會問特首是經過一個無篩選提名的選舉辦法由港人一人一票選出,如何會威脅到國家安全呢? […]

無論由誰來當特首,他也只能按着《基本法》的規定行使權力,而特首只負責香港的內部事務,而中央政府是保留着國防及外交的權力,權力界線清楚,特首根本不能在其職務範圍內做任何事威脅國家安全。若特首超出了其職權範圍,即使沒有做任何威脅國家安全的事,只要有充份證據,中央政府也可把他罷免,更不要說他做了一些威脅國家安全的事

Manana ny famaritana mazava tsara ny “fandriampahaleman'ny firenena” ny “Lalàna Fototra” ao amin'ny andininy faha 23. Ireo zavatra mandrahona ny fandriampahaleman'ny firenena dia ny famadihan-tanindrazana, fisaratsarahan'ny firenena, fikomiana, fifandirana amin'ny rafitra napetraky ny goveremanta foibe ao Shina, ary ny fangalarana ireo tsiambaratelon'ny firenena. Araka io famaritana io, nahoana ny fifidianam-bahoaka, tsy misy fanivanana mialoha avy amin'ireo mpametraka ny olona hosafidiana amin'ny fifidianana ny lehiben'ny mpanatanteraka no handrahona ny fandriampahaleman'ny firenena ? […]

Tokony manaraka ny Lalàna Fototra izay handray ny toeran'ny lehiben'ny mpanatanteraka eo, amin'ny fampiharana ny fahefana. Tompon'andraikitry ny raharaha anatiny ihany ny lehiben'ny mpanatanteraka, ary mitazona ny fahefana eo amin'ny tafi-piarovana sy ny diplômasia ny governemanta foibe. Mazava ny rafitra. Tsy misy idirany amin'ny fandriampahaleman'ny firenena mihitsy ny asan'ny lehiben'ny mpanatanteraka. Raha mihoatra ny fahefany ny lehiben'ny mpanatanteraka, ka ahitana porofo mazava tsara, afaka esorin'ny governemanta foibe izy, na dia tsy mametraka rahona ho an'ny fandriampahaleman'ny firenena aza.

Mba iantohana tsara fa ho olona tia tanindrazana ireo olona hofidiana ho lehiben'ny mpanatanteraka, te-hametraka rafitra sivana mialohan'ny fifidianana ny governemantan'i Beijing, izany hoe tokony hahazo mihoatra ny 50 isanjaton'ny vaton'ny kaomity mpanendry ireo rehetra hirotsaka hofidiana, mba ho lasa kandidà eken'ny fanjakana. Miatrika fivoriana any Beijing izao ny kaomity maharitry ny ‘National People Representative Conference’ (Kaonferansa Misolo Tena Ny Vahoakam-pirenena), ary azo heverina fa hiaro mafy ny heviny izy ireo mikasika ireo lalàm-pifidianana ao Hong Kong itakiana ny hoe sivanina ary ekena mialoha ny tena fifidianana ireo kandidà, .

Nino i Benny Tai fa ny rafitra tahàka izany indrindra no hanimba ny fandriampahaleman'ny firenena, satria mety hamilivily ny fananganana ilay kaomity mpanivana ny governemanta foibe, mba hiantohany fa ho azony fehezina ny 50 isanjaton'ny vato. Hampisy fifandirana eo amin'ny holafitra samihafa io fizotry ny dingana familiviliana/fanodinkodinana io. Nanamarika izy fa misy sosokevitra voasaina tsara, naroson'ireo manampahaizana amin'ny lalàna sy ireo mpanao politika mpomba ny governemanta:

其實要防止威脅國家安全的人成為候選人,已有人提出了一些更聰明及更有效率的方法。香港大學法律學院前院長陳文敏教授建議引入品格審查的制度,以保證候選人品格操守。審查是沿用目前高官及問責官員的品格審查機制。早在今年五月全國政協常委胡定旭先生曾建議提委會設「反對機制」,規定如有百分之三十委員提出反對某參選人參選,而又獲得百分之六十委員通過,該參選人必須退出。

Mba hanakànana ireo rehetra manohintohina ny fandriampahaleman'ny firenena tsy hihazakazka hofidiana ho lehiben'ny mpanatanteraka, nisy ireo nandroso sosokevitra voasaina tsara. Nanome hevitra ny hanasiana fanadihadiana ny resaka fahamendrehana i Joseph Chan, filoha fahiny tao amin'ny Sekolin'ny Lalàna tao amin'ny Anjerimanontolo tao Hong Kong, mba hiantohana fa tsy misy ahiana ny fomba fisainana sy ny fitondrantenan'ireo kandidà. Efa mipetraka ny fanadihadiana ny fahamendrehana ho an'ireo mpiasam-panjakana ambony ao amin'ny governemanta. Anthony Wu, mpikambana ao amin'ny Kaonferansa Fakàn-kevitra Ara-politikan'ny Kaomitim-Pirenen'ny Vahoaka Sinoa, nanome hevitra ny “hanaovana latsabato fitsipahana io rafitry” ny kaomity mpanendry io — raha 30 isanjato na mahery no tsy mifidy ilay mety ho atao ho kandidà, ary “raha tohanan'ny 60 isanjaton'ny mpikambana na mahery ny hanohitra ilay sosokevitra, tokony hiala amin'ny firotsahany hofidiana ilay kandidà.

Niray hevitra tamin'i Benny Tai, i He Weifang, mpampianatra lalàna ao amin'ny Anjerimanontolon'i Beijing, ary nanoratra tao amin'ny Sina Weibo, ilay sehatra malaza mpanome tolotra toy ny Twitter (efa nofafàna ny lahatsorany; ito ambany ito ny dika mitovy nalaina tamin'ny tatitry ny BBC amin'ny fiteny Sinoa):

依據基本法,香港特首除年齡國籍規定外,只有47條規定的『廉潔奉公,盡忠職守』,愛國愛港並不在其中,人大提出此要求合否基本法存疑。

Araka ny Lalàna Fototra, toy izao ny zavatra takiana amin'ny lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong, fanampin'ny fizakàna ny zom-pirenena sy ny taona, voalaza ao amin'ny andininy faha 47: “[ny lehiben'ny mpanatanteraka] dia tokony ho olon'ny fahamendrehana ary mifantoka amin'ny andraikiny”. Tsy misy  fepetra voasoratra tahàka izany hoe “tia ny firenena ary tia an'i Hong Kong”. Tsy mitombina tsara araka ny lalàna ilay fitakiana naroson'ny Kaonferansa Misolo Tena Ny Vahoakam-pirenena.

Ninoan’i Chik Punshing, mpitoraka bilaogy ao amin'ny sehatry ny median'ny olom-pirenena inmediahk.net, fa entina hiarovana ny tombotsoan'ireo mpitondra ambony fotsiny ilay resaka tsara lahatra momba ny “fandriampahaleman'ny firenena”:

說穿了,「國家安全」只是一個幌子,調動盲從者民族主義的情緒,好讓操控特權可以經由提名制度的框框,緊握在當權者手中。這也是同樣明顯的道理:若說操縱,三百萬人當然不比一小撮人容易,公開當然不比密室容易。[…]

說穿了,「國家安全」的借口背後其實就是「利益集團」,甚至不是黨,更莫說是國。操控了特首選舉,就是操控了政府;操控了政府,就是操控了利益分配的權力。請看新界東北,請看龍尾,請看西九,請看高鐵,請看大嶼山,當然,有朝一日,這裡被剝削殆盡後,紅色甚至黑色的資本只會不顧而去,才不會跟你談甚麼「愛國愛港」呢,簡直就是活脫脫的感情騙案。
[…] 中央掌權的利益集團知道得最清楚,感受也最深,遠的不說,近年的薄熙來、周永康、徐才厚,更不必再細數由此牽連開去的。

Fandrebirebena entina hisintonana ireo fihetseham-po amin'ny fitiavan-tanindrazana fotsiny ilay hoe fandriampahaleman'ny firenena. Hanampy ireo olona ambony eo amin'ny fitondrana io mba hahafahany manao ireo kaomity mpanivana ho saribakoly. Mazava ho azy fa mora kokoa ny manodinkodina vondron'olona vitsy noho ireo mpifidy miisa 3 tapitrisa. Ary mora kokoa ny manodinkodina anaty trano mikatom-baravarana tsy hitan'ny olona, noho ny fanodinkodinana misokatra ety ivelany. […]

Misy tombotsoa lehibe ho azy ireo eo ankilan'ilay resaka fialantsiny hoe fandriampahaleman'ny firenena. Tsy misolo tena ny firenena, na ny Antoko Kaomionista Sinoa akory izy ireo. Raha vao mahavita manodinkodina ny fifidianana izay ho lehiben'ny mpanatanteraka izy ireo, dia afaka hifehy ny governemanta sy ny fitsinjaram-pahefana koa. Jereo fotsiny ireo Faritany Vaovao any Avaratra-atsinanana, ny morontsiraka Lungmei, ny distrikan'i West Kowloon, ny lalàmby haingam-pandeha, ny nosy Lantau [naoty: tetikasa fampandrosoana misy resabe daholo ireo ohatra notanisaina ireo]. Indray andro, rehefa azony ny mamy rehetra [avy amin'ireo tetikasa fampandrosoana], ny renivola, na mena na mainty no tafajanona eo tsy maninona, hiala fotsiny ry zareo. Tsy misy miraharaha ny momba ny “fitiavana ny firenena sy ny fitiavana an'i Hong Kong” izany ireo. Sahala amin'ny fandrebirebena ara-pihetseham-po ny zavatra rehetra.

[…] Mahafantatra tsara ny fandehan-javatra ireo manampahefana any amin'ny Shina foibe, jereo fotsiny ireny famoretana maro vao haingana nahazo an'i Bo Xilai, Zhou Yongkang, Xu Caihou, ary koa ireny tambajotra feno kolikoliny ireny [samy nilaza ho tia firenena daholo izy rehetra ireny].

Nandritra izany, nianiana ireo mpanao lalàna mpiaro ny demôkrasia fa hifidy ny TSIA izy ireo amin'ny tetikasa fanovàna ny governemantan'i Hong Kong, raha toa ka ampiasaina ny fanivanana mialoha amin'ny fifidianan'ny vahoaka manontolo. Nandritra ny faran'ny herinandro, nanatrika ny “Diabe ho an'ny demôkrasia” izy ireo (jereo ny sary ery ambony) mba hanehoana ny fahavononany hiady hisian'ny demôkrasia tena izy ao Hong Kong.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.