Tantara tamin'ny 08 Janoary 2014
Taonan'ny Fanentanana Ho An'i Iran
Velona tsara ny fanantenana ao Iran amin'ny fanatsarana ny toe-draharaha ho an'ny olom-pirenena namana. Indreto ny sasantsasany tamin'ny fanentanana nozohiantsika tamin'ny 2013.
Zavona sy Haiyan: Ireo Loza Nahafaty Tao Azia Atsimo Atsinanana Tamin'ny 2013
Ny fandrakofan'ny Global Voices ny halotoan'ny zavona nihoatra ny sisintany tany Singapore, Malezia, ary Indonezia; sy ny fiantraikan'ilay rivodoza mahery vaika Haiyan mahafaty tany Filipina tamin'ny 2013.
Rosiana Natao Andevon'ny Filàna Ara-Nofo, Namono Tena Tao Astrakhan

Tsy nisy nahita an'i Borisenko indray raha tsy ny 1 Janoary 2014, rehfa nipoitra tampoka tao an-tranon'ny renibeny izy, nahia kaozatra, tsy nisy zaza, sy verivery saina, ary nilaza fa enim-bolana no niadiany aman'aina tamin'ny naha-andevon'ny filàna ara-nofo azy
‘China New York Times'? Tonga Soa Amin'ny Nofinofin'Ilay Mpanakarembe Chen Guangbiao
"Raha tsy manana finoan'ny fahafahana Amerikana moa ny New York Times dia mbola ho New York Times ihany ve??"
Mandinika Ny Lova Navelan'i Nelson Mandela Tao Azia Atsimo
"Mbola mila mianatra be dia be amin'ny mahaolompanjakana, ny fahadiovam-panaony ary ny tsy fananany nofinofy politika tiany ho tanteraka ho an'ny tenany ao amin'i Mandela ny mpitondra Nepaley."
Lazao Hoe Inona?! Habaka Manangona Resa-Pankahalàna Hisorohana Fandripaham-Bahoaka

Ny Hatebase dia fanangonana sy fandaminan'olona maro ireo karazan-dresaka fankahalana avahana araka ny toerana, karazany, fiteny ary ny fotoana nampiasana azy farany [nametrahana fanamarihana taminy], mba hamantarana izay fifanenjanana mitranga any amin'ny vondrona any... iray amin'ny famantarana izay fandripaham-bahoaka hoavy.
Podcaster (Mpandray Feo) Asongadina: Jigme Tshewang

Niresaka ary nahafantatra an'i Jigme Tshewang ny Rising Voices, mpandray feo vaovao ary anisan'ny tetikasa nokarakarain'ny Foibe Bhutan Hoan'ny Media sy ny Demaokrasia, ary tohanan'ny RV ara-bola. Vakio ireo fijerin'i Jigme mikasika ity karazana fitantarana nomerika ity.