Mandinika Ny Lova Navelan'i Nelson Mandela Tao Azia Atsimo

Nelson Mandela 1918-2013. Cartoon by Bryant Arnold. Free for use.

Nelson Mandela 1918-2013. Sarintanan'i Bryant Arnold. Malalaka ny fampiasana azy.

Tamin'ny fiandohan'ny volana (desambra) no nodimandry ilay maherifon'ny fanoherana ny apartheid sady filohan'i Afrika Atsimo mainty hoditra voalohany, ka namela izao tontolo izao hisaona. Mahatsiaro ity olom-panjakana tiam-bahoaka ity amin'ny fombany manokana ihany koa ny vahoaka any amin'ny firenen'i Azia Atsimo.

Vao nahavita hatramin'ny farany ny fifidianana ny tao Nepal, taorian'ny korontana politika naharitra taona maro. Saingy mbola mampatahotra ny maro hatrany ny fomba fitarihan'ny mpitondra (ny fahaizan'ny mpitondra). Nanoratra ilay bilaogera mpanao satira an'eso Nepaley Guffadi :

In the past sixty years, we have seen hundreds of clowns who have been offered opportunities to govern this country. But they all turned out to be false prophets who only enriched themselves and their families instead of helping the common folks.

How long will we have to wait for honest leaders to lead us to the Promised Land?

We are still waiting for our Truth and Reconciliation Commission. Why is it difficult for our Emperor and his courtiers to admit their crimes publicly and ask for forgiveness? Our security forces should do the same as well.

Tao anatin'ny 60 taona farany isika nahita mpanao hatsikana an-jatony navela hanararaotra hitondra ity firenena ity. Saingy lasa nivadika ho mpaminany sandoka izay mampanankarena ny tenany sy ny fianakaviany daholo izy rehetra fa tsy nanampy ny olon-drehetra.

Hatramin'ny oviana isika no hiandry mpitondra [mpitarika] tsotra sy marina hitondra antsika any amin'ny Tany Nampanantenaina?

Mbola miandry hatrany ny Vaomieran'ny Fahamarinana sy ny Fampihavanana isika. Fa maninona moa no sarotra ho an'ny Amperorantsika sy ireo mpanompony ny miaiky ampahibemaso ny heloka bevava vitany ka mangataka famindram-po? Tokony hanao izany ihany koa ny mpitandro ny filaminantsika.

Asongadin'i Indra ny lahatsoratr’i Gopi Chandra Kharel tao amin'ny International Business Times, izay nanandrana nampifandrohy an'i Mandela amin'i Nepal, izay firenena 9.213 km avy ao Afrika Atsimo:

Nepali leaders have a lot to learn from Mandela's statesmanship, integrity, and lack of political ambition. His ability to cooperate with even his opponents is a pointer to us during the constitution making process. – Jayaraj Acharya, Nepal's former ambassador to the United Nations

Mbola mila mianatra be dia be amin'ny mahaolompanjakana, ny fahadiovam-panaony ary ny tsy fananany nofinofy politika tiany ho tanteraka ho an'ny tenany ao amin'i Mandela ny mpitondra Nepaley. Ny fahafahany miara-miasa eny fa na dia amin'ireo mpifanandrina aminy aza dia efa famantarana ho antsika nandritra ny fotoana namolavolana ny lalampanorenana. – Jayaraj Acharya, Ambasaderan'i Nepal teo aloha teo anivon'ny Firenena Mikambana

Ny Bilaogera Passu avy any Bhutan nampitaha an'i Mandela tamin'i Zhabdrung Rinpoche, mpanangana ny fanjakana Bhotaney:

Zhabdrung lived four hundred years before Mandela yet there is something so common between the two- Zhabdrung unified Bhutan as a nation state while Mandela unified different races to make South Africa one strong nation. Zhabdrung fled to Bhutan to escape arrest in Tibet where he was supposed to be the rightful leader. But after he became powerful in Bhutan he never sought vengeance against people in Tibet who wronged him, just as Mandela reconciled with people who imprisoned him 27 years.

Today, when Mandela dies I am reminded of Zhabdrung's death.

Niaina efajato taona talohan'i mandela i Zhabdrung nefa dia maro ny zavatra tena iraisan'ireo olona roa voatonona ireo- Zhabdrung nanambatra an'i Bhutan amin'ny maha-fanjakana azy raha nampiray ny foko samihafa nahatonga ny fananganana firenena iray matanjaka ao Afrika Atsimo i Mandela. Nandositra fisamborana tany Tibet izay noheverina ho nananany zo feno maha-mpitondra azy i Zhabdrung ka nankany  Bhutan. Fa rehefa lasa matanjaka izy tany Bhutan dia tsy nitady valifaty na oviana na oviana tamin'ny mponin'i Tibet izay nandiso azy izy, tahaka an'i Mandela izay nihavana tamin'ny vahoaka izay nanagadra azy nandritra ny 27 taona.

Ankehitriny, raha nodimandry i Mandela dia nahatsiaro ny fahafatesan'i Zhabdrung aho

Avy any Sri Lanka i Asanga Welikala no nanoratra tao amin'ny Groundviews:

The freedom from fear imbued Nelson Mandela’s personal conduct and political creed throughout his life, and it is the leadership attribute that ensured a plural and inclusive constitutional democracy in his motherland. It is unfortunately not an example that many Asian and African leaders have had the will, the capacity or the character to follow.

Ny fahafahana tsy manan-tahotra nanenika ny fitondra-tenan'i Nelson Mandela sy ny fandresen-dahatrany ara-politika nandritra ny fiainany, ary ny fahaizany mitarika nananany no nahafahany niantoka [nanangana] ny demokrasian'ny lalampanorenana manaja ny fijoroan'ny antoko maro sy andraisan'ny rehetra anjara. Indrisy anefa fa tsy ohatra ho an'ny mpitondra Afrikana sy Aziatika izay manana fahafahana, hery, toetra hanarahana izany.

Ao amin'ny Groundviews ihany i Sunanda Deshapriya nandrafitra taratasy misokatra noforonin'ny saina fotsiny lazaina fa  nalefan'i Mandela ho an'ny Filoha Sri Lankey Mahinda Rajapakse amin'izay antenainy avy amin'ny filoha:

At times I wonder what do you have to learn form us when you have become a strong defender and a close friend of President Mugabe of Zimbabwe, who has made himself president for life, in practice. His path was completely different to ours and laden with violence. Another disappointing news is your close relationship with the king of the Swaziland, a most backward country in Africa. If you have chosen to follow the examples of Zimbabwe and Swaziland, there is nothing we can offer you.

Indraindray aho manontany tena amin'izay nianaranao avy aminay rehefa lasa mpiaro fatratra sy namana akaikin'i  Mugabe filohan'i Zimbabwe ianao, izay nanondro ny tenany ho filoha mandra-pahafatiny, raha jerena amin'ny ataony. Tena hafa tanteraka amin'izay alehanay ny lalany ary feno herisetra. Ny vaovao hafa mandiso fanantenana indray ny fifandraisanao akaiky amin'ny mpanjakan'i Swaziland, iray amin'ny firenena tratra aoriana indrindra eto Afrika. Raha nisafidy ny hanaraka ny lalan'i Zimbabwe sy Swaziland ianao dia tsy misy na inona azonay atolotra ho anao

Teeth Maestro avy any Pakistan nieritreritra fa tsy maro ny mpitarika no mitrandraka ny fandriampahelamana manoloana ny fisaritahana:

Surprisingly as similar to Mandela being labelled by his right-wingers as Terrorist Mandela, Khan is similarly painted as Taliban Khan mostly by his opponents, predominantly settled on the left-wing. Such resistance, is in my opinion, merely because driven by his opponents who see these “peace talks” attempts to disrupt their own established control on Pakistan. The name calling will never stop true genuine leaders, in fact, it is in the face of such adversity that actually drives them harder to continue their struggle for whats best for their country – Peace

Mahagaga fa tahaka ny anondroan'ny olon'ny elatra havanana an'i Mandela ho Ilay Mpampihorohoro Mandela, Khan dia lokoin'ny mpanohitra azy amin'ny ankapobeny ho Taliban Khan, izay avy amin'ny elatra havia ny ankamaroany. Araka ny fihevitro, izany fijoroana izany dia setriny avy amin'ireo mpifanandrina aminy izay mahita ny fiezahana hisian'ny “fifampiresahana ho amin'ny fandriampahalemana” ho fitadiavana handravana ny finiavan-dry zareo hifehy an'i Pakistan. Tsy hahasakana ny tena mpitarika mihitsy ny fiantsoana ireny karazan'anarana ireny, raha ny marina, fa eo anatrehan'ny fifanandrinana no tena iezahan-dry zareo manohy ny tolona mafy kokoa ho amin'ny tsara indrindra hoan'ny tanindrazany – Ny Fandriampahalemana.

Tamin'ny 1990 ny governemanta Indiana no nanolotra mariboninahitra ambony indrindra fanome ny sivily, ny Bharat Ratna (Vatosoan'i India). Tamin'ny fahafatesany dia nanambara ny androm-pisaonana dimy andro manerana ny firenena ho an'i Mandela i India. Hajain'ny maro tokoa izy eto amin'ny firenena, saingy toa mbola misy tsy nahita ny sariny hatrizay niainany ny sasany. Nisioka ny poety, bilaogera sy mpitsikera an'eso Farrukh Hossaini:

Ity afisy lehibe ao Tamil Nadu #India ity dia manome voninahitra an'i Morgan Freeman fa tsy #NelsonMandela

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.