Zavona sy Haiyan: Ireo Loza Nahafaty Tao Azia Atsimo Atsinanana Tamin'ny 2013

A Malay couple wears a face mask while celebrating their wedding day during haze in Muar, in Malaysia’s southern state of Johor bordering Singapore. Photo by Lens Hitam, Copyright @Demotix (6/22/2013)

Maleziana roa mpifankatia mitondra aron-tava raha nankalaza ny andro fampakarambadian'izy ireo nandritry ny zavona matevina tao Muar, any amin'ny fanjakan'i Johor ao atsimon'i Malezia manamorona an'i Singapore. Sary an'i Lens Hitam, Fizakàmanana @Demotix (6/22/2013)

Ho tsarovana toy ny taonan'ireo loza mamatsiravina tao Azia Atsimo ny 2013. Fandrarahana solitany an-dranomasina, fiparitahan'ny bemangovitra, ireo horohorontany, ny fahasimban'ireo harandriakan’ akoran-dranomasina, lozam-pifamoivoizan'ny fiara fitaterana, tafio-drivotra arahin-kavandra, sy ireo tondradrano marobe nandrava ireo tanàna maro tao amin'ny faritra. Saingy ireo loza roa lehibe indrindra nandritra ity taona ity dia ilay halotoan'ny zavona izay nandrakotra ny lanitr'i Singapore, Malezia, ary Indonezia; sy ilay rivodoza mahery vaika Haiyan (Yolanda) izay nikapoka ny faritra afovoan'i Filipina.

Niteraka ny fidinan'ny soson-javona matevina tao Singapore sy ireo faritra maro tany Malezia ireo doro ala tany Sumatra, Indonezia ny Jona lasa teo. Raha marina fa olana mitranga matetika any amin'io faritra io aza ny doro ala, dia mbola ratsy noho ireo tamin'ny taona maro lasa ny zavona nihoatra ny sisintany tamin'ity taona ity. Lehibe izany, mainty, matevina, ary sarotra diovina. Niteraka ny fiakaran'ny fahalotoan'ny rivotra ho amin'ny tahany avo indrindra hatrizay  tany Singapore sy Malezia izany.

Niala tsiny tamin'i Singapore sy Malezia ny Filohan'i Indonezia, Susilo Bambang Yudhoyono, noho ny tsy fahombiazan'i Indonezia tamin'ny fisorohana ny doro ala tany Sumatra izay niteraka ilay zavona tao amin'ny faritra.

Azo antoka fa niantraika mafy teo amin'ny fiainan'ireo Singaporeana sy Maleziana maro io zavona io. Tany Singapore, zary lasa ara-dalàna ao anatin'ilay tanàn-dehibe miendrika fanjakana miroborobo ny fisalorana aron-tava ho fiarovana manoloana ilay zavona. Mampihomehy fa lasa lafo ireo aron-tava N5 ary olona maro no tsy maintsy nilahatra nandritra ny ora maro mba hividy izany fotsiny. Notoroana hevitra hody ireo mpiasa, noferana ny fivezivezeana, ary nijanona an-trano ny tanora sy ny beantitra. Fianarana ampolony tany Malezia atsimo ihany koa no nampiato ny fandaharam-pianarany.

Novolavolaina ireo rindrambaiko sy vohikala maro tanaty aterineto mba hanampiana ireo olom-pirenena hanara-maso ny toerana misy ilay zavona, sy hanarahana ireo toerana ahitàna aron-tava azo antoka, toeram-pitsaboana, ary fialofana.

Araka ny nampoizina, nifantoka tamin'ny fiantraikan'ilay zavona tany Singapore sy ireo faritra an-tanàn-dehibe ao Malezia ireo tatitry ny media. Indrisy, vitsy ireo tatitra mikasika ny mahazo ireo olom-pirenena Indoneziana izay nijaly mafy noho ny fiantraikan'ny zavona sy ireo doro ala. Riau, any andrefan'i Indonezia, dia raisina ho ‘loharano’ niaingan'ilay zavona.

Ankoatra ny nanoratan'izy ireo ny trangan-javona any aminy, maro ireo mpampiasa aterineto no nanasongadina ihany koa ny filàna hiatrehana ny fototr'io olana amin'ny zavona io. Indrindra, tian'izy ireo hatao tompon'andraikitra amin'ireo doro ala ireo ny orinasa misahana ny fambolena voanio. Nanindry ny fiarovana tsara kokoa ny tontolo iainana ihany koa izy ireo.

Children preparing a big Christmas lantern in the typhoon-hit city of Tacloban in Leyte. Photo from Facebook of Max Baluyut Santiago

Ireo ankizy mikarakara fanala lehibe ho an'ny Krismasy any amin'ilay tanàna nokapohan'ny rivodoza, Tacloban any Leyte, Filipina. Sary avy ao amin'ny Facebook an'i Max Baluyut Santiago

Taorian'ny nitonian’ny zavona tao amin'ny faritra, nisy andianà loza voajanahary namely an'i Filipina. Nandrava tranobe maro tany amin'ireo faritanin'i Bohol sy Cebu any Filipina ny horohorontany goavana iray tamin'ny Oktobra. Herinandro vitsy taorian'izay, nisy rivodoza mahery vaika nitondra fahasimbàna tany amin'ireo faritan'i Samar sy Leyte teo amin'ny manodidina.

Haiyan no tafiotra mahery indrindra eran-tany tamin'ity taona ity. Io ihany koa no faha-efatra mahery indrindra ka niantefa tamin'ny tany tanatin'ny tantaran'izao tontolo izao. Anatin'ny faritra manodidina ny rivodoza mahery vaika ao Azia Pasifika, tafiotra ampolony mahery isan-taona no mamely an'i Filipina. Saingy hafa i Haiyan. Noporofoiny fa rivodoza tena mahery vaika izany rehefa niteraka onjam-tafiotra tahaka ny “tsunami” izay namono tsy tra-drano olona an'arivony maro. Amin'izao fotoana anoratana izao, maherin'ny 6.000 no maty saingy mety mbola ho avo izany taha-pahafatesana izany satria mbola manohy manadio ireo faharavana any anatin'ireo vohitra maro ireo mpanao asa famonjena.

Anisan'ireo faritany mahantra indrindra ao Filipina ireo faritra voakapok'i Haiyan. Satria tokoa, i Visayas Atsinanana no faritra fahatelo mahantra indrindra ao amin'ny firenena.

Olona maro sisampaty no nitaraina fa tsy nomena araka ny tokony ho izy sy haingana ho an'ireo vondrom-piarahamonina ny fanampiana. Razana  maro no mbola hita mitsitra eny an-dàlambe, ireo tsy manan-kialofana mangataka sakafo, ary tsy mbola tonga tany amin'ireo nosy misintak'ireo faritany ravan'ilay rivodoza mahery vaika ireo ezaka famonjena herinandro taorian'ny nitrangan'ilay loza.

Taorian'ny famerenana amin'ny ampahany ireo onjam-pifandraisana tany amin'ireo faritra sasany, afaka niditra aterineto ireo olona vitsivitsy tsy maty fo aman'aina sy ireo mpanao asa famonjena ary afaka nitantara ny fijalian'izy ireo nandritra ilay tafiotra; ary koa momba ny fomba niatrehan'izy ireo ireo andro maro tsy nisy herinaratra, sakafo, sy fialofana. Namaky fo sy mahery ireo tantaranà fahaverezana sy fitolomana ho velona.

Taorian'ilay loza mahatsiravina, nanindry ny hanaovana fifanarahana mahomby kokoa momba ny fiovaovan'ny toetrandro ireo mafàna fo mikasika ny tontolo iainana mba hisorohana ny fahasimbana goavana any amin'ireo firenana itambaranà nosy kely tahaka an'i Filipina.

Mandritra izany fotoana izany, naka ohatra tamin'ilay fibosasaky ny fanampiana sy ny fitseran'izao tontolo izao ireo niharan'ilay rivodoza mahery vaika ireo teratany ao Filipina.

Koa satria nanakaiky ny faran'ny taona 2013, dia nilaina ny nampahatsiahy ireo anatra mankarary avy amin'ny tranga niseho tao Azia Atsimo Atsinanana tamin'ilay zavona sy Haiyan. Mbola hiverina indray io zavona io amin'ny 2014 raha tsy misy ezaka atao isaky ny faritra hisorohana ireo doro ala ao Sumatra. Raha ny mahakasika an'i Filipina, tsy maintsy tohizana amin-kery ny fanarenana ireo faritany nokapohan'ilay rivodoza mahery vaika raha tsy izany dia vao mainka hampaharitra ny fijalian'ireo niharan'izany rivodoza izany ny krizy mandrahona ny fiainan'ny olona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.