Tantara tamin'ny Septambra, 2013
Mivondrona ny artista breziliana hanavotana ny liona any Kenià
Ny artista breziliana dia manolotra ireo sanganasan'izy ireo ho an'ny hetsika fitadiavam-bola anohanana ny Tetikasa Ewaso Lions, izay natokana hanavotana ny liona any Kenià.
25 Taona Taty Aoriana, Mbola Mihelohelo an'i Iran Ny Famonoana Faobe Tamin'ny 1988
Gadra politika an'arivony no naripaky ny fitondrana iraniana dimy amby roapolo taona lasa izay.
“Rehefa Tapitra Maty Ny Lehilahy Ao Tajikistan Vao Afaka Ny Ho FilohamPirenena Ny Vehivavy”
Be ny fanantenana hahitan-javatra mandritra ny fifidianana ho avy eo fa tsy voatery hahasorena. Sambany eo amin'ny tantaran'ny firenena no misy vehivavy iray mifaninana ho amin'io toerana politika avo dia avo io.
Fokonolona Zapoteco Namoaka Tambajotram-Pinday Manokana
Tanana indizena ambanivohitra ao antendrombohitr'i Oaxaca niaraka amin'ny ONG Rhizomatica mba hisantatra tambajotran-tserasera na finday mahaleotena voalohany manerantany.
Fanandrinana an'i Rosia Ve Ny Tsangambato Ho an'ny Vehivavy Tsetsenina?
Niteraka sahotaka tao amin'ny tontolom-bolongana Rosiana i Ramzan Kadyrov tamin'ny fanokanany tsangambatom-pahatsiarovana andiam-behivavy Tsetsenina maty nandritra ny adin'i Kaokazy tamin'ny taonjato faha-19.
Fa Maninona No Manosotra Varinesy Amin'ny Hohony Ireo Lehilahy Saodiana?
Manosotra varinesy amin'ny hohony ireo tovolahy Saodiana sady mampiseho ny volon-tongony ho fandraisany anjara amin'ny teny ifankahafantarana ao amin'ny Twitter midika hoe "Alaivo sary tahaka ny ataon'ny tovovavy ny tenanao".
GV Face: Fahatakarana Ny #RussiaVotes 2013 Iarahana amin'i Kevin Rothrock Sy i Andrey Tselikov
Niresadresaka mivantana momba ny tohin'ny #RussiaVotes tamin'ny 13 Septambra 2013 ary nilazalaza ihany koa ny fahitàny ny tontolon'ny media rosianina tia mihantsy sy mampihomehy matetika ny tonian'ny [akon'ny] RuNet avy ato aminay Kevin Rothrock sy Andrey Tselikov.
Ejypta – “Toerana Mampidi-doza Ho An'ireo Mpanao Gazety”
Nandao an'i Ejypta ilay Ejypsiana bilaogera sady mpanao gazety Abdulmonem Mahmood, nilaza izy fa manahy ny amin'ny ainy.
Mitohy Ny Tolon'ny Mpamboly Fingotra Thailandey Na Dia Eo Aza Ny Vatsy Avy Amin'ny Governemanta
Nametraka sakan-dalana teny amin'ny arabe sy lalamby ireo mpamboly fingotra voakasiky ny fihenam-bidy tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Nanoaka fanampiana ara-bola ny governemanta saingy notsipahin'ireo mpamboly mpanao fihetsiketsehana sasany izany.
Mampiseho Iraniana Mandray Anjara Amin'ny Adin'i Syria Ve Ireto Lahatsary Ireto?
Lahatsarin'ireo mpiteny Persiana tahatahaky ny miasa miarala amin'ny vondro-tafika Syriana.