Aostralia: Saritaka Ara-Piarovana Noho ny Fitadiavan-tSesintany Nataona Ejipsiana VoahelokaIray

Nampirehidrehitra ny fifampitolomana politika ao anatin'ny fifidianana mananontanona amin'ny 14 septambra 2013 ho avy io ny fiampangana mpialokaloka Ejipsiana iray ho ‘mpampihorohoro jihadista’. Efa ho herintaona izao no nitazonana an'i Sayed Abdellatif ao amin'ny toerana mialoha ny idirana sisintany iray na dia eo aza ny fanairana mena nataon'ny Interpol tamin'ny nanamelohan'ny fitondrana Mubarak azy tamin'ny 1999.

Fampanantenan'ny antoko mpanohitra ny fandroahana hamerenana amin'ny niaviany ireo mpialokaloka nandeha sambo sy ny fampitomboana ny vola natokana ho an'ny fitsikilovana sy ny sampan-draharaham-piarovana. Namaly tamin'ny alalan'ny fanaovana fanadihadiana anatiny momba ny lesoka miharihary hita eo amin'ny fiarovana ny Praiminisitra Julia Gillard.

Be ny tantara mandeha momba ity heverina ho mpampaihorohoro antsoina hoe Sayed Ahmed Maksoud Abdellatif ity. Ny sasany ahitana fiampangana ho nandray anjara tamin'ny fanampiana ara-bola ny al-Qaida.

Ny sasany kosa mampiseho fijery tsara. Tamin'ny 14 Febroary 2012 ny IRIN, sampan-draharaham-baovao tsy mitady tombombarotra tohanan'ny Biraon'ny Firenena Mikambana ho amin'ny fandrindrana ny fanampiana vonjy taitra mahaolona, no namariparitra endrika maha-mahery fo ilay mpialokaloka. Tany Indonezia izy tamin'izay niomana hiondrana an-tsambo ao anatinny dia mampidi-doza :

Egyptian asylum-seeker Sayed Ahmed Abdellatif, married with six children, says he is ready to risk everything to reach Australia – even his family.

…for 41-year-old Abdellatif, who faces possible extradition and a 15-year prison sentence of hard labour in Egypt for his religious affiliations, the risk is worth it.

Sayed Ahmed Abdellatif, mpitady fialokalofana ejipsiana, manambady, manan-janaka enina, nilaza fa vonona ny hisedra ny zavatra rehetra izy hahatrarana an'i Aostralia, eny fa na dia ny ankohonany aza.

…Ho an'i Abdellatif, 41 taona, izay mety ho iharan'ny fandroahana sy ny fanagadrana 15 taona arahina asa an-terivozona any Ejipta noho ny fivavahany, koa tsy aleo ve mirisika

Nisioka ny masoivoho'i Reuters any Aostralia/Pasifika Rob Taylor :

‏@ReutersTaylor: Egypt's Sayed Ahmed Abdellatif was so “dangerous” that his story was profiled by the UN as a hard luck story! http://www.irinnews.org/report/94852/i

Tena “mampatahotra” tokoa ilay Ejipsiana Sayed Ahmed Abdellatif ka nolazain'ny Firenena Mikambana ho vitan-dratsy ny momba azy !

Miresaka ny raharaha mampifanditra momba an'i Abdellatif ihany koa i Ian Rintoul avy ao amin'ny Refugee Action Coalition Sydney :

A refugee advocate has called for the Opposition Immigration Minister, Scott Morrison to end his “terrorism” witch-hunt, and for the government to investigate the leaking of information by the Australian Federal Police.

Claims that ‘a convicted murderer’ has been held in low security immigration facilities are simply not true. This asylum seeker has never been convicted of murder or any specific terrorism charges.

Scott Morrison’s vendetta against ASIO and the Labor government is leading to a ‘trial by media’ of an Egyptian asylum seeker whose claims for protection have still not been considered by the Immigration Department.

Mpiaro iray ireo mpialokaloka miantso ny Minisitry ny mpanohitra, Scott Morrison, hampitsahatra ny fanenjehana noho ny “fampihorohoroana” ataony, ary miantso ny governemanta hanadihady momba ny angom-baovao avy amin'ny polisy federaly aostraliana tafaporitsaka.

Filazana fa tsy marina fotsiny izao ny fisiana ‘mpamono olona voaheloka’ tazonina any amin'ny toeran'ny mpitandro filaminana mikarakara ny fififandra-monina. Tsy mbola voaheloka noho ny famonoan'olona na voaheloka manokana momba ny fampihorohoroana io mangataka fialokalofana io.

Ny valifatin'i Scott Morrison amin'ny ASIO sy ny fitondran'ny Antokon'ny Mpiasa no mitarika ny ‘fitsaran'ny mpampita vaovao’ ilay Ejipsiana mpitady fialokalofana izay tsy mbola nojeren'ny Sampandraharahan'ny Fifindra-monina ny fitakiany ho arovana

Etsy ankilan'izany, ny bilaogin'ilay menavazana tany Vietnam antsoina hoe Kev Gillett dia nahitana ny fampitandreman‘ny miaramila taloha iray milaza fa mila miaro ny sisintanintsika isika:

Anyone with skin in the game or an interest in Australia’s security have been warning all and sundry that to let people into the country when they come via boats, having destroyed identity papers en route, is dangerous. These boat people are not all they make themselves out to be.

 Izay rehetra nihatra aman'aina na manana tombontsoa amin'ny fiarovana an'i Aostralia dia samy nampitandrina avokoa fa mampidi-doza ny famelana ireo olona hiditra ho ato amin'ny firenena amin'ny alalan'ny sambo, ka namotika ny antota-taratasy momba azy teny an-dalana. Tsy izay tian'ireo ‘boat people’ ireo aseho tsy akory ry zareo

Nanao fanamby ny tontolon'ny Twitter aostralianina. Taorian'ny famakiana ny Ahiahy momba ny fiampangana ilay mpitady fialokalofana Ejipsianina tafiditra anivon'ny tadio politika navoakan'ny Guardian Australia vaovao tamin'ny 7 Jona, nampangain'i Andrew Watson ny mpitarika ny mpanohitra Tony Abbott sy ny Antoko Liberaly tarihiny

‏@Andy_Downunda: #auspol It's reasonable to believe that Sayed Abdellatif is a Hosni Mubarak #patsy [victim]. http://www.guardian.co.uk/world/2013/jun/07/conviction-egyptian-asylum-seeker?CMP=twt_gu@TonyAbbottMHR #myliberal

Azo atao tsara am-piheverana ny mieritreritra fa #patsy [lasibatr'i] Hosni Moubarak i Sayed Abdellatif On peut raisonnablement penser que Sayed Abdellatif est un #patsy [victime] de Hosni Moubarak.

Tsy taitra tamin'izany famelezana izany i Todd Kirby was unimpressed with this attack:

‏@toddkirby: oh my god why are all the lefties jizzing over this Guardian article about Sayed Abdellatif? http://m.guardian.co.uk/world/2013/jun/07/conviction-egyptian-asylum-seeker?CMP=twt_gu

Oadray fa maninona no mientanentana aok'izany tamin'ilay lahatsoratr'i Guardian momba an'i Sayed Abdellatif ireo mpiandany ny ankavia rehetra ireo?

Mandritra izany fotoana izany dia tapi-dala-kaleha ireo mpitady fialokalofana rehetra ao Aostralia tsy mahazo ny fahazoan-dalana avy amin'ny ASIO (ny Rafitra Aostralianina Misahana ny Fiarovana sy ny Fitsikilovana, Australian Security and Intelligence Organisation).

Nanazava ny Amnesty International tamin'ny 2012:

…they must pass an ASIO security assessment – but this process is problematic. ASIO is notoriously secretive about their findings, and refugees with a negative security assessment have no ability to challenge a negative assessment.

What happens to those not granted security clearance?

Quite simply, they are stuck in detention – possibly forever. The Australian government cannot return them home due to their refugee status, nor can they enter Australia.

Tsy maintsy mahazo ny tombana ara-piarovana avy amin'ny ASIO ry zareo, saingy misy olana izany fombafomba izany. Malaza amin'ny fanafenan-javatra ny zavatra fantany ny ASIO, ary tsy manam-pahafahana handà izay fandavana avy aminy ny mpitady fialokalofana tsy mahazo fankatoavana eo amin'ny lafiny fiarovana.

Inona no mitranga ho an'ireo izay tsy nahazo alalam-piarovana ?

Tsotra dia tsotra : mihitsoka ao amin'ny fitazonana azy ireo, ary mety ho mandrakizay. Tsy afa-mampody azy ireo ny fitondrana Aostraliana noho ny sata maha-mpialokaloka azy ireo, efa tsy afa-miditra ao Aostralia ihany koa

Araka ny notaterin'ny Amnesty Iraisampirenena, dia an-dalana ankehitriny fombafombam-panadihadiana mahaleotena fa raha mandamoka io dia ho voatazona mandritra ny fotoana tsy voafetra ao ny mpialokaloka.

Rally to support refugees

Fihaonana ho fanohanana ny mpialokaloka
Saripika: hatsara-pon'i Indymedia CC BY-NC-SA licence

Handalo ny fijeren'ny mpitsara iray taloha tao amin'ny Fitsarana Federaly ny tsy fisian'ny mangarahara manafy ny asan'ny sampandraharaham-pitsikilovana sy ny fiarovana. Miditra an-tsehatra ao amin'ny tsikera tsy mety mitsahatra ao amin'ny Indymedia i Takver tamin'ny Avrily 2013:

55 asylum seekers have refugee status but are in immigration limbo as they have adverse security assessments from ASIO with no right of appeal or ability to question ASIO's sources.

Mpitady fialokalofana 55 no manana satan'ny mpialokaloka saingy tavela ao amin'ny limbin'ny [toera-piandrasana ny fanapaha-kevitra farany] fifindra-monina noho ny tsy fahazoan-dalana teo amin'ny fanadihadiana [fanombanana] avy amin'ny ASIO nefa tsy manan-jò hampakatra fitsarana sy hitsipaka ny loharanom-baovaon'ny ASIO

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.