Jona, 2013

Tantara tamin'ny Jona, 2013

Iray No Maty Tamin'ny Fisian'Ilay Hetsi-panoherana Nanerana An'I Brezila

  30 Jona 2013

Tovolahy iray no maty voadonan'ny fiara tao Ribeirao Preto ary ampolony maro no naratra tamin'ilay fifandonana tamin'ny polisy tao Brezila, Rio de Janeiro, ary tao Salvador satria efa maherin'ny iray tapitrisa ireo olona nidina an-dalàmbe teny amin'ireo tanàn-dehibe sy kely rehetra manerana an'i Brezila, io no hetsi-panoherana lehibe indrindra hita teo amin'ny firenena tao anatin'ny roampolo taona.

Loka Eropeana Ho An'ny Fanampiana Ireo Voakasiky Ny Krizin'ny Fanaovana Antoka any Espaina

  30 Jona 2013

Namoaka ny anaran'ireo mpandresy tamin'ilay fifaninanana Olom-pirenena Eoropeana tamin'ity taona ity ny Parlemanta Eropeana. Nomena ilay Sehatra ho an'ny Voakasiky ny Fanaovana Antoka (PAH amin'ny teny espaniola) ny iray tamin'izany, fikambanana iray any an-toerana natao hanamaivana ny fijalian'ireo olona any Espaina izay voakasik'ilay krizin'ny fampindramam-bola "subprime" sy ireo voaroaka niala tamin'ny trano fonenany. Nasiaka dia nasiaka ny antoko eo amin'ny fitondràna tamin'ny fomba fizaràna loka, raha toa ka nanaiky tanteraka izany ny mpampiasa aterineto.

Saodiana Mafana Fo Voampanga Hiditra An-tranomaizina Mandritra Ny Valo Taona

Abdulkareem al-Khadar, mpikambana mpamorona ny fikambanana miaro ny zon'olombelona mpanohitra ny Fanjakana, ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Politika Sy Sivily (ACPRA), dia notsaraina ary nosaziana valo taona am-ponja noho ny fanairany ny hevi-bahoaka sy ny fametrahany fikambanana miaro ny zon'olombelona tsy nahazo alàlana, ankaoatr'ireo fiampangana hafa, izay ny dimy taona dia nahantona sy tsy ampiharina raha toa tsy manatrika fivoriana na miditra anatinà fikambanana tsy ara-dalàna io mafana fo io aorian'ny famoahana azy.

“Ianao No Firenena!”

Rising Voices  30 Jona 2013

Tsy endrika fahita matetika ho mpikambana mamokatra ao anatin'ny fiarahamonina ireo vitsika, vorona, ary lambo 3D... nefa, maninona moa? Mampiasa horonantsary fohy mampiala voly ny Hetsi-panentanana Wazi hanandratana fiarahamonina sivily mitambatra ao Kenya.

[Lahatsary] Ny Fomba Fampiasana Ny Rindrambaiko StoryMaker

Rising Voices  30 Jona 2013

namoaka lahatsary Youtube mampiseho torolàlana maneho miandalana ny fomba fampiasàna ny rindrambaiko StoryMaker ny Small World News, , izay fitaovana natao ho an'ireo mpanao gazety hamoronany ireo tatitrany manokana mikasika ny vaovao amin'ny alalan'ny fampiasana ny finday Android, amin'ny fomba azo antoka sy voaaro tanteraka.

Hita Ilay Peroviana Mahay Mandray Olona Indrindra

  30 Jona 2013

Marisol Rodríguez Gamero, mpianatra Lalàna, 23 taona, no nahazo tamin'ny fifaninànana "The kindest Peruvian" ( Peroviana mahay mandray olona indrindra) [es], hetsika iray hamporisihina ny Peroviana mba hampiseho toetra mendrika sy fihetsika mampisongadina ny hatsaran'izy ireo amin'ireo vahiny mpizaha tany.