Iray No Maty Tamin'ny Fisian'Ilay Hetsi-panoherana Nanerana An'I Brezila

Tovolahy iray no maty voadonan'ny fiara tao Ribeirao Preto ary ampolony maro no naratra tamin'ilay fifandonana tamin'ny polisy tao Brezila, Rio de Janeiro, ary tao Salvador satria efa maherin'ny iray tapitrisa ireo olona nidina an-dalàmbe teny amin'ireo tanàn-dehibe sy kely rehetra manerana an'i Brezila, io no hetsi-panoherana lehibe indrindra hita teo amin'ny firenena tao anatin'ny roampolo taona.

Niparitaka koa ireo mpitandro filaminana tao Belo Horizonte sy Fortaleza, tanàna hafa handray ny lalao Eran-tanin'ny kaonfederasionan'ny FIFA, ary nanampy tamin'ny fanoherana ilay hetsika, ny 20 Jona 2013.

Na dia nasongadina kokoa aza ny herisetra, dia nilamina ny fanehoan-kevitra tamin'ny ankapobeny. Ny herinandro faharoa tamin'ilay hetsi-panoherana nasionaly, izay niantomboka tamin'ny tsy fanekena ny fiakaran'ny saran-dalàna amin'ny fitateram-bahoaka, nahitàna hetsika avokoa ny toerana efa maherin'ny 100 hitakiana ny fampidinana ny saran-dalàna any amin'ireo tanàna maro, anatin'izany koa ireo tanàn-dehibe tahaka an'i Rio de Janeiro sy Sao Paulo, nampiseho fa “Tsy resaka 20 cents fotsiny io”.

VemPraRua Rio de Janeiro

Hetsika tao Rio de Janeiro. Sary nalain'i Tomás Pinheiro (CC BY-SA 2.0)

Marcos Delafrate, lehilahy 18 taona iray, no maty noho ny fifandonana fiara nitsoaka [pt] raha niezaka ny hamakivaky ireo mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana miisa 25 000 tao Ribeirao Preto, fanjakan'i Sao Paulo ny mpamily iray. Satria tsy nihetsika ireo vahoaka ary nangataka tamin'ny mpamily ilay fiara Land Rover mainty mba hiverin-dalana, dia vao maika niridana ilay fiara ary nanitsaka olona farafahakeliny 12. Ny lahatsary nampiakarin'i ViTvHd2 dia mampiseho (any amin'ny 1min40″) izany fotoana izany ary nilaza fa ny laharan'ny fiara dia KVB 6963 :

Firenena an'ady ?

Naharatràna olona an-jatony manerana ny tanàna maro ny fifandonana nisy teo amin'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny polisy. Tao amin'ny renivohitr'i Brezila, nanomboka nitifitra baomba mandatsa-dranomaso sy nitifitra bala fingotra ireo polisy ho fanaparitahana ny mpanao hetsika, dia nisy andiana mpanao hetsi-panoherana tsy mitam-piadiana [pt] nanao izay hidirana tao amin'ny tranoben'ny governemanta. Araka ny hita ato amin'ity lahatsary ity, ny vondron'olona vitsy namaly ny tifitra natao azy tamin'ny alalan'ny fandrehetana afo teo anoloan'ny Lapan'i Itamaraty, Biraon'ny Minisitry ny Fifandraisana Ivelany. Ity lahatsary manaraka ity dia mampiseho ny tao ambadiky ny Itamaraty :

Nanazava ilay mpanoratra, Ocupa Brasilia [pt] :

Ao contrario do que a mídia anda veiculado; Uma parte dos manifestantes tentavam mobilizar outros para irem ao Congresso; Sendo que existe duas pontes/entradas e em uma delas tinha uma concentração maior de vândalos. Acabou que todos nós fomos surpreendidos com bombas de lacrimogênio e balas de borrachas; Sendo que um dos manifestantes levou um tiro bem próximo e direto em sua coxa, ficando a bala alojada até que foi levado pelo corpo de bombeiros.

Mifanohitra tamin'ny voalazan'ireo filazam-baovao, nisy tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana no nanentana ireo namany ho any amin'ny Kaongresy; nisy tetezana/fidirana roa tao ary ny iray tamin'izy ireo no tena nahitàna herisetra bebe kokoa. Ny marina dia notairina tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso sy fitifirana bala fingotra izahay; ny mpanao fihetsiketsehana iray [teo akaikiko] dia voatifitra teo amin'ny feny, ary nijanona tao ilay bala mandra-pahatongan’ ny mpamonjy voina.

Tao Salvador, niharanà herisetra kokoa ireo mpanao hetsi-panoherana izay nitarika am-pilaminana ilay diabe. Nivadika ny rasa raha iny niroso nanoloana ny kianjan'ny fanatanjahan-tena iny ireo vahoaka maro be, kianja izay nisy ny lalao nifandonan'i Uruguay sy Nigeria ho Tompon-dakan'ny Kaonfederasiona. Hita nitifitra basy ny fiaram-panjakàna iray izay mitondra ny laharana OKU 8877 – hoy ny fitantaran'ilay mpaka sary, Felipe Amorim [pt], ary tsy bala fingotra izany. Nozarazaraina ary nisy fanehoan-kevitra an'arivony ilay lahatsary, isan'ireny i Berlindo Ribeiro Reis, izay nanatri-maso izany ary nanamafy hoe :

eu tava la e vir tudo a Policia desceu a porrada e granada e Bala em todo mundo nao quis nem saber se tinha criança , mulher gravida

Nanatrika teo aho ary hitako daholo. Tonga avy any ireo polisy dia midaroka sy manipy baomba amin'ny olona rehetra, tsy te hahalala izy ireo na ankizy na vehivavy bevohoka

Tao Rio de Janeiro, nitatitra ny fisian'ny fifandonana teo amin'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny polisy ihany koa ireo olon-tsotra mpitati-baovao. Nisy tamin'ireo mpampiasa aterneto aza no nilaza fa nisy ny fampiasàna fitaovam-piadiana tena izy mba hanoherana ireo vahoaka nanerana ny tanàna. Chico Freitas [pt] dia nitatitra tao amin'ny Facebook :

Houve guerra no Rio hoje. Um milhão de manifestantes. A polícia atacou sem pena, antes de fazermos qualquer outra coisa além de protestar, sem vandalismo. Nos cercaram em todo o centro da cidade. Usaram armas letais e não-letais, fecharam as estações de metrô e oprimiram quem tentava pegar a barca. Jogaram bombas da prefeitura até o sambódromo, nos encurralaram na Avenida Presidente Vargas, conseguimos ir até a Praça Tiradentes e vimos na TV de um bar que o Choque estava indo pra lá. Corremos em direção à Lapa e soubemos que estavam jogando bombas de gás até em crianças que brincavam por lá, então fomos pela Avenida Chile até a Cinelândia. Lá o pessoal se aglomerava de novo, em frente ao Theatro Municipal. Até que se aproximaram os carros do Choque e jogaram bombas. Me perdi do meu pessoal. Corremos todos pro aterro do Flamengo. Lá eu vi o ônibus pra Niterói e peguei. Do ônibus vi que estavam lançando bombas no aterro também. A polícia não vai deixar ninguém ir a lugar algum, aonde quer que o povo vá, eles irão atrás com opressão. Hoje a polícia foi mais violenta do que nunca. Foram truculentos, atrozes, trouxeram medo e terror. A polícia que é paga pra proteger o povo. #protestorj #ogiganteacordou #revoltadovinagre #thegiantwokeup #vemprarua #changebrazil #rio #brasil #brazil

Anio, niatrika ady i Rio. Mpanao hetsi-panoherana iray tapitrisa no nidina an-dalàmbe. Tsy nitsitsy mihitsy ireo polisy nanafika, hatramin'ny fiandohana izahay tsy nanao zavatra hafa afa-tsy ny hetsi-panoherana, tsy nisy fanimbana fananam-bahoaka. Nohodidinin'izy ireo teo afovoan-tanàna izahay. Nampiasain'izy ireo tamin'izany ny fitaovam-piadiana mahafaty sy tsy mahafaty, nakatony koa ny fiantsonan'ny lalàmby ary nanao famoretana tamin'ireo izay nitetika ny handray fiarandalàmby izy ireo. Nanipazany baomba koa izahay, avy any amin'ny lapan'ny tanàna ka hatreny Sambadrome, tratrany tao Avenida Presidente Vargas izahay, afaka nandeha tany amin'ny Praça Tiradentes ihany anefa izahay ary tao no nahitanay tamin'ny televiziona fa mizotra mankao koa ny herim-pamoretana. Nitsoaka nankany amin'ny Lapa izahay ary nandre fa mitifitra baomba mandatsa-dranomaso amin'ireo ankizy milalao ao izy ireo, koa dia nandeha avy ao amin'ny Avenida Chile izahay ho any Cinelandia. Tao indray ny vahoaka no nivondrona nanoloana ny Teatra Monisipaly. Mandra-pahatongan'ny fiaran'ny mpitandro filaminana nanakaiky teo ary nitoraka baomba. Tsy hitako intsony izay nalehan'ireo namako. Samy nihazakazaka namonjy ny faritry ny Flamengo daholo izahay. Tao no nahitako fiara fitateram-bahoka nankany Niteroi ka niakatra aho. Tao anatin'io fiara io no nahitako fa mitifitra baomba koa izy ireo. Tsy hamelan'ny polisy mihitsy ny olona rehetra, izay alehan'ny olona dia arahan'izy ireo amin-kerisetra avokoa. Anio, tena nahery setra be tsy mbola nisy toy izany ireo polisy. Tena nisetrasetra nahatsiravina, nampitahotra sy nampihorohoro izy ireo. Ny polisy izay natao hiaro ny vahoaka. #protestorj #ogiganteacordou #revoltadovinagre #thegiantwokeup #vemprarua #changebrazil #rio #brasil#brazil

Firenena milamina

Ireto sary manaraka ireto dia mampiseho ny ampahany amin'ireo hetsi-panoherana am-pilaminana manerana ireo faritra maro tany amin'ny firenena :

Demonstration in Jaraguá do Sul, state of Santa Catarina, photo published by Chan360 (CC BY-NC-ND 2.0)

Hetsika tao Jaraguá do Sul, Santa Catarina, Sary navoakan'i Chan360 (CC BY-NC-ND 2.0)

Demonstration under rain in Cascavel, state of Parana. Photo by Alexander Hugo Tártari, published with a Creative Commons license.

Hetsika tanaty ora-mikija tao Cascavel, Fanjakan'i Parana. Sary nalain'i Alexander Hugo Tártari (CC BY-NC-SA 2.0)

VemPraRua BH

Hetsi-panoherana lehibe tao Belo Horizonte, Minas Gerais. Sary nalain'i Maria Objetiva (CC BY-SA 2.0)

VemPraRua Recife

Recife, Fanjakan'i Pernambuco . Sary nalain'i Rostand Costa (CC BY 2.0)

VemPraRua Sao Luis

São Luis, Maranhão. Sary nalain'i Kika Campos. (CC BY 2.0)

VemPraRua Natal

Natal, Fanjakan'i Rio Grande do Norte . Sary nalain'i Isaac Ribeiro (CC BY-SA 2.0)

Hetsika hafa maro

Nampiantso fivoriana maika niaraka tamin'ireo Minisitra ny filoha Dilma Rousse ny Zoma 21 Jona, handinihana ny fivoaran'ilay hetsika ary hijerena ny fomba hiatrehan'ny governemanta izany manomboka izao. Raha toa ka mitohy ihany ny Kaonfederasiona Erantany etsy ankilany,  etsy an-daniny kosa dia hetsi-panoherana maro no efa vinavinaina hatao manerana ireo tanàna maro ato ho ato.

Nosoratana niaraka tamin'i Paula Góes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.