Avrily, 2013

Tantara tamin'ny Avrily, 2013

Mihemotra i YouTube Raha Misosasosa Ny Aterineto ao Korea Atsimo

  24 Avrily 2013

Ao Korea atsimo izay efa nozarina ny misosasoa amin'ny aterineto anisan'ny hainga-pikoriana indrindra manerantany, dia tsy mitsahatra ny itarainana hatrany ny YouTube noho ny fikatsokatsoany. Saingy nahoana moa ity habaka mampiantrano lahatsary ity no miada-pikoriana loatra raha oharina amin'ny ambin'ny aterineton'i Korea Atsimo? Ny valiny dia mitoetra ao amin'ny tsy fanajan'ny orinasa...

Venezoela: Miteraka Herisetra Ny Ahiahy Taorian'ny Fifidianana Sy Ny Tsy Fahatokisana

  23 Avrily 2013

Mitohy ety anaty aterineto sy eny an-dalambe ny fanehoankevitra mivaivay mikasika izay ho vokatry ny fifidianana ao Venezoela, natao tamin'ny 14 Aprily. Feno hafatra an-katezerana sy fifampiangàna avy amin'ny andaniny sy ny ankilany ireo tambajotra sosialy, izay mahatonga fisarahana eo amin'ireo mpomba ny foto-kevitra Chavez sy ireo mpiara-dia amin'ny mpanohitra ny governemanta.

Torolalana Ara-dalàna Momba Ny Fiarovana Nomerika Ho An'ny Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Arabo

Namoaka "torolalana ara-dalàna ho fiarovana ara-nomerika" ho an'ny mpanentana sy ny mpikatroky ny zon'olombelona ary ny mpisolovava liana amin'ny fahalalaha-miteny nomerika sy ny tsiambaratelom-pifandraisana sy ny antontan-kevitra voatahiry ao amin'ny finday, solosaina na zavatra hafa ampiasaina hitehirizana sy izarana vaovao ny Fikambanana Miaro ny Fahalalaham-Pitenenana sy Fieritreretana ao Ejipta.

Hong Kong : Lehilahy Iray Nosamborina Noho ny Fanompana Ny Filohan'i Shina Tamin'ny Graffiti

  23 Avrily 2013

Tafintohina tamin'ny fihoaram-pahefana nataon'ny polisy ny mpiserasera tao Hong Kong tamin'ny fisamborana lehilahy iray 46 taona noho ny fanoratana tao an-dalantsaran-tohatry ny trano fanorenana lehibe iray ao amin'ny distrikan'i Ma On Shan ao Hong Kong  “Mandehana any amin'ny Afobe, Xi Jinping” (習近平去死). Xi Jinping no filohan'i Shina. Araka ny tati-baovao tao...

Mitolona Manohitra Ny Heloka Amin'ny Fomba Amam-panao Ny Gaboney

  22 Avrily 2013

Nampivandravandra ny lozan'ny famonoan'olona ara-pomba amam-panao ao Gabon ny fandaharana iray amin'ny fahitalavitra Canal Plus. Anisan'ny finoana mahatonga famonoan'olona ara-omba amam-panao ao Gabon ny fakàna taova aminà olona velona iray mba hahafahan'ny olona iray hanana tanjaka kokoa. Efa nisy fahafatesana nampisaona fianakaviana manontolo izany heloka izany ary mampivarahontsana ny firenena manontolo. Nanomboka tamin'ny volana mey...

Voaolana? Raiso Ny Vola, Dia Mangina! Hoy Ny Polisy Indiana

  22 Avrily 2013

Nanome vola mangingina 38 dolara ho an'ny rain'ilay zazavavy 5 taona lasibatry ny fanolanana sy fakàna an-keriny ny polisy ao andrenivohitra Delhi mba hanadinoina ity herisetra mahery vaika ity, niteraka fahatezerana manerana ny firenena izay miady amin'ny fitomboan'ny tranga fanolanana izany. Niharan'ny fanolanana narahina herisetra ity ankizivavy 5 taona ity nandritra ny...

Chile : Velona Indray Ny Hetsiky Ny Mpianatra

  22 Avrily 2013

(Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy) Niverina tanaty hery tamin'ny alalan'ny fidinana teny an-dalambe nanerana ny firenena Shiliana ny hetsiky ny mpianatra mitaky ny fanabeazana maimaipoana sy tsara. Nifamotoana tany amin'ny foibe sosialin'ny tanàndehibe maro nanerana ny firenena ny mpianatra izay niahiakiaka hatrany ny hoe “Hianjera, hianjera, ny fanabeazan'i Pinochet… sy...

Nahazo Zo Tsy Iharan'ny Lalàna ireo Miaramila Ambony Ao Yemen

Nilatsaka ihany nony farany ny didim-panjakana avy amin'ny prezidansa izay efa nandrasan'ireo Yemenita marobe, satria noesorin'ny filoha Yemenita Abdrabuh Mansur Hadi teo amin'ny toerany ny zanaky ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh, lehiben'ny Fiambenana Repoblikana, tamin'ny 9 Aprily 2013, ary notendreny ho ambasadaoro any Emirà Arabo Mitambatra. Ny zana-dralahin'i Saleh, Ammar, filoha lefitry...

Nifidy ny Kandidà Mpanohitra Capriles Ny Ankamaroan'Ireo Venezoeliana Ao Panama

  21 Avrily 2013

Nanaraka akaiky ny fifidianana natao tao Venezoelà tamin'ny Alahady 14 Aprily 2013 lasa teo i Panama, izay ahitana mponina Venezoeliana marobe. Nahitana ny fihetseham-pon'ireo Venezoeliàna monina ao Panama ny tambajotra sosialy, tahaka izany ihany koa ireo Panameana te-hanaraka ny zava-nitranga tao Venezoela, mpifanolo-bodirindrina akaiky azy. Panamaniana daily Día a Día (@DiaaDiaPa) [es]...