Torolalana Ara-dalàna Momba Ny Fiarovana Nomerika Ho An'ny Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Arabo

Namoaka “torolalana ara-dalàna ho fiarovana ara-nomerika” ny Fikambanana Miaro ny Fahalalaham-Pitenenana sy Fieritreretana ao Ejipta izay anatin'ny fandaharan'asany momba ny fahalalahana nomerika  Ejipta. Navoaka ho an'ny mpanentana sy ny mpikatroky ny zon'olombelona ary ny mpisolovava liana amin'ny fahalalaha-miteny nomerika sy ny tsiambaratelom-pifandraisana sy ny antontan-kevitra voatahiry ao amin'ny finday, solosaina na zavatra hafa ampiasaina hitehirizana sy izarana vaovao ilay torolalana. Tao anaty fandresen-dahatry ry zareo fa mety hiteraka risika na ho an'ny mpisera azy na ho an'ny hafa, indrindra ho an'ireo izay monina any amin'ny fitondrana mpamoritra mametra ny fahalalaham-pitenenana ny resaka fiarovana sy ny zo hanana tsiambaratelo ary ny firenena izay ahitana mpikatroka misera ny aterineto sy ny tolona nomerika hafa dia matetika no miatrika ny fiampangana ho “mampiasa amin'ny tsy izy ny tambajotra sy fitaovam-pifandraisana” na “manompa olona na fikambanana amin'ny alalan'ny famoahana nomerika”.

Mizara roa ilay torolalana ara-dalàna momba ny fiarovana nomerika: ny fizarana voalohany mitari-dalana momba ny fiarovana ara-teknika ny angona sy ny vaovao ary manoro ihany koa ny fiadiana amin'ny fisovohana na fangalarana angona; ny fizarana faharoa koa miresaka ireo torohevitra araka ny lalàna ho an'ireo olona voampanga ho mamoaka votoaty tsy ara-dalàna.

Ny torolalana, izay navoaka ho anisan'ny programan'asa momba ny fahalalahana nomerika navoakan'ny Fikambanana Miaro ny Fahalalaham-Pitenenana sy Fieritreretana, dia natao hampisongadina ny voalazan'ny lalàna momba ny fiarovana nomerika sy ny fiezahany hanazava fa ny zava-dehibe mila heverina mandritra ny famotorana sy ny fitsarana mifandraika amin'ny famoahana nomerika izay matetika misitraka ao anatin'ny tsy fanononana anarana ny mpanao izany dia ny fampilaharana azy amin'ny heloka bevava hafa. Ao amin'ny toko ara-teknikan'ny torolalana no ahitana ireo fitaovana fiarovana nomerika mifandraika amin'ny fitetezana, fanovana dosien, fitehirizana ny angona, fanavotana ireo dosie very, fiadiana amin'ny viriosy sy ny fitadiavana hitsofoka ao amin'ny fitaovana kasaina hotsikilovina ary ny fitaovana maro hafa.

Tsindrio eto raha hijery ny taratasy [ar].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.