Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Oktobra, 2011

Tantara tamin'ny Oktobra, 2011

29 Oktobra 2011

Arabia Saodita : Miala any ny printsy Naif

Minitra vitsy monja ny famoahan'ny mpisera Saodiana tao amin'ny Twitter ny fitaintainan'izy ireo tao aorian'ny fahafatesan'ilay Printsy mpandimby Sultan Bin Abdul Aziz Al Saud.  Mitovy fanontaniana ny maro amin'izy ireo momba izay Printsy mpandova manaraka ao mandrapahatongan'ny vaovao avy amin'ny Lapan'ny Mpanjaka ny sasak'alin'ny  27 Oktobra fotoana nanendrena ny Printsy  Naif Bin Abdul...

Global Voices Podcast : Fivoriana Fahatelon'ireo Bilaogera Arabo – Andiany faha2

Ho fanampin'ny "podcast" isam-bolana fanaonay, dia manana raki-peo manokana ho anao koa izahay avy amin'ilay vaovao vao nivoaka farany tamin'ilay Fivoriana fahatelon'ireo Bilaogera Arabo tao Tonizia. Ao amin'ity lahatsoratra ity, fanadihadihana miaraka amin'i : Zeynep Tufekci, Alexandra Sandels, Hayder Hamzoz, ary Roger Dingeldine.

28 Oktobra 2011

Madagasikara : Mivantana tamin'ny siokantsera ny fahatongavan'ny Praiministra vaovao Jean-Omer BERIZIKY

Frantsa: Famerana Fanomezana Visa Ny Mpianatra Anjerimanontolo Vahiny

Raha mba nitovy amin'ny lalàna momba ny fifindra-monina ao Etazonia ny any Frantsa araka izay fanapahan-kevitra noraisina farany, dia orinasa Sinoa no mety tompon'ny Yahoo (naorin'i Jerry Yang avy any Taiwan), ary Google no fantatra ankehitriny fa mety orinasa Rosiana miroborobo indrindra (natsangan'i Sergey Brin) ary Apple dia orinasa Syriana – mpianatra...

Zambia: Misara-kevitra Momba Ilay Fifonana Nataon'i Sata Tamin'i Angola Ny Mpisera

Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana an'i Zambia i Michael Sata taorian'ny tamin'ny 20 septambra, ny hetsika diplaomatika nataony volaohany, na ho ratsy na ho tsara, dia ny fandavana ny fanasana nataon'i Bingu Wa Mutharika, filohan'i Malawi, hanatrika ny fihaonana an-tampon'ny Tsena Iombonana aty Afrika Andrefana sy Afrika Atsimo. Ny hetsika...

Topimason'ny Fibodoana Azia Atsimo Atsinanana

Miely manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana ny Hetsika ‘Fibodoana’ (na Fananihana). Aingam-panahy avy amin'ny Hetsika ‘Fibodoana’ manerantany no nisian'ny fivoriana tany Malezia, Indonezia, Filipina ary Singapore tamin'ity volana ity. Topimaso...

Teny: Podcast Iray Avy Amin'Ireo Tompondaka Ao Warlpiri

Rising Voices

Ny Tompondaka ao Lajumanu dia kilasy misy ireo mpianatra madinika ao amin'ny Faritra Avaratr'i Aostralia. Miaraka amin'ny mpampianatra azy ireo, Adrian Trost, dia mamokatra podcast isam-bolana ireo mpianatra, izay ahitàna fanandratana ny teny Warlpiri fampiasan'ireo vahoaka teratany tena hiringiriny antsoina hoe Aborigene.

27 Oktobra 2011

Kenya: Domberina An-tSerasera Noho ny Fanafihana Grenady Avy Amin'ny Al Shabaab

Nanafika ny vondrona mitam-piadiana Somali Al Shabaab ny tafika keniana vao tsy ela izay ka ny anaran'ny fanafihana dia midika hoe “Operation Linda Nchi” amin'ny teny Swahili na Operation Fiarovana ny Firenena. Nampanatena ny Al Shabaab taorian'ny fanafihana fa hanafika an'i Nairobi. Efa nahitana fanafihana tamin'ny alalan'ny grenady indroa nahafatesana olona...

Kambodza: Tondradrano Faran'izay Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona

Ity no tondradrano faran'izay ratsy indrindra tato anatin'ny folo taona. Ny manampahefana Kambodziana mitatitra fa mila ho antsasaky ny iray tapitrisa no velaranà tanimbary simban'ny rano ka mety hanohintohina ny fahavitan-tena ara-tsakafo any amin'ny faritra. Ireto ny tatitra misimisy kokoa momba ny zava-doza nentin'ny tondradrano ao Kambodza 2011

Ejipta: Fiantsoana Revolisiona Indray Taorian'ny Didim-Pitsarana Momba ny Raharaha Namonoana An'i Khaled Said

Voaheloka higadra fito taona any am-ponja ny polisy roa noho ny daroka niteraka ny fahafatesan'i Khaled Said, zatovolahy novonoina tany Alexandria nampirehitra ny revolisiona Ejipsiana. Tezitra ny mpisera amin'izay lazain-dry zareo fa didim-pitsarana mohaka sy tehamaina amin'ny revolisiona sy ny antsony isian'ny rariny. Niteraka antso ho amina revolisiona vaovao teo...